sam.
17
juil.
2010
Ho avy indray ny vondron’ny mpanelanelana izay ho tarihan’ingahy Chissano. Lehilahy navitrika teo amin’ny fandravonana ny olan’ny samy malagasy hatramin’izay, ka mahakivy ny hafa, satria mitetika ny hampizara ny fahefana eo am-pelan-tanan’ny mpitondra ankehitriny. Mihoron-koditra ny mpanao politika, satria raha hisy indray ny fivoriana hiarahan’ny ankolafy efatra miaraka amin’ireto vahiny ireto, dia mety hiafara amin’ny fiarahamitondra ity tetezamita ity. Io anefa no tsy zakan’ny sasany, ka hanipazany hoditr’akondro matetika eo amin’ny ezaka izay ataon’ingahy Chissano sy ny tariny. Ankilan’izay dia mihoron-koditra ihany koa ny vahoaka, satria rehefa hisy dinika ho famahana olana, dia misy herisetra mitranga foana eto, toy ireny fanapoahana baomba tamin’ny taon-dasa ireny. Voalaza tamin’izay, fa tsy midinika miaraka amin’ny mpampihorohoro ny mpitondra ny tetezamita. Dia toy izany hatrany rehefa hisy sehatra ho famahana olana hiarahana amin’ny vahiny. Dia inona indray no hitranga amin’izao ho fahatongavan’ingahy Chissano izao? Ny hetsika ho fanoherana ataon’ny antoko politika sasany azy aloha tsy olana, fa ny vokatra ratsy hiantraika amin’ny vahoaka no tena loza, satria hifatratra any hatrany ny olana raha misy korontana indray eo. Ramarikivy
Efa lany andro anie izany Chissano izany e! Tsy misy ilana izany intsony! Nefa raha te ho avy izy dia aleo ho avy, ary ho hitany fa efa mahavita azy ny malagasy samy malagasy eo amin'ny fifandaminana. Efa tsapa manko fa mahomby ny ezaka nataon'ny HAT eo amin'ny fikarakarana ny fifidianana sy ny dinika samihafa manerana ny faritra. Ho lany fotoana eo fotsiny ingahy Chissano sy le Maizina isany.
Rehefa isika samy isika no tsy mifanaraka sy mifandamina dia mitsangatsangana daholo izay vahiny miditra an'i Madagasikara fa tsy ahita zavatra mangirana.Raha mbola samy mandrirotra izay ho roitiny fa tsy mifanaraka dia tsy misy dikany e!Ny olana anie isika samy isika tsy mahay mifandamina mihintsy e.
Ela nitoratorahana ireo FAT ka ahavoa vao mason'angatra @ izay. Ny Frantsay mpampiasa azy aza efa matahotra ny G.I.C satria tsy maha baiko ny USA sy ny UE izay manery an'i CHISSANO hanao "fanelanelana". Raha miala eo io CHISSANO io dia olona hafa hampitondra mangidy ny FAT no tendren'ny G.I.C hisolo azy. Tsy azo ilana mihitsy ny "accord de maputo" na iza na iaza tsy hanaiky.
Aza mitonantonana Ralay a! Efa resy nareo e! Efa izay no izy ny amin'i Valomanana leroa a! Chissano izany dia efa lany andro e! Ny GIC indray dia hoy izahay malagasy maro an'isa manohana tsy misy fepetra an'i Andry, Filoha mamim-bahoaka" hoe: "henoy zany ry hazon-damosiko"!
