sam.

17

juil.

2010

Amboary ny seza

Ny an’ny fitondrana teo aloha no hadalàna miaro tsinjaka tamin’ilay resaka hoe : « amboary ny lalana ». F’angaha tokoa moa ny lalana mahavoky sy azo nohanina? Tsy misy vaha-olana politika tena azo hampiharina hatramin’izao fa ny fihitarany amin’ny sehatra ara-toe-karena sy ny sosialy no tena loza. Izao dia nampiakarin’ireo mpandraharaha mpanao fitaterana ny saran-dalana zotra nasionaly. Anarany no mba nisy lalana marobe an-kilometatra vita fa dia tsy maintsy hangetaheta ambony lalana e! Misosa amin’ny godorao fa main’ny vidin’ny solika ny tahirim-bola kely mba ananan’ireo tsy maintsy hivezivezy noho ny asa aman-draharaha. Raha handeha hitsangatsangana izany dia efa nofy sisa e! Miandry izay hataon’ireo mitonona ho mpitondra fanjakana indray izany mba hanao <magie> ho an’ny mpiara-belona. Ireo mpandraharaha mpanao fitaterana ireo mantsy dia tsy mahafantatra izay mahasoa ny vahoaka fa manao fanararaotana fotsiny, ary indrindra dia hetsehin’ny mpanao politika, hono, vao mba tonga saina. Tsy mahalala fatiantoka izany ny mpandraharaha fa tsy maintsy misy dinika politika io? Iza no mpitatitra sahy hamaky bantsilana ny fakàna ékolazy eny amin’ny arabem-pirenena rehetra eny? Ny fita-bitro ataon’ireo karàna amin’ny fivarotana piesy faosika? Ny kolikoly avo lenta fanaon’ireo mpitaky hetram-panjakana? Ny gaboraraka amin’ny fanomezana taratasy fitrandrahana?......

Raha ny fandraharahana eto Madagasikara dia ny varomandeha mitety tsena sy ny fanaovana fitaterana sisa no mba ataon’ny tera-tany Malagasy, ka rehefa io no hitsabahan’ny fitondrana dia mihevera fa hisafotofoto indray ny lafiny sosialin’ny mponina. Miandry ny mpitondra hahita marina ny tombotsoan’ny tera-tany malagasy vonona hanavotra ny toe-karena malagasy ireo mbola mavitrika rehetra e! Fa tsy mpitondra mpanao bemarenina sy manao tsindrio fa lavo akory no mety hitondra ny fahafahan’ny mpihary madinika hahazo ny anjara tandrifiny. Sa ny mpitondra mihitsy no te-hanao ny fandraharahana isan-karazany? Tsy tsaroanareo ve ny olan’ny ”tetezana mitsingevana” fa nampigadra mpanao politika ny filazàna fa nanao bizina tamin’iny ny mpitondra tamin’izany e! Soa fa nisy fiara nitety an’i Madagasikara, ireo taksi-brosy no nampifandray ity nosy. Kitikitiho indray fa mbola tsy milamina ny sehatra e! Efa natao teto anie ny subvention ho an’ny mpitatitra e! dia mitadiava vola hamenoana ny banga, f’aza matikambo ho mitady vaha-olana ho an’ny rehetra kanefa fanamafisana ny seza sy tombotsoa manokana no masaka an-tsaina. Tena mety haharava fitondrana tokoa angaha moa ny hetsiky ny mpanao fitaterana? Amboary àry ny seza! Asio ceinture de securité sao manao loza eny an-dalana… sarotra sy ratsy mantsy iny lalana iny! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 8

  • #1

    Dénise Rabe (samedi, 17 juillet 2010 10:17)

    Ny mpitondra an'i Gasikara ankehitriny dia ny Filoha ambony Andry Rajoelina, ary tsara ny manipika etoana fa tena mamim-bahoaka izy ary eken'ny 95%'ny vahoaka malagasy. Efa resy tokoa i Valomanana ankehitriny ary tena KO tanteraka mihitsy. Ireo vitsy an'isa kely eto Gasikara sy ireo GTT tsy monina akory eto Gasikara sisa no miseho ho avo vava sy manohana ilay nitsoaka nandositra any Afrika atsimo.

  • #2

    NY HENDRY (samedi, 17 juillet 2010)

    fifidianana taiza kay ny nahazahoana io vokatra io?????????????? tsy izany re no alaolana hivoahana @ ity KRIZY ity REHEFA VONONA IANAREO MILAZA HO MPITONDRA IREO FA ATAO NY FIFIDIANANA IRAISANA AO AORIANAN'NY FAMPIHAVANANA dia ataovy ny fifidianana dia ho hitanao ny tena vokatra FA AZA MANONOFY AO AMPANDRIANA AO FOTSINY REHEFA AVY NIVAROTRA BOIS DE ROSE

  • #3

    deba (samedi, 17 juillet 2010 16:05)

    Ny tena marina dia ilay finiavana hampandroso Firenena no tsy misy eo amin'ny tsirairay.Be vava,sy manohana olona anjambany no be fa ny hevitra sy ny fanatanterahana izany hoe ny "asa"tsy misy atoraka daholo.Faly mijery ny tombotsoan'ny tenany daholo ka manadino ny an'ny Firenena.Misy milaza fa rehefa madroso ny tsirairay dia mandroso ny Firenena.Tsy mbola eto amintsika no mety izany.

  • #4

    Dénise Rabe (samedi, 17 juillet 2010 21:10)

    Rajoelina: OK
    Valomanana: KO total

  • #5

    NY HENDRY (dimanche, 18 juillet 2010 10:49)

    Aoka tsy ny olona no jerena fa ny foto-kevitra HIJOROANY sy ny HEVITRA harosony ARY INDRINDRA INDRINDRA ny fomba fihetsiny (matotra ara-poto-kevitra ve samivadibadi-dela????)

  • #6

    Dénise Rabe (dimanche, 18 juillet 2010 20:39)

    Aminay malagasy maro an'isa dia i Andry Rajoelina ihany no azo itokisana amin'ny zavatra rehetra. Raha ny fahamatorany aloha dia any am-paladiany daholo ry Valomanana sy ry Zafy e!

  • #7

    sareraka (dimanche, 18 juillet 2010 20:47)

    Tsy ho Malagasy maro an'isa rahoviana ianao Dénise Rabe fa aza misandoka anarana a!Ianao sy ny forongonao no manohana an'i Andry kely fa tsy ny Malagasy maro an'isa mihintsy.

  • #8

    rambelo (lundi, 19 juillet 2010 10:32)

    mamporisika an- Rabe Denizy aho hanoratra tsy tapaka eto fa ilaiko izany. ary aza kivy fa tsara ny hevitrao k'ah. Hainao tsarabe ny manome tarehimarika manambara faminaniana, tena tsara ireny ary enga anie ho 100 isan100 ny malagasy mahay sy avara-pianarana toa anao fa vetivety isika dia ho lasa avobe, ary hohajain'ny ambanilanitra. HO ela velona ny mpanjakan'ny tapitr'ohatra toa anao ramatoa denizy. ary enga anie ho lasa anjely ianao mba halainay tahaka.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra