ven.
16
juil.
2010
Henjana ny voambolana nampiasain’iny olona iny : «Fahefana jiolahimboto no eto, ary tsy misy fanantenana intsony !». Tsy olona fatritrany akory iny olona iny, fa mihaja sy manam-pahaizana ambony tokoa. Teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no nandaniany ny fotoam-piasany sy ny ron-dohany. Tsy gaga loatra amin’ny fihetsika asehon’iny olona iny raha ny mpanaraka ny fivoaran’ny tontolo politika eto amin’ny tany sy fanjakana, izy tokoa mantsy dia efa natolotry ny fironana manohana an-dRamose mba hitantana ny tena tetezamita marina manaraka ilay fifanarahana tany Maputo. Lalina loatra ny aretina manjo ny firenena malagasy raha ny filazan’iny olona iny, ary tsy mbola tena tetezamita no mijoro sy manana ny fahefana eto. Nanambara ihany koa izy fa ny fifidianana dia anisan’ny famahana ny krizy politika Malagasy…
kanefa dia nasongadiny tsara fa tsy manan-kevitra hirotsaka amin’ny fifidianana ho filohan’ny repoblika ny tenany. Aleo aloha ny tetezamita tena izy sy matanjaka ary tsy mitanila no hatrehana. Vonona hitarika izany tetezamita vaovao izany iny olona iny ary efa manana ny paika sy ny tetika hizorana amin’izany. Asa aloha izay tena tetika mety hizoran’iny olona iny ka mety hahatratrarany izany tanjona tiany hapetraka izany. Be loatra manko ny fanakianana sy ny tsikera tato ho ato mahakasika iny olona iny sy ny fianakaviany. Tsy moramora sy tetika ambony taratasy koa matetika no tena mampientana ny herim-po ananan’ny malagasy, ka hahafahana mandresy lahatra azy amin’ny tsy rariny mianjady aminy…Toa tsy vitan-dresaka fotsiny intsony manko raha tombanana ny tena famahana ny krizy iainan’ny malagasy. Tsy iny olona iny ihany akory no efa nametraka voambolana nanesoana izao mpitarika sy ny fahefana tetezamita izao, fa hatramin’izao dia « henoy izany ry hazon-damosiko » no valiny bontolo avy any. Ka sao manantena iny olona iny fa raha hifanenjana amin’ny jiolahimboto dia hanao fihetsika mihaja sy feno fanajana azy. Ampiasao daholo na fihetsika, na fomba, na fiteny, na kolontsaina tena henjana, asehoy fa tsy ny fahaizana sy ny fahalalana ambony ihany no hainao ny fampiasana azy,fa afaka maka tsara ny toetry ny jiolahimboto mihaja. Eny ho’aho e ! Farafaharatsiny mba jiolahimboto mihaja ry iny olona iny a ! Dadan’I Ranto.
Raha iny olona iny aloha no jerena dia "mahavita azy"nohon'ny treikefa ananany sy ny dingana nolalovany eo amin'ny iraisam-pirenena.Tsy manana ny "capacité"ananan'iny olona iny kosa aloha raha ilay boay kely vao misondrotra io eo amin'ny iraisam-pirenena e.Raha iny olona iny mantsy no mahazo toerana eo amin'ny tetezamita dia mora ny mandresy lahatra ny iraisam-pirenena noho izay traikefa izay,angamba tsy azo lavina izay fa eo amin'ny lafiny politika eto antoerana indray dia "tsy mazava loatra"iny olona iny ary marina mintsy ny hoe be loatra ny tsikera mikasika azy sy ny fianakaviany.....Ny tena tsara raha izany dia miara-mitantana ny tetezamita ao iny olona iny sy boay kely.Raha resaka hoe tsikera anie samy voatsikera daholo izay rehetra tonga eo e,tsy hoe iny olona iny sy ny fianakaviany ihany fa na i boay kely sy ny forongony koa be dia be ny tsikera voahangona sy mitambesatra e.Noho izany aleo mba ny tombotsoa ambonin'ny Firenena amin'izay no jerena fa mijaly "izahay vahoaka tsy mandady harona e".
Raha i Raymond Renjeva no tian'ialahy isany ho lazaina ry Basy Vava dia tsy hahita mangirana ialahy isany. Alohan'ny zavatra rehetra aloha dia tokony haseho miharihary fa ny rahalahiny, ingahy Louis Ranjeva dia nagalatra vola be tsy toko tsy forohana tao amin'ny bankin'ny Manakara. Tsy miafina amin'ny rehetra izany, ary ingahy Valomanana sy Marcel Ranjeva no nandravon-dravona ny raharaha, ary nanmpadositra ilay mpilaiso gaigy lahy. Araka ny filazan'ny maro dia ao ambadik'iny affaire mahatsiravina iny koa ity olona lazainareo ity: Raymond Ranjeva.
Marina tokoa izay voalazan'"iny olona iny". Olona mpitsara iraisampirenene ve izy tsy hanana ny maha izy azy. Amin'izay koa ange miakatra fitsrana iraisampirenene avy hatrany ireo tsy tena navanondoza teto é!
Dénise Rabe>>>rehefa orona no resahina dia misafo ny azy ny petaka
Alohany hitsarany ny iraisam-pirenena sy hitsarany ny hafa dia aleo izy aloha hijery tsara ny dahalo mpandroba ao amin'ny fianakaviany.
Efa nampianatra anay tany Ankatso io olona io.
Mendrika hitondra ny tetezamita tsy momba ny atsy na
ny aroa izy. Amin'izay milatsaka i Ra8 sy Rajoelina
sy izay te hilatsaka dia hita eo zay tena lanim-ba
hoaka.ireo miaramila miakatra "CPI" ra mbla miadaladala eo
ilay olona @izy tenany no resahina eto fa tsy ny fianakaviany aleo hazava ny resaka!!!! ny tolo-kevitra naroson'iny olona iny dia tena iombonako hevitra aminy SATRIA ny 1991dia nanenjika an-dry RATSIRAKA no ntaondry ZAFY 1996 nanenjika ny hery velona no natao 2002 ny fanenjehana ny olon'i AMIRALY no nataondR82009izao ihainana izao ny zavamisy ataon'ireo milaza azy ho manampahefana KA NY HIALANA @izany no TANJONA ka dDIOVY NY FAMINDRA RA MALAGASY AJOROY NYTETEZAMITA HITARIKA ANY @FIFAMELANA TANTERAKA KA NY MPITONDRA VAOVAO EO (tsy hoe mila miova repoblika na hihova lalampanorenana akory fa ny eo no hatsaraina MIARAKA)REHEFA VITA NY FIFIDIANANA FILOHA DIA TSY MIJERY IZANY FIFANENJEHANA IZANY INTSONY fa ny tena ny hampandroso an'i Ma/kara no atao KA NY MPANOHITRA MAHANDRY FIFIDIANANA NY VAHOAKA HAHAY HITSARA NY MPITONDRA ary nympitondra mahay MIHAINO SY MAMAKAFAKA
Tsy mainsty jerena ny fianakaviana ry NY Hendry a! Firenen'iza no hanaiky ho entin'olona manana rahalahy fanta-bahoaka hoe Gangster? Efa fantatra ihany ny "népotisme" misy eo amin-dry Njeva, ka mety ho ahodikodin'izy mianakavy eo ny fananam-pirenena. Izahay dia tsy miala amin'i Andry kely, fa iny no matotra sy azo antoka. Efa azy rahateo ny fahefana ka tsy azo omena itsy na iroa intsony.
Fahefana sandoka io an'i Andry kelin'i Denise Rabe io,izany no mampangalatra azy mianakavy ao sy hanararaotany satria vita fifidianana vao misy hoe tompom-pahefana fa tsy amin'ny fomba fangalarana toy ireny no atao.Izany no nahatonga an'iny olona iny milaza hoe"fahefana jiolahimboto".Izany koa no tsy haneken'ny iraisam-pirenena an'i Andry kelin'i Dénise Rabe hatrami'izay ka hatramin'izao.Ka na inona na inona ataon'i Andry kely eo tsy maintsy hirosoana amin'izay ny tetezamita tena izy fa maika hanao Fifidianana isika hialana amin'izao fahoriam-bahoaka izao sy hampandeha tsara ny raharaham-pirenena.
Ka na hanaiky ny iraisam-pirenana na tsy hanaiky, angaha azy i Madagascar? I Andry ny tompon'ny fahefana eto Gasikara ary izahay malagasy maro an'isa dia miaraka aminy. Vondron'olona vitsy sisa no miseho ho avo vava manohitra nefa tsy lasa lavitra intsony e! Jereo ireny tamin'ny 26 juin, olona firy hoy ianao no mba nanohina ny antso tao amin'ny Magro? 76 olona, hany ka tsy navela hiditra tao ny mpanao gazety saika mba haka vaovao tao! Mampahalahelo! Efa resy tokoa ry Ravalo sy ny forongony an!
Ka tsy misy milaza anie hoe an'ny iraisam-pirenena Madagasikara ry Dénise Rabe e!Fa na hihodin-kavia na hihodin-kavanana i Andry sy ny forongony tsy misy raharaha mihodina ao raha tsy misy fifanarahana sy fifanekena iraisam-pirenena.Aiza no hahita famatsiana ara-bola ny fitondrana efab zatra mahazo izany avy any ivelany hihodinan'ny raharaha?Tsotra anie ny zavatra takian'izy ireo e:"mahaiza mifanaraka sy mifampiraharaha ianareo Malagasy"izay fotsiny dia vita kabary.Koa inona no olana raha "MIFANARAKA E"!
Dénise Rabe angamba havan'ireo Rabe rehetra ao@ HAT matoa toa uizany ny fijery ,borné ,tsara kaly matory ambony bois de rose ka manadino ny Malagasy tena maro an'isa mahantra noho ny nataon'izy sy ry fatn'olona isany .Izay olona rehetra tonga milaza ny marina ary manana risimpo hanova hamaha olana dia bokaina sy ahitana lazaina, mba valio aho hoe mba karazan'ola toa inamoa iandry kelynao ? Marina ny voalazan'iny olona iny fitondrana jiolahimboty ary ny jiolahimboto sy ny jiolahim-bavy toa azy ihany no mankasitraka azy , fa raha mbola olombanona koa tsy afaka ny hangina sy hanaiky izany .Raha tena mahatoky fa sitrakin'ny vahoaka marobe tokoa aza taritina intsony io tetezamita angalarana io fa ataovy ny fifidianana fa miandry le "vahoaka " tsy tia jiolahimboto e!
Rehefa mitsara olona iray dia tsy mivoaka ny momba an'iny olona iny,noho izany avelao any ny fianakaviany fa raha iny olona iny manokana kosa aloha dia "modely sy olo-mendrika ary mbola hahanan'ny Malagasy fanantenana be dia be fa hahavita zavatra ho an'ny Firenena".Tsy Rajoelina izay hita fa jiolahimboto mihintsy no afaka hilahatra na hifandahatra fahalalana amin'iny olona iny.Ny toe-javatra lalovan'ny Firenena toy izao no tena ilana olon-kendry ary izay no isaorana manokana an'iny olona iny nandroso vaha-olana ary tsy nisalasala nitsangana naneho hevitra mba hialana amin'izao krizy iainan'ny vahoaka maro an'isa izao.Mety ho be ny mpanatsatso sy mpanenjika fa ny Firenena tsy maintsy avotana fa tsy avela ataon'ny jiolahimboto sy ny forongony tantely afa-drakotra.Maromaroa ny olona hendry tsara sitra-po toa an'iny olona iny hijoro sy handray andraikitra hanavotra ny Malagasy efa nalatsaky ny FATn'olona any amin'ny lavaka mangitsokitsoka.
fa i dénise rabe izany dia tsy tonga amin'ny fomba fitenena vahiny manao hoe "il ne voit pas plus loin que son bout de nez" et "il voit la paille dans l'oeil du voisin mais ne voit pas la poutre devant lui". Faly ny mitsikera kanefa aiza ho aiza izy raha oharina amin'iny olona iny? mahtsiaro marary mihintsy amin'ny hoe fitondrana jiolahim-boto satria izy manokana angamba manao fihetsika jiolahim-boto na jiolahim-bavy ka tsy lasa lavitra ny saina fa mirefarefa amin'ny tany. Ary maninona koa moa tsy jerena ry roland ratsiraka, mpikambana ao amin'ny fat ao, satria zana-drahalahin'i didier ratsiraka, ka tokony ho meloka ihany koa izany ? ireny zanaky ny repoblika voalohany ireny koa ? meloka ihany koa izany ? alefaso lavitra ihany ny saina fa sao kosa ary ianao dia somary fonentana ka lasa mifanakaiky ny saina sy ny fitombenana ?
Ilay Denise Rabe ato amin'ny forum koa toa karazan'irony jiolahim-bavy maneho hevitra,ny resaka atao tsy mifanaraka amin'ny marina sy ny misy fa faly mandoka jiolahim-boto fotsiny.Ié,ataovy ihany sao mba lasa 2ème bureau an'i Andry kely!
Eo amin'ny fitantanana Firenena dia ilaina ny mahay tantara.Ary ny tantarampianakaviana mihitsy hoe avy aiza, taiza, hoaiza. Asa ianareo na manana ny maha izy anareo fa amiko rehefa tsy mety fa mangalatra sy mamono olona dia esorina na isan'andro aza.Raha manana ny maha izy anareo ianareo dia aleo handeha ny zavamisy izao dia milatsaha rehefa tonga ny fotoana ifidianana fa aza variana miady tombotsoa eto.
"mahita" a,iza no miady tombotsoa eto?Fanehoan-kevitra ialàna amin'izao krizy izao no resahana eto fa tsy misy mila izay tombotsoa ankoatra an'izay!Ary tsy misy mila izay filatsahan-ko fidiana any izahay vahoaka madinika na tonga aza ny fifidianana fa rehefa mihinana in-3 isan'andro,mahaloa hofa-trano sy jirama ara-dalana,mianatra ny ankizy,misy ny asa...ampy anay izay fa ento ho anareo any izay tombotsoa resahanao ho an'ny ankohonanao!MAZAVA?
Izahay aty ambanivohitra aty dia tsy maharaka ny politika ao andrenivohitra sy ny manodidina ao fa ny fiainanay aloha dia miha mikorosy hatrany amin'izao fotoana izao satria raha petrole 1000 Ar ny 1/2 litatra tamin'i fitondran'i Ravolomanana,lasa 1900 Ar izany izao,ny siramamy teo aloha 2400 Ar ny kilao izao lasa 4200 Ar,ny menaka mahazo ny 100 Ar teo aloha izao 400 vao mahazo sns....ny fidiram-bola tapaka fa tsy misy mpividy intsony ny varotra ronono mba nivelomanay.Izao ny ronono zaraina amin'ny mpianakavy nefa mbola tsy lany ihany fa dia verivery fotsiny,ny tena tsy afaka itondra ilay ronono any andrenivohitra amidy fa lafo ny saran-dalana.Koa asa re izay mba fahitan'ny fitondrana tetezamita izany fa tena sahirana sy mahantra tanteraka izahay amin'izao.Ny hala botry saika isan'andro vaky,ny halatr'omby sy kisoa be dia be.Tsy milamina mihintsy izahay fa mitaintaindava izao e.Tsy misy fahandriam-pahalemana.Raha midina aty anefa ianareo dia miomana fa LEO anareo mpitondra tetezamita ny olona aty ary tsy matahotra ny hitora-bato satria ianareo ihany no tena fototr'izao fahantrana lalina mianjady aminay izao.Nataonareo toy ny tany tsy misy Fanjakana i Madagasikara ka manararaotra daholo izay manana fahefana hany ka kapain'izy ireo ny kininina fanananay fokonolona rehefa nahazo alalana avy aminareo ny maire amin'ny faritra misy anay.Rehefa izahay vahoaka ambanivolo anie no mikomy ka ahita raharaha ianareo tetezamita ireo e,tsy Antananarivo sy ny manodidina ihany no Madagasikara sy vahoaka Malagasy fa aza mody hadino ny fisianay TANTSAHA maro an'isa eto amin'ny Firenena(80 isan-jaton'ny mponina eto Madagasikara).Atsipy ny tady ho eny antandoky ny omby,atsipy ny teny am-pon'ny mahalala.
Ny olona voalohany ho resahana dia manana hotel ngezabe eto Antananarivo(Radamahotel).Avy aiza hoy ianareo no nahatafatsanganana io?Tamin'ny fotoan'androny(Fitondran-dRadidy) dia mpiasam-panjakana nitantana société d'etat atao hoe Agrochimad ilay tompony.Ireny fanampiana avy any ivelany(zezika,fanafodim-biby...)no miditra ao amin'ny Agrochimad ary asaina hamidy dia ny vola vidiny avy eo tokony ampidirina banky dia entina hanaovana foto-drafitr'asa ho an'ny vahoaka.Inona hoy ianao no nataon'ilay tompon'andraikitra mpitantana tao?Nalefany any amin'ny compte personnel ny volam-panjakana hakany ny zana-bola(mety hatramin'ny reni-vola aza)dia izay no nahavitany io hotel goavana be io.Ny olona faharoa ho resahana dia ilay nampiasa hoe"tsy lahatra akory ny fahantrana".Ny azy indray dia ny "policlinique"etsy Ilafy no nangalariny.Ahoana hoy ianao ny fomba nanaovany azy?Nanao fangatahana tamin'ny alalan'ny antoko GRADILOAFO tany ivelany ny lohandohan'ny mpisorona tao amin'ny antoko,nohon'ny nivaly ny fangatahana dia nahodin'ingahy tsy lahatra akory ny fahantrana tamin'ny anarany manokana ny fananan'ny antoko dia io lasany io.Ny olona fahatelo resahana eto dia mpitantana ny SOMAPALM tany Toamasina.Inona hoy ianao no nataony?Mamoaka menaka sokosoko amin'ny camions efa ho isan-kerinandro amidy ary tsy hita ny vidiny fa dia any amin'ny compte personnel ny any.Tato aoriana hamidy ary ity societé d'etat ity fa hoe tsy mandeha.Inona no nitranga,ingahy mpitantana ihany no nisora-tena voalohany fa hividy ny société raha hamidin'ny Fanjakana.Izany rehetra izany dia taratry ny fambotriana Firenena ary fanodinkodinana fananam-bahoaka,koa aoka samy hitandrina fa maro olona toy izany eto amin'ity Firenena ity fa tsy ny mpanao politika ihany akory no mambotry Firenena fa ny olon-tsotra mitantana ihany koa.
Io tsy fijerena lavitra io no olana,tsy ny fihinanana intelo isan'andro no inona fa hoe ahoana ny hoavin'ny taranako,raha izay no jerena dia aleo alamina ity firenena ity ka manomboka amin'ny fifidianana izany fa tsy vitan'ny fihetsehampo fotsiny, ary aza misandoka hoe tantsaha fa aiza no hisy tantsaha hanana internet ary hampiasa izany amin'ny sivy ora alina, sa godron ny tanimbolinareo raha izany dia tena tantsaha mandroso tokoa satria manana teknolojia avo lenta.
Aza manao tsinontsinons ny tantsaha ry mahita a,mety mba any amin'ny havany any amin'ny misy internt izy io manoratra io fa taiza koa no nisy tanimboly goudron zany e?
tsy manao tsinotsinona tantsaha fa io tsy sahy maneho ny mahaizy ny tena io no itenenako izany.Aza miafina amin'izany hoe tantsaha eh, vahoaka eh...fa tena teneno hoe araka ny hevitro fotsiny dia ampy.
Dénise Rabe
Itony ilay karazana antsoina hoe vorombe sima, hikapakapany daholo na Babay na Lohavohitra.
Moa va tsy Angely, tsara hatao filohampi..ena fa tena mahomby amin'ny fangetoram-bava.
