ven.

16

juil.

2010

Fiarahan’ny mpivady: Manafosafo koa ny volo

Fahafinaretana faratampony no karohin’ny mpivady rehefa manao firaisana ara-nofo. Raha misy ny karazana fihetsika mitondra ho amin’izany, dia ilay antsoina hoe “déesse aux cheveux longs” no voalaza ho anisan’ny mitana ny laharana voalohany. Inona indray izany ? Mitsotra mandry amin’ny lamosina tsara rangahy. Somary voasafosafon’ny volon’ny vadiny ny tarehiny, satria mandry eo amboniny, manaraka tsara ny firafitry ny vatan’ny lahy ihany koa ramatoa. Ny lamosina no atehika amin’ny kibon-drangahy. Somary atehika kely amin’ny fandriana ny kihon-dramatoa, mifanandrify amin’ny soroky rangahy.....

Miforitra mifanindrana amin’ny tongotry ny avy eo ambany ny an’ny eo ambony. Atao mifanentana miaraka amin’ireo ihany koa ny fihetsehana rehetra ifampizarana. Azo antoka zato isan-jato ny fankafizana ny fahafinaretana faratampony, raha ireo no to. Zava-dehibe ao anatin’io fihetsika io ny fisavoritahan’ny volon-dramatoa hanarona ny tarehin’ny vadiny. Mety ho fitaovana hanaitra ny retsimpanentana hafa ao anatin’ilay lehilahy izany, ka hiakarany bebe kokoa ho amin’ny fiarahana matotra. Anjaran’izy mivady ny misafidy izay hitondra ny raharaha, na ny lehilahy avy eo ambany, na ilay vehivavy eo ambony. Mila fitandremana kely kosa ihany anefa ity fihetsika ity. Tsy dia natao ho an’ny vehivavy marary lamosina izy ary tokony ho jerena ihany koa ny haben’ny lehilahy sy ilay vehivavy. Ndrao diso goavana sy be lanja loatra ilay vehivavy ka mety ho fahasemporana indray no ho tsapa, mialoha ny fahafinaretana. Lanjalanjaina tsara koa ny fihetsika, tsy ho diso mirotoroto, na ho diso miadana. Tsy misy manakana ny hivadihana mihitsy raha toa ka tsy tanty ny “déesse aux cheveux longs”. Izay ilay hoe safidin’ny mpivady. Ny hanomezana torohevitra toa izao dia averina ihany fa ho fanampiana ireo mpivady, na ireo olon-droa hanorintokantrano, ho famelombelomana ny fifankatiavan’izy ireo, hiovaovana amin’ny lafiny ara-pananahana.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra