ven.

16

juil.

2010

Fanoherana ny FAT: Taitra ny avara-pianarana, hihetsika ny HMF

Fitondrana Jiolahimboto no nikilasian’ny Profesora Raymond Ranjeva izao tetezamita izao. Notsikafoniny avokoa ny tsy fahombiazana rehetra, ary ahiany ny ho avin’ity firenena ity. Taitra ny mpanohana izao fitondrana izao, indrindra raha nandre ny teniny fa vonona hitondra izao tetezamita izao. Mbola fantsy mavesatra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny FAT iny, dia efa nipoitra indray ny hetsiky ny mpitondra fivavahana. Vonona hanao sorona ny ainy izy ireo, ary tsy avela hangina amin’ny tsy rariny ny fahamarinana. Hisy ny hetsika hataon’izy ireo, satria tsy avela hanjaka eto ny jadona sy ny ramatahora. Dia mitovy avokoa ny fomba fahitan’ny hery samihafa ny fomba fiasan’izao fitondrana izao, satria na ireo mpiray donak’afo tamin’ny FAT teo aloha toy ny MONIMA aza, dia namelively mafy ity fitondrana notohanany tany aloha ity. Tsapa izao, fa mitombo andro aman’alina ny mpanohitra ity fitondrana ity. Mety ho vitsy ny olona manoina ny antso eny amin’ny Magro, fa ny fahoriana mitambesatra kosa maro. Miditra an-tsehatra izao ny avara-pianarana, toa an-dry Raymond Ranjeva, ary tsy diso anjara amin’izany ireo voahosotr’Andriamanitra hitondra ny feony. Porofo izany, fa tsy lefin’ny fanagadràna sy ramatahora ny fanoherana eto. Sa rehefa ambara fa manafina bois de rose ao amin’ny orinasany ny filoha teo aloha, dia ho lefy avokoa ny fanoherana ny tsy rariny eto amin’izao tetezamita izao ? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    rajery (jeudi, 15 juillet 2010 21:59)

    Afaka miditra antsehatra daholo na avara-pianarana na mpanao politika na fikambanana na tafika na tangala mena na vahoaka tsotra fa izao fotsiny no hafatra : "aoka mba ampamendrehana,ampihavanana ary ampitiavana no hifampitondrana ary aza adino ny tombotsoa ambonin'ny Firenena fa izany no tena imasoana ao."

  • #2

    jebedo (vendredi, 16 juillet 2010 09:33)

    ny vaha olana tsara sy mety dia aoka horaisin'ny olona manana fahalalan sy fahaizana ity fitantana ny tetezamita ity fa efa sorena sy sempotra ny vahoaka hivoahana aminy krizy lava toy izao

  • #3

    Dénise Rabe (vendredi, 16 juillet 2010 09:49)

    Fa mba iza hono ireto hoe miha mitombo ny mpanohitra ity fitondrana ity? Mba mampihomehy ka! Ny olona efa nanohitra teo ihany no mihodinkodina eo! Mody miova anarana! Efa tsy mahazo olona intsony e! I Raymond Ranjeva ve? Aoka aloha hitolo-batana eny amin'ny fitsrana ilay rahalahiny nangalatra vola be tsy toko tsy forohana tany Manakara!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra