ven.
16
juil.
2010
Ny alarobia faha-02 jona lasa teo no notafihana andian-jiolahy ny mpiasan’ny SIPEM Antanimena, saika hanatitra vola Ar 60 tapitrisa any amin’ny banky. Voaroban’ireto jiolahy mirongo fiadiana ireto avokoa io volabe io. Nitaingina moto ireto jiolahy tamin’io andro nanafihany io, ka rehefa lasany ny vola dia niriotra nandositra izy ireo. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana dia mpamily tao amin’ny orinasa SIPEM ihany no ati-doha nikotrika ny raharaha. Tsy vitany samirery anefa fa nila hevitra tamin’ny zaodahiny izy ary dia niaraka nikaroka olona hanatontosa ny “mission” izy mihaotra. Rehefa natao ny fikarohana olona dia niafara teny Ambohibary Antanimena ny dia. Izany Ra-Guy izany no nosafidiana hanao ny fanafihana, miaraka amin’ireo bandy namany. Iray volana taty aorian’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana anefa, rehefa natao ny fitsongoana dia azy ireo dia sarona ihany ny jiolahy. Tratra ny herinandro fiandohan’ny volana jolay teo avokoa ny ankamaroany tamin’ireo jiolahy. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha ary efa voatazona any am-ponja ny efatra, anisan’ireo tena ati-doha nikotrika. Raha ny filazan’ireto jiolahy ireto dia lelavola Ar dimy hetsy avy isan-dahy no nozaraina. Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary tsy mamela izay azony ny jiolahy. Koa ny aza voany ihany no tena fanefitra.
Tsy ampahafirin'ilay halatra tao amin'ny "Imprimerie Nationale"fehizay ireny e!Vola be Ar 7 ooo ooo ooo no very ary fantatra ny nanao azy nefa rehefa nikatra fitsarana dia zara raha nandoa onitra Ar 1 ooo ooo ny voam-panga tsirairay tamin'izany...Hifampizaran'ny mpangalatra sy ny mpitsara ny vola dia maivana dia maivana ny sazy e...mba ianaro ny toy ireny ry zalahy vao mangalatra a!Koa ny aza voany ihany no tena fanefitra e.
