jeu.
15
juil.
2010
Ny mpiasam-panjakana miara- dia amin’ny Vondron’ny mpiasam- panjakana sy tsy miankina ary afa-kaba dia nifamotoana tetsy Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Mitaky mari-karama tokana ary manohana ny soso-kevitra izay natolotry ny CSFOP na filan-kevitra ambony ny mpiasam- panjakana, ny hahazoan’ny mpiasam-panjakana manohy ny asany hatrany amin’ny65 taona raha mazoto sy salama, ny fampiakarana ny volan-jaza Ar 10 000, ny tambin’ny hofantrano ho Ar 100 000, ny lalàna velona mamaritra ny karama farany ambany, ny vonjy rano vaky tahaka ny PPN, fanafody, vary. Miangavy ny FAT izy ireo amin’izany. Tao koa moa no nahafantarana fa mahatratra any amin’ny 50 000 any ho any ny mpiasa afaka haba very asa tamin’ity krizy ity eran’i Madagasikara ity.
Eisy!Tsy misy dikany amin'i Boay kely ny mamaha an'izany e,ny solika aza iray minitra dia nivaha ny olana.Ampio ihany ry mpiasam-panjakana ny hetahetanareo fa mbola maivana ireo a!Izaho aza ato amin'ny FAT mandray 2500 Euros isam-bolana manana mpiasa antrano 2 saofera 2 ticket d'essence 5 millions fmg isam-bolana..sns... koa inona koa no olana amin'izay volan-jaza Ar 10000 sy tambin'ny hofatrano Ar 100000...
Ianareo mpiasam-panjaka reo ve nefa mahatsapa tena daholo fa manome fahafaham-po zato isan-jatonay vahoaka mandoa ny KARAMANAREO; Sa ilaozan'ny sasany mamaky gazety na mifoka sigara fotsiny ao amin'ny birao. Dia mahafinarita azy ery ny mamerimberina lay olona mpandoa karama, fa hoe tsy mbola ao ny mpanao sonia. na mbola lasa ary sy eroa ny boky. Mba henjehan'ny eritreritro ihany za raha eo amin'ny toeranareo. Dia mifandimbindimby eo ny fidirana maraina fa mangatsika ny andro eny fa na mafana ary moa. Sarotsaronan'ny olona iray ny iray birao , mbola lasa nivoaka kely any na nampanantsoin'ny sefo teo fa andraso na miverena rehefa kelikely. Kay moa mbola tsy niditra birao akory. Ny hetra aty aminay anefa takiana sady rahonana ihany raha tsy mandoa Hita mihitsy fa tany tsisy fanjakana e. Ho avy tsy ho ela i dada hamerina indray ny lalàna voahitsakitsaka.Dia hamboary dieny izao ny toe-tsaina fa mahamenatra.
Mba ataovy hita mivaingana mahasoa ny vahoaka aloha ny asanareo dia dinihina ny hampiakarana ny karama!Ianareo mpiasam-panjakana mantsy tsy manaja vahoaka,be kolikoly,kamo be tenda,miavonavona,sns...nefa mitady karama fisondrotan-karama lava izao.
