jeu.

15

juil.

2010

Vakiana fotsiny

Tratry ny don-tandroky ny vondron’ny parlemantera maromaro avy any ampitan-dranomasina any ny mpitarika ny fahefana ankehitriny dia mifarimbona manao adim-borontsiloza. Ao ny manadio tena, ao ny manilika andraikitra, ao ny miala ilany sy mody fanina fotsiny, ao koa ireo mampiasa voambolana sy karazana didy aman-dalàna isan-karazany. Fihetsika tsy ahitana ny tena vaha-olana no atao fa fanodinkodinan-dresaka. Ny mahagaga ihany koa dia mihambo tsy tia vary mohaka ny mpitondra, kanefa dia mahalany sosoa be rano efa masiso herinandro. Natao litania ny filazana fa tsy misy ilàna ny sehatra iraisam-pirenena ny raharaha politika eto, kanefa dia io hita miharihary io fa tsy afaka misaraka amin’izao tontolo izao isika. Raha ny teratany malagasy no mba mihiakiaka ny tsy fisian’ny fahalalahana sy ny fanagadrana tsy hita fototra, dia natao ho toy ny rano natondraka teo amin’ny lamosin-gana fotsiny ireny. Ny gadra politika dia izay rehetra nofonjaina noho ny fihetsika, na noho teny navoakany ka manohintohina ny fahefana mijoro. Raha misy ny migadra noho izany dia ireny no takian’ireto parlemanteran’ny ACP ireto mba havoaka tsy misy fepetra, mba ahafahana manohy am-pilaminana ny dinika hikarohana ny tena vaha-olana. Fa na mpanao gazety io, na mpandraharaha, na mpiasa tena, na mpivarotra, na mpanao politika, na mpiasam-panjakana , na miaramila, na mpianatra, na mpitondra fivavahana, na iza na iza… rehefa nanao ny mifanohitra amin’ny lalàna dia tokony hizaka ny vokatry ny nataony, ary noho izany tokoa no nisian’ny fonja mba hanitsiana ny diany eo amin’ny mpiara-belona......

Tsy izany kosa anefa ny antony nisamborana olona sy nanagadrana azy ireo nandritra izao fitondrana izao : Famoriambahoaka e ! fanonganam-panjakana e ! fidinana an-dalambe e ! fanentanana ny olona hikomy e ! fanelezana vaovao tsy marina e !...Ireny rehetra ireny dia hevitra politika ary politika tena mazava. Izany geja politika izany dia mila vaha-olana politika. Tsy misy hidiran’ny hoe : fisarahan’ny fahefam-panjakana sy fahefam-pitsarana. Finiavana politika dia vita ny resaka. Tsy mila fitsarana hiakarana sy hidinana eny Anosy eny. Kabary indray mihelatra fotsiny anie, teo Mahamasina tamin’ny 21 Martsa 2009, dia nivoaka avy eny Tsiafahy ireo nolazaina fa gadra politika tamin’izany e !. Tsy nilàna parlemantera malagasy, na koa parlemantera vahiny. Ny fahefana mitondra an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao dia naorina teo ambonin’ny didy hitsivolana noraisina ankahamehana fotsiny ihany, kanefa dia mahavita manao fahagagana isan-karazany, koa nahoana moa no tsy ho afaka hanonofy fahafahana ireo rehetra nogadraina noho ny hevitra tsy mitovy? Sady lany andro isika, no lany fotoana. Hitanareo amin’izao fa vakiana fotsiny! Dia sanatria hanontaniana ny ankizy, fa tsy mivaha ny prizy? Mampalahelo fa na hitsangana daholo ary izao olompirenena rehetra izao dia ilaina ny fandraisana ny andraikitry ny mitonona ho mpitondra fa tsy hibodo toerana sy hanampatra fahefana mitanila. Very tetika fotsiny mamoritra ny mpiray tanindrazana. Mila manova style. Sa dia mbola tokony hampitomboina hatrany ny fahavoazana manjo ny mpiara-belona? Oay ‘reto isika fa mifanenjika sy mifamono ohatra ny.alika. Dia fohazina hifoha ireo rehetra nankandoa. Dia milamila vaniny, dia faly ny hanakiana, mila kisa amin’ny tsy rariny. Samy leo, samy sorena. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 13

  • #1

    Dénise Rabe (mercredi, 14 juillet 2010 22:17)

    Inona moa no hatahorana izay don-tandroky ny parlemanta Eropeana, izay valala tsy mahatapak'ahitra akory. Ingahy Louis Michel aza tsy sahy nandingana intsony an'i Gasikara noho ny tahotra an'i Andry Rajoelina, satria maro no lainga nafafin'ity lehiben'ny Commission Eropeana ity. Ireto mba tonga indray dia olona tsy dia manana ny maha izy azy akory eo amin'ny sehatra Eropeana, ka tsy dia misy hivakiana loha akory izay fandalovany. Ny firenena efa mandeha araka ny tokony ho izy satria mihodina ny raharaham-pirenena. Ny kitapom-bolam-panjakana, tsy misy atahorana ny momba azy. Ianareo Basy Vava bo harary fo amin'izany eo!

  • #2

    RABZ (jeudi, 15 juillet 2010 08:32)

    Hafatra ho an'i "Denise RABE".
    Ny tody mbola ho ela ve ny tsy hanaovanareo ratsy.
    Ampahorio ny vahoaka malagasy tsy manatsiny. Andriamanitra tsy andrinareo andrinay vahoaka mavomavo eto ihany. Avelao ny Gazety basyvava hilaza ny marina fa sao tadiavina hakatona indray!

  • #3

    Dénise Rabe (jeudi, 15 juillet 2010 09:02)

    Izahay indray tompoko dia olona mino sy manaraka ny hafatr'Andriamanitra ao amin'ny Filazan-tsarany. Tsy mihambo ho masina noho ny hafa izahay, ary anisan'ny vahoaka tsotra. Kanefa kosa afaka milaza fa lainga sy habobo no tena afafin'ny gazety mpomba an'i Valomanana. Firifiry moa ny sites pro Ravalo ato amin'i Internet? Ompa, teny ratsy, famingavingana, lainga, fitaka, no mameno ireny, ary ny pro Valomanana no manoratra izany. I Dénise Rabe indray dia tsy maintsy mamamly sy milaza ny marina eto!

  • #4

    rabz (jeudi, 15 juillet 2010 10:37)

    Raha tia milaza ny marina ianao maninona no tsy ambara ny fahorin'ny olona rehetra mahita faisana @izao krizy izao nefa tsy momba ny atsy na ny aroa akory @ resaka politika.Mahafaly anao ve ny fahorina sy ny ranomaso'ny mpiarabelona aminao izay tsy nanohana ny FAT akory na nanohana an-dRa8.
    Mba mieritreta ihany fa mivadibadika ihany anie ny fiainana eto antany é! Tsy hainao velively izay havaokan'ny ampitso.

  • #5

    Antso an-tany efitra (jeudi, 15 juillet 2010 10:50)

    Marina ny an-dRabe Dénise, Be loatra ny ompa sy zava-tsy maontina amin'ireny site web ireny. Mihoatrin'izay any am-po sy an-tsainay mbola misafidy an'i SEM M. R. (baraingo mipetraka)
    Ary raha tenenina hoe manao am-po izahay vao mainka koa marina ny an-dRabe!

  • #6

    Mankasitraka ny G. Basyvava (jeudi, 15 juillet 2010 11:03)

    Tena milaza ny zv misy marina inareo. Manomboka "lancé" indray izao ny G. basyvava no ho "professionnalisme" tsara dia tsara anananareo manomboka lasanareo indray izao ny "KIL" eto @ ville. BRAVO !!

  • #7

    Dénise Rabe (jeudi, 15 juillet 2010 11:45)

    Ny vokatry ny ranomasonay nandritra ny 7 taona nanjakan'i Valomanana izao manody anareo zao ry Rabz a! Tsy niantso tody izahay tamin'ireny, fa ny nataonareo no miverina aminareo ankehitriny! Mbola vao 18 volana izay no lasa!

  • #8

    RABZ (jeudi, 15 juillet 2010 12:09)

    Izaho anie tsy pro Ra8 ry Denise Rabe é! Sao diso hevitra. izay ifanarahanareo mpanao politika any.
    Ny mampalahelo ny olon salama saina rehetra dia ny mahita ny vahoaka tsy manatsiny mijaly noho ny adilahy politika anreo. Sady mankaleo anay "neutre" ny mihaino ny haino amanjery tsy manana fomba fijery mahitsy intsony fa miandany anjambany @ ankolafy iray. Sao koa heverinao fa miandany amin-dRa8 koa ny Basyvava raha mitatitra ny tena zv misy

  • #9

    rajery (jeudi, 15 juillet 2010 15:13)

    Marina ny anao RABZ ny tena mahagaga amin'ny mpomba izao FAT izao raha vao tsy mitovy fijery aminy dia Ra8 zay...diso jery ry zareo,tsy misy irarahianay zay Ratsiraka na Zafy na Ra8 na Andry TGV any fa ."ny vahoaka mijaly ianjadian'ny tsy filaminana politika no mampalahelo"izahay tsy mahita haninkohanina anio no olana,izahay tsy maintsy mandoha hofa-trano,jiro rano sns...no olana nefa vary asa ny solony tsy misy....mazava am Dénise Rabe ngamba zay,sa faly Dénise Rabe fa mijaly toy izany ny 80% vahoaka amin'izao...mba misaina fa tsy Ra8 sy TGV akory ny Malagasy.

  • #10

    NY HENDRY (jeudi, 15 juillet 2010 16:19)

    milaza ny sasany fa masina nefa tsy mahay mifamela sy tena be valifaty nefa anie maka tsy mihera ny fananan'ny sasany e!!!!(ohatra fotiny ny vary , ny fiara ny olona teo aloha izao indray ny bois de rose efa mipirina tsara........)

  • #11

    Dénise Rabe (jeudi, 15 juillet 2010 19:25)

    Izaho indray aloha dia tsy afeniko fa manohana an'i Andry aho e! Asakasakareo izay efa hita miharihary fa maka an'itsy nefa kanosa tsy sahy milaza.

  • #12

    NY HENDRY (jeudi, 15 juillet 2010 19:51)

    eo indrindra isika izao!!!!! izaho manokana aloha dia tena faly aho satria mitsotra fa manohana an'izaroa ny tsirairay e! kanefa hoy aho hoe rehefa manohana olona iray ianao dia avelao kosa halalaka ny fanohanan'ny sasany olon-kafa ary tadidio fa IZANY NO NITOLOMANA HATRIZAY1991;2002;2010 KA HATR@IZAO FOTOANA HANORATAKO IZAO :avelao halalaka ny fitenenana fa tsy izay isaky ny miteny dia lazaina fa namorona BOMBA ;Ary aza matahotra olona fa A/tra antampon'ny loha ihany no atahory DIKANY aza mamorona fikafika tsy ahafahan'ny sasany miteny na milatsaka ho fidiana fa mijereva fitaratra dia inona ny ratsy vitan'ny ankehitrio sy ny teo aloha dia ATAOVY NY FIFIDIANANA MALALAKA(tsy misy fis+ hiarahamanantanteraka ny fanomanana rehetra )SY MADIO HIFANATREHAN'NY REHETRA

  • #13

    Dénise Rabe (jeudi, 15 juillet 2010 20:20)

    Ka tsy efa malaka miteny izay tiany ho tenenina ve izao ilay miseho hoe Ny Hendry io e!
    Ny tsara hazava kosa dia ny hoe:
    1. Ireo tratra fa nanamboatra baomba, ary tena nisy izany dia tsy maintsy samborina satria mpanakorontana izany.
    2. Ny olona nahavita heloka be vava teto amin'ny firenena, toa an'i Valomanana ohatra, dia tsy tokony ho ny filatsahana ho fidina no hiverenany aty Gasikara fa ny fidirany eny Tsiafahy, tsy mis hatak'andro!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra