jeu.

15

juil.

2010

FAT: Nihaino ny famelabelaran’ny CENI

Ar 148 000 000 ny ambim-bola navelan’ny Filan-kevi-pirenena ho an’ny fifidianana ho an’ny CENI na « Commission électorale nationale indépendante ». Nentina nampihodinandraharaha izany. Nanome vola Ar 7 400 000 000 azy ny fanjakana. Fifidianana i ray ihany anefa no ho vitan’izay vola izay, kanefa mbola mila vola ihany koa ny fampandehanan-draharaha. Isan’ireo tatitra nataon’ny CENI tamin’ny mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ireo, omaly, tetsy Anosikely. Nilaza koa ny CENI fa efa mametraka ny solontenany eny anivon’ny faritra izy ireo, izay miisa 10, ahitana ny fiaraha-monimpirenena sy laika. Ny eny anivon’ny ditrika dia miisa 7 ka misy avy ao amin’ny fiaraha- monim-pirenena, mpiasam- panjakana, mpitsara, avy amin’ny antoko mpanohitra sy ny eo amin’ny fitondrana, 5 kosa ny eny anivon’ny kaominina. Nambaran’ny CENI koa fa mijery akaiky azy ireo ny OIF na « Organisation Internationale de la Francophonie ». Nasian’izy ireo tsindrim-peo koa anefa ny fijerena ifotony ny lisi-pifidianana. Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    rajery (jeudi, 15 juillet 2010 19:15)

    Be dia be anie izany vola zarazaraina etsy sy eroa izany nefa tsy misy zava-bita mivaingana akory e.Ny tena mahagaga dia be ny vola mivoaka fa kely sy tsy mankaiza ny vokatra.Tsy aleo ve ilay vola tonga dia avadika PPN(vary,menaka siramamy...)hahasoa mivantana ny vahoaka toy izay izay fifidianana tsy eken'ny ankamaroan'ny Malagasy akory...sa afera be otran'ny kassav ndray io?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra