jeu.
15
juil.
2010
Efa ho folo taona izao no miambina ny fasan’ny karana etsy Anosizato Atsinanana sy mandoro ireo faty tonga ao i Andrianirina Bonaventure. Raha somary natahotra izy taloha, nanao io asa io, dia efa zatra kosa izy ankehitriny ka tsy mila ody risika toy ny fahiny intsony, rehefa handoro razana. Toy izao ny fanadihadiana nataon’ny gazety Basy Vava tany an-toerana.
Fomba
Efa talohan’ny taona 1960 tany no niorina ny fasan’ny karana, toerana tokana fandorana faty eto Antananarivo, araka ny fomban-tanin-dry zareo. Izany Mithalal Mourdjee (1906-1994) izany no nanangana azy tamin’izany. Raha ny fitantaran’ i Bonaventure dia tsy fomban’ny karana ny miandry faty. Raha vao misy olona mody mandry dia entina avy hatrany dorana eny amin’ny fasan’ny karana, rehefa avy nifamotoana nifampilaza ny fianakaviana miampy ny tapaka sy namana. Ny lehilahy ihany no tonga mandoro ny razana eny. Tsy ny karana ihany anefa no mandoro faty ao amin’ny fasan’ny karana, fa manao izany ihany koa ny teratany Frantsay, ny Malagasy manambola ary ny Sinoa. Malagasy telo, ohatra no nodorana tao nandritra ny volana jona lasa teo.......
Mandany adiny roa Apetraka eo ambony kitay ny razana rehefa hodorana. Ao ny fonosina, ao ny miakanjo tsotra fotsiny, araka ny itiavan’ny fianakaviana azy. Totofana kitay tanteraka, tsy misy avela hipoitra ny faty hodorana. Raha ny filazan’i Bonaventure dia ampifandisoana tsikelikely avy any ambany ka hatrany ambony, mahavita manarona ilay faty ny vatan-kazo. Ny iray metatra no arafitra amin’ny sakany ary ny roa metatra no atao amin’ny andavany. Hosorana menaka “ghee” ny ki tay handorana ny faty, laroina irony “sesame” fanaingoana mofomamy irony ihany koa. Mahalany vatan-kazo 80 isa eo ho eo ny faty iray dorana. Adiny roa ka hatramin’ny adiny roa sy sasany kosa no mahalevona ny faty iray, arakaraka ny halehiben’ilay olona maty. Vetivety ny olona mahiahia. Raha ny fanazavan’i Bonaventure ihany dia ny tongotra sy ny tanana no may aloha indrindra, rehefa dorana ny faty. Manaraka avy eo ny loha ary ny vatana be no may farany. Mila manampy kitay indraindray mandritra ny fandorana ny vata-be. Ny taolana sisa no tavela rehefa tena may tanteraka ilay razana. Iny taona iny indray no kosehina amin’ny tavoahangy ary omena ny fianakaviana ny vovony hotahirizina. Mikasika ny fofom-paty indray dia nilaza i Bonaventure fa mamono ny fofona ny afo. Raha vantany vao mirehitra ny afo dia tsy misy fofona re intsony, fa ny feon’ny afo mitsetsatsetsa sisa no heno, rehefa tena mirehitra tsara ny afo. Raha somary midonaka tsy mahazo rehitra kosa anefa ny afo dia toy ireny fofon-kitoza atono irony ny fofona mivoaka re. Harimbola M.