jeu.

15

juil.

2010

Fakan-tsary vetaveta: Fialambolin’ny mpivady

Tsy voatery ho firaisana ara-nofo araka izay anarany izay ihany no azon’ny mpivady atao. Azony trandrahana tsara ihany koa ny misarisary milalao anaty horonan-tsary mamoafady, saingy izy roa ihany no mifampaka sary araka izay itiavany azy eo. Sady manaitaitra ny filana ity fiarahana maka sary ity no azo avadika ho fialamboly mitondra fahafinaretana iarahan’ny mpivady ihany koa. Ireto misy pitsopitsony manome endrika hafa ny fiarahana. Azo atao tsara ohatra ny milalao ny loko mainty sy fotsy ao anatin’ny sary. Sady manafina ny tavy ireo no manaitaitra ny fijerin’ny maso ihany koa. Azo arafitra hanaraka lohahevitra iray ihany koa ny fihetsika rehetra atao......

Mety ho arahana fanamian’ny mpitsabo mpanampy izany, mety ho ny an’ny “hôtesse” sy ireo rehetra manaitaitra. Tandremo kosa anefa tsy hampifangaro ireo sary nalainareo mivady mitokana ireo amin’ny sarimpianakaviana. Misy mihitsy aza moa ireo manao sary antsehatra manao fomban’ny mpivaro-tena. (Tsy hoe fanaratsiana mpivaro-tena). Izany hoe ireo karazana fihetsika voafehin’ny matihanina amin’ny resaka fanaitairana ara-pananahana. Ny lehilahy no mirotsaka ho mpaka sary eto ary misarisary vehivavy ampy traikefa amin’ny resaka fananahana kosa ny vady alaina sary. Ny zava-dehibe ato anatin’ity fakan-tsary hafa kely ity dia ny tokony hanasongadinana hatrany ireo faritra rehetra mivoitra ao amin’ny vatana. Izay no maha-fakan-tsary vetaveta azy. Ary dia tsy maintsy hiafara amin’ny fiarahana ihany ny fakana sary rehefa avy eo. Miala amin’ny mahazatra e.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra