jeu.

15

juil.

2010

Fahapotehan’ny firenena: Tahotra an-dRavalo no anton’io

Efa ela no nisy ny marimaritra iraisana raha tsy teto antany intsony Ravalomanana. Ny tahotra ny hiverenany eo amin’ny fitondrana no hikirizan’ny hafa hanao ny tsy fanao eto, ka na ny sonia nataony aza nolaviny. Azo atao tsara ny miaramiasa amin’ireo ankolafy Ravalomanana, saingy manelingelina ny saina ny mbola any ho any an’ilay filoha nitsoa-ponenana teo aloha. Noesoina ho tsy mahay politika izy, nefa miaiky azy izao fitondrana izao fa tena talentany io sehatra iray io. Herintaona sy tapany, tsy hita izay afitsok’ity fitondrana ity, satria voalaza fa voavidindRavalo vola daholo izao tontolo izao, ka tsy misy mankato ny tetezamita. Raha sanatria ka tafaverina amin’ny mahafiloha azy indray ity Ravalo ity, dia mety hanao valifaty, ka be no hitsoa-ponenana sy higadra. Ireo tahotra rehetra ireo no zary lasa sorona ho an’ny vahoaka sy ny firenena iray manontolo, ka mahatonga izao krizy lalina izao. Azo antoka kosa anefa, fa raha hilaza ingahy Ravalomanana, fa tsy hilatsaka ho filoha sy tsy hanao politika intsony, dia hilefitra amin’ny tetezamita hiarahamitondra ity FAT ity. Ho vita haingana angamba ny fampihavanam- pirenena sy ny fifidianana isan-karazany, satria efa tsy ho isan’ny mpifaninana atahorana intsony ny filoha Ravalomanana. Olom-pirenena manan-jo hilatsaka ho fidiana anefa izy, ka tsy misy mahasakana azy tsy handray anjara amin’ny sedra eo anatrehan’ny latsa-bato. Sa ireo milaza ho mamim-bahoaka no matahotra izany? Ramarikivy

écrire commentaire

Commentaires: 13

  • #1

    Dénise Rabe (mercredi, 14 juillet 2010 22:22)

    I Ravalo indray aloha na handeha mbanin'ny lohany aza dia tsy ho tafaverina eto gasikara intsony e! Ny possibilité azo homena azy angaha, raha tena mba te hiverina mafy izy, ary raha maniry mafy ny hahita azy ny zana'i dada dia ny fidirana any Tsiafahy!

  • #2

    rakoto (jeudi, 15 juillet 2010 06:57)

    enao Dénis Rabe anga no hiditra any tsiafahy miaraka @ DJ Andry Rajoelina.olona jilahimboto ve no mitondra eto de hisy ra manjary.sinema daholo ireny tany manjakandriana ireny.

  • #3

    Tsiafahy (jeudi, 15 juillet 2010 09:02)

    Tsy haiko alou hoe iza sy iza no ho any Tsiafahy fa ny fantatro dia REHEFA tapitra ny anjaran-drzalah midongy toerana ts azy ireo dia tena mila fanitarana Tsiafahy (8 fois).
    "Minoa fotsiny ihany"

  • #4

    Dénise Rabe (jeudi, 15 juillet 2010 09:04)

    Raha ny ratsy vitany teto amin'ity firenena ity aloha dia midanadana ho an-dRavalo ny varavaran'i Tsiafahy e!

  • #5

    Ny tody tsy misy fa ... (jeudi, 15 juillet 2010 10:20)

    Zà mahita olona maro be nahavita ratsy mihoatra nohon'izay ratsy vitan'Ingahy M. R., hatao ahoana ireo?
    Aza miantso tody ho an'ny olona, fa sao be lavitra nohon'ny azy eo no hozakaina.

  • #6

    Raha ianao (jeudi, 15 juillet 2010 10:39)

    "Izay manasa lovia ihany, hoy ny Ntaolo, no mamaky lovia."
    Simba ny firenena!
    Tsy aleo ve hitsahatra amin'izay izao be loha izao e!
    Raha mihevitra hoe sahirana ianao, tadidio fa misy olona tsy manana fahafahana na ny hividy gazety aza (mainka moa hi-surf)

  • #7

    ponina (jeudi, 15 juillet 2010 13:27)

    mba fantatrareo moa ?fa iraka daholo naha may ny fananan'ny dada;potika,rava,ny tanana maloto,ny orinaa mikatona,hita mintsy hoe mitorona gasikara @zao fa tsy mandroso.isan'andro loatra ny vaky trano;samy manao zay sai-patany ny olona.manaova fotsiny bilan t@ny dada sy andry.anjaranao ny mieritreritra.fa tsisy ady eto,tsika samy gasy ndray ve no hifamely.courage daholo

  • #8

    bibikely (jeudi, 15 juillet 2010 13:53)

    Ho an'i "Dénise Rabe" :Refa tonga ao an-tranonao ny fandrobana ,zay angamba enao vo taitra. A zay enao mahatstapa tsara oe tsara sa ratsy zao fitondrana zao.T@ andron'i Dada tsy nisy an'izany fa @zao fanjakan'i Baroa. Mahatateza e.Aleo ianao no mamaly azy :(

  • #9

    deba (jeudi, 15 juillet 2010 15:39)

    Eh,tsapa aloha fa miha-mikorosy ny Firenena e,ny hoe iza no tompon'antoka amin'izany indray dia ny tsirairay no mamaly azy fa izao:"raha tsy mitandrina isika dia vao mainka any andavaka noho izao no hisy an'i Madagasikara"Mahaiza ary mifandamina sy mifamela ary mba samy hiara hijery ny tombotsoan'ny rehetra e.Aza lany andro mifampitsikera sy momba and-rajo na rava na zafy na ratsi fa hevitra mba mety hampandroso ny rehetra aseho hialana amin'izao krizy izao.

  • #10

    Dénise Rabe (jeudi, 15 juillet 2010 20:25)

    Ka ny mpandroba ry Bibikely dia efa tamin'ny andron-dRatsiraka no nisy a! Niha nitombo be izany tamin'ny andron'i Zafy Albert. Tena nirongatra be mhitsy ny asan-dahalo sy ny vaky trano tamin'ny andron-dRavalo, ary toa hoe i Valomanana ihany aza no manakarama ireny. Saingy tsapa fa nihena izany ankehitriny noho ny ezaka lehibe vitan'i Andry kely, Filoha mahavita azy!

  • #11

    NY HENDRY (vendredi, 16 juillet 2010 13:27)

    ny halatra dia efa nisy tao aoriana kely ny fiforonan-draolombelona (ilay halatra paoma e!!!)tsy izany anefa no resahina eto fa ny fahamaroany sy ny fivelarany aiza v ka ny fitondrana indray no tena mitarika azy @ ireo famakiana ny orinasa maro t@ 26 janv dia avy eo notohizana t@ireo vary + menaka dia nitavana daholo 'lay nolazaina fa mpitondra dia avy eo ireo voaroaka t@ asany TADIDIO FA NY OLONA VOAROAKA ANIE KA TSY MAINTSY MISY ZANAKA HIHINANA E!!!

  • #12

    Dénise Rabe (vendredi, 16 juillet 2010 20:54)

    Fananam-bahoaka nangalarin'i Valomanana anie ireny nalain'ny olona tamin'ny Magro ireny e!

  • #13

    ponina (samedi, 17 juillet 2010 05:59)

    ary tadidio fa raha tsy i ravalo tsy vita iny lalana anosy be iny.fotaka mahatsiravina t@ zany fotoana,ny mpivarotra mahazo ny tandrify azy daholo jereo fotsiny oh: andravohangy, befelatanana le eo akaikin'ny firaisana faha 5,......analakely toeran'ny fahaleovatena nahafinaritra ery ny zaridaina,madio,@zao inona zao no eo @le zaridaina? efa rava.maray masay tadidinareo hoe inona no teo taloha?ny lalana eraky ny madagasikara.ary tadidio fa tsy misy hoe filoha mahavita mifona @vahoka zany,mitady inona ankoatra an'izay ny gasy?ny mahasoa antsika malagasy no tadiavina anie.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra