mer.
14
juil.
2010
Tsy mitovy amin’ny lehilahy ny vehivavy rehefa manao firaisana ara-nofo. Raha mahazo fahafinaretana hatrany ny lehilahy rehefa manao azy io dia ny 35%-n’ny vehivavy ihany kosa no mahatsapa izany amin’ny ankapobeny. Manana ny misteriny io mahatonga eo amin’ny vehivavy io, na ilay antsoina hoe « orgasme ». Indro ny fanadihadiana. Zava-dehibe eo amin’ny tontolon’ny firaisana ara-nofo ny fifampikasohan’ny vatana. Mila tairina avokoa ny faritra rehetra mahahetsaka ao amin’ny vatana. Torohevitra kely amin’izany dia azonao atao ny mametraka ondana ao ambany lamosina, ahazoana mikitika tsara ny faritra manaitaitra. Fihetsika iray tena mahahetsaka haingana ihany koa ny vehivavy misoavaly ny lehilahy, ka mampifanaraka ny fihetsehan’ny vatany amin’ny an’ilay lehilahy, araka izay itiavany azy eo.
Zava-dehibe manaraka izay ihany koa ny fifampiresahana momba ny ara-pananahana eo amin’ny mpivady. Mila ampahafantarina ny lehilahy ny zavatra tena manome fahafinaretana ny vehivavy hanaovany azy. Efa nampahafantarina antsika teto ny karazana fampiasam- batana mampatanjaka ny hozatra ao amin’ny fivaviana. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fanaovana izany, ahazoana firaisana ara-nofo mahomby. Ho an’ny manam-pahaizana dia zava-dehibe mampiakatra ny hafanana amin’ny firaisana ara-nofo ihany koa ny fanandramana zavatra hafakely miala amin’ny mahazatra momba izay tontolo izay. Izany indrindra no antom-pisian’ny pejy 5 eto amin’ny gazety Basy Vava. Farany dia esory ao an-tsaina mihitsy aloha ny karazana olana sy sakantsakana sedraina amin’ny fiainana andavanandro, izany hoe ny rarintsaina rehetra, na ny « stress », mialoha ny hiakarana ao ampandriana, hiarahana amin’ny vady. Misy fiantraikany ratsy amin’ny tsy fahazoana fahafinaretana mandritra ny firaisana ara-nofo mantsy ny fametrahana izany betsaka ao an-tsaina. Ireo ny torohevitry ny mpandinika fa an’ny tsirairay sisa no manatanteraka.