mer.

14

juil.

2010

Ny laharam-pahamehana

Nifandimby nandalo teto amintsika ny iraka manokan’ny SADC sy ireo parlemantera avy amin’ny vondrona eropeanina sy ny vondron’ny afrika sy karaiba ary pasifika (ACP). Samy nanambara izy ireo fa vonona hanampy antsika amin’ny fivoahana amin’izao krizy izao. Nifandimby nihaona tamin’ireo mpitondra fanjakana, mpanao politika, movansa, fiaraha-monim-pirenena ary ireo gadra politika izy ireo nandritra ny diany avy. Tamin’izany no nahatsapan’izy ireo fa samy naneho fahavononana hiala amin’ny krizy izy rehetra ireo. Ho an’ireo parlemantera eropeanina sy ACP aza moa dia nanizingizina fa tsy maintsy avoaka aloha ireo gadra politika raha te hiorina amin’ny fikatsaham-bahaolana isika. Nanaiky am-bava izany ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita. Laharam-pahamehana tokoa ve izany famoahana gadra politika izany? Ho an’ireo vahiny mpanelanelana sy ireo vonon-kanampy antsika aloha dia tena laharampahamehana izy io. Ilaina mantsy ny famoahana azy ireo izay karazana fifamelan-keloka ihany, mialoha ny fifanatrehana sy fifanarahana amin’izay ho tohin’ny tetezamita. Lohalaharana ihany koa izany ho an’ireo gadra politika izay manantena ny hahazo fahafahana sy hihaona indray amin’ireo fianakaviana sy namana ary hiriaria ety ivelan’ny fonja toy ny olon-drehetra. Anisan’ny fitakian’ireo mpanao politika sy mpiara-mitolona avy ao anatin’ny ankolafy Madagasikara ihany koa izany famoahana gadra politika izany, izay napetrak’izy ireo ho laharam-pahamehana.......

Raha jerena amin’ny fo tsy miangatra anefa dia toa tsy laharam-pahamehana noho ny fiaraha-mikaroka ny marimaritra iraisana hivoahana amin’izao krizy izao mba hizorana ho any amin’ny repoblika fahefatra izany. Rehefa mifanaraka mantsy ireo mpifanandrina politika dia hivoaka ho azy ireo gadra politika ary tsy hisy intsony izany fanagadrana olona na andian’olona tsy mitovy firehana politika izany. Azo tombatombanana amin’izany avy hatrany fa raha mivoaka ireo gadra politika, kanefa tsy milamina ny politika ety ivelan’ny fonja, dia rahampitso ihany dia mety hiverina eny indray izy ireo na hisy olona hafa indray hisolo ny toerany. Ny Ntaolo fahiny rahateo no efa nahita sy nahatsapa fa : « kodiaran-tsarety ny fianana an-tany ». Ny fametrahana ny rafitra tetezamita hiarahan’ny ankolafy samihafa izany no tokony ho laharam-pahamehana ho antsika Malagasy. Hivoaka ho azy ny gadra politika ary tsy hisy intsony ireo hogadraina sy ny fanagadrana. Tsy midika ho fanaovana tsinontsinona ireo gadra politika akory izany, satria inoana marimarina fa hisafidy ny fifanarahana mialoha ny famoahana azy ihany koa ny ankamaroan’izy ireo raha mbola manjaka ao am‑pony ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitiavana ny mpiray tanindrazana.

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    Dénise Rabe (mardi, 13 juillet 2010 21:22)

    Aminay dia tsy laharam-pahamehana velively ny famoahana ireo gadra politika satria mpamono olona sy mpangalatra ny harem-pirenena ny ankabezan'izy ireo! Ny famoahana azy ireo dia midika fa mbola misy ny "tsy maty manota". Koa tsy rariny ny famoahana azy ireo satria lasa ahotra ratsy ho an'ny taranaka. Ny toe-javatra azo ekena dia ny hoe raha toa ka fanehoan-kevitra no nanagadrana azy. Ireto vahiny avy any Europe ireto sy ry zareo Sadec manko dia mora ho azy ireony miteny hoe avohay, satria tsy nisy havany maty tamin'ny 07 février, tsy nisy taniny nalain-dRavalo sy ny forngony ankeriny...Koa eto dia antso avo no ataonay: Tsy azo ekena velively ny famoahana ireo gadra politika. Avelao izay nanao ratsy mba hibaby ny ratsy vitany! Azo???

  • #2

    Lala (mercredi, 14 juillet 2010 16:35)

    Mba mpanao ratsy sy mpandroba Firenena otran'i Andry koa anie Denise Rabe i Pety Rakotoniaina sy Voninahitsy fa navoakan'i Rajoelina amin'ny maha gadra politika azy e.Dia toy izay daholo avelao hivoaka izany ny mpandroba Firenena sy ny mpangalatra lazaina fa gadra politika satria izany no mety hampandroso an'i Madagasikara.Tsy efa nanome ohatra ratsy ho an'ny taranaka ary ve izany Andry Nirina Rajoelina e?Mba samy hiara hangalatra amin'i Rajoelina ao amin'ny FAT ao daholo amin'izay tsy Nirina irery no maimbo rehefa tonga ilay andro iray takin'ny vahoaka fiovana fa mivadika ho madio satria mpanao politika ka na mpangalatra sy mpandroba Firenena aza no gadraina dia avoaka fa gadra politika kooooooo!!!!Mafana fo ianao ary mpitolona tsy mikoso maso fa "araho sy jereo aloha ny lasa" dia afaka maneho hevitra ny ho avy ianao fa raha mitabataba fotsiny nefa mitovy amin'ny teo aloha ihany no atao eto amin'ny Firenena tsy dia hitako loatra izay hiarovana ny foto-kevitra toy izany.Sa mahazo tombotsoa manokana ao amin'ny FAT koa Dénise Rabe ka miaro anjambany?

  • #3

    Isaka (mercredi, 14 juillet 2010 16:43)

    Lany andro mifanasa vangy eto ianareo fa tsotra:IZAY HAMPANDROSO NY MALAGASY TSY VAKY VOLO KA IALANA AMIN'IZAO DISADISA SY KRIZY IZAO hanaovana vaha-olana raha tena samy TIA TANINDRAZANA.........

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra