mer.

14

juil.

2010

Jules Randriamaholison: Mihavana aloha vao midinika

Isan’ireo solombavambahoaka naaton’ny FAT ny dokotera Jules Randriamaholison, ao amin’ny antoko TIM. Nilaza izy fa “hajaiko ireo ray amandreny mijoro ireo fa tokony hijery ny zanany miady izy ireo”. Ny mampalahelo dia mila aravona ny disadisa alohan’ny hisian’ny dinika. Tokony ho tony vao miresaka. Jereo aloha ny korontana misy. Avohay ireo gadra pôlitika rehetra vao mandeha any amin’ny fampihavanam-pirenena sy dinika isan-tsokajiny”. Notsindriany moa fa tetezamita tena iarahana no tokony hajoro eto mba hisian’ny fifidianana mangarahara. Ny zava-dehibe aminy dia ny fivoahana amin’ny krizy ary ilaina ny hevitry ny rehetra, tsy misy fanavahana. Nanararaotra koa ity solombavambahoaka ity fa tsy noesorina TIM izany Raharinaivo Andrianatoandro. Tsy mpitondra teny intsony noho izy nanao fanambarana nefa tsy hevitra tapaka teo anivon’ny antoko. Misy mantsy ny fitsipi- pifehezana ato amin’ny antoko”. Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Dénise Rabe (mardi, 13 juillet 2010 21:29)

    Fa dia mitonantonana loatra lehiretsy ilay rangahy io a!Hita tokoa fa deputé very seza sy saosy i leiry! Fito taona ialahy isany teo amin'ny fitondrana, tsy hita izay famoahana gadra politika, ka no minaonaona eo.Eo dia mitaky ny mangarahara hono, nefa mba nisy mangarahara angaha tamin'ny andron'i Valomanana? Aza miteniteny foana leroa a! Fony ialahy isany nitondra angaha mba niraharaha ny hevitry ny hafa ialahy isany? Tsy vao maika va nogadrain'ialahy isany izay mba naneho hevitra tsy mitovy amin'ialahy isany! Tsotra ny teninay: akombony io vava io fa efa resy ialahy isany! Azo???

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra