mar.
13
juil.
2010
Tonga amin’ny fotoana fisondrotan’ny saran-dalana ny zotra rezionaly, indrindra ny mampitohy ny renivohitra amin’ny lalam-pirenena fahafito iny. Na tsy teo aza ny fisondrotan’ny vidin-tsolika dia efa vonona amin’ity fomba fiasa ity ny mpanao fitaterana mihazo an’Antsirabe iny. Fotoanan’ny famadihana sy fialan-tsasatry ny mpianatra izao, ka toy ny isan-taona, efa mahazatra dia miakatra avo dia avo ny saran-dalana, mba tsy hilazana hoe tonga amin’ny 100% indraindray. Ar 6000 ny saran-dalana manketsy Ambatolampy amin’ izao, raha Ar 2000 amin’ny andavanandro. Saran-dalana tokana io fa tsy misy tapa-dalana. Tafakatra Ar 8000 hatramin’ny Ar 10000 ny mankany Antsirabe. Betsaka ny mpandeha, ary tsy arakarak’ilay fitenenana hoe tsy manam-bola ny olona.....
Ny mpanao famadihana no tena tsy maintsy mandeha fa ny mpanao « vakansy » dia vitsy, saika ireo manankatao ihany. Ireo ankizy any ambanivohitra indray kosa izao no te hanao vakansy aty an-drenivohitra. Tsy dia misy hovantanina toy ny taloha tokoa ny any ambanivohitra fa «havan-ko vatsiana» izany hoe mila mitondra ny zavatra ilainao ianao. Manoloana io dia te hanararaotra hitazona io saran-dalana lafolafo io ny mpanao fitaterana. Ny mahatonga ny fisondrotana rehefa ririnina tahaka izao hoy ry zalahy dia ny mamonjy ambanivohitra no betsaka fa ny miakatra aty andrenivohitra dia vitsy, na tsy misy mihitsy. Rehefa akaiky anefa ny fidran’ny mpianatra dia ataon’ny mpitatitra midangana indray ny sarandalana. Tsy maintsy hamonjy fianarana tokoa ny mpanao vakansy e! Dia ho hita eo ity fitazonana saran-dalana lafo ity. Ny vidin-tsolika moa ity efa noteren’ny fitondrana FAT hiverina amin’ny laoniny, taorian’ny fampakarana nidangana be ka io niverina amin’ny laoniny io indray. HERY A
Tonga dia ataovy Ar 20000 ny frais an'Antananarivo-Antsirabe amin'izay miasa 2 na 3 volana ny taxi-be iray dia mahazo iray hafa indray ny tompony e!Efa fanjakan'i baroa ihany ka mba ianaro ry mpitatitra ny toetran'ny mpitondra a!Aza manaiky gejainy fa ny azy aza 2500 Euros ny karama iray volana no ambany indrindra.
zany ve no fianan'ny gasy, taoko zany ny majinika ihany no tena atao izay hahabotry azy. Mamapalahelo tokoa, lasa tsy tia fihavanana tsony ny gasy.
