mar.

13

juil.

2010

Vehivavy mitia: Hafakely ny faha-40 taona

Mety hisy ihany ny ho taitra amin’ity voka-panadihadiana ity. Na somary efa hita taratra eny amin’ny endriny aza ny kentrona, mety ho efa reraka noho ny tamin’ny 20 taona lasa ny fahavitrihany sy ny fiasan’ny hozany … dia tsy latsa-danja noho ny tanora kely vao misondrotra izy eo amin’ny ara-pananahana. Navoakan’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka avy ao amin’ny oniversiten’i Texas mantsy fa mivelatra kokoa ny eo amin’ny faha-40 taona ho an’ny vehivavy raha momba ny fananahana sy ny tontolony. Misy ifandraisany amin’ny fandaharam-piainany eo amin’ny resaka adim-pamantaranandro mihitsy izany. Eo amin’ny faha-40 taonany no voalaza fa manenjika ny fotoana rehetra mety ho nariany hatramin’izay ny andriambavilanitra, indrindra ny mikasika io sehatra iray io......

aro isa ny antsoina hoe “femme cougar”, na ilay vehivavy efa somary be taona mifampisary zoro amina tovolahikely tanora, zandriny. Ampiasainy hakana fahafinaretana fotsiny ireny tanora lahy ireny. Natao tamina vehivavy miisa 900 eran-tany ity fanadihadiana ity. Nojerena manokana tamin’izany ny nofinofiny sy izay mety ho tsiambaratelony any ampandriana any. Nozaraina ho sokajy telo izy ireo dia ireo 19-26 taona, ny 27-45 taona ary ny mihoatra ny 46 taona. Nivoitra taorian’izany fa ilay sokajy faharoa no tena mavitrika ara-pananahana, na amin’ny fihetsika, na amin’ny fisainana. Eo amin’ny faha-40 taonany eo ihany koa ny ankamaroan’ny vehivavy no efa nahavita ny adidiny amin’ny fiterahana, ka mety hisy ifandraisany amin’izay ihany koa no mahatonga azy hivelatra eo amin’ny ara-pananahana. Ho an’ireo mila traikefa izany dia tsaratsara kokoa maka torohevitra any amin’ny vehivavy 40 taona.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra