mar.
13
juil.
2010
Vita tamin’ny fomba milamina ilay fanadinana nandraisan’ireo katita kely anjara omaly. Fanadinana voalohany teo amin’ny fiainan’izy ireo iny ka manandanja aminy sy ny ray aman-drenin’izy ireo avy. “Ankizy ankehitrio, mpanangana ny ho avy”…Dia tohizan’ny mpanala azy hoe : « mpanimba dabilio, mpangalatra goavy». Misy olona afaka hampiasa ny lanjan’ny CEPE nananany eo amin’ny fitadiavany asa mba hivelomany ? Nisy olom-pirenena tena afaka naneho hevitra sy afaka niaro ny fomba fisainany ve ireo rehetra nahavita ny dimy taona voalohany teo amin’ny fianarany ? Izay tonga eo amin’ny fitondrana dia manao letrezana amin’ny fanovàna isan-karazany. Lasa sadasada ny taranaka ka hita miharihary fa poak’aty ny fahalalana tovozin’izy ireo. Sady tsy mahafehy mazava izay takiana aminy, no tsy manana izay mba fototra hijoroana fa dia manara-drenirano sy manarak’efa ny ankamaroany. Raha ny tolona nitranga teto amintsika tamin’ny taona 72 dia fangatahana ny hanabeazana ny zaza malagasy mba samy hanana ny anjara masoandrony no natao teto. Notakiana daholo izao hevi-baovao rehetra izao: fanagasiana e! fanabeazana ho an’ny rehetra e! sekoly isam-paritra e!.. Jardin d’enfant e! expression française e! tsy mahazo miteny amin’ny teny gasy hatrany an-tokontany ny mpianatra, fa dia io hita miharihary io fa iza moa ny zaza malagasy mahafehy tsara ny teny vahiny izay terena hiresahany?...
teny vahiny izay terena hiresahany? Ny fanjakana teo alohan’izao dia saika hametraka ilay fampitomboana ho fito taona maninjitra ny fanabeazana fototra, ary hampiasa ny tenin-dreny ho teny enti-mampianatra…fa nanjavona izany e! tsy nahavita herintaona akory ireo nisantatra izany dia tratry ny “kaparanjo”. Tavela teo ilay zazagasy fa tsy maintsy hiteny amin’ny tenin’ny mpibaiko ihany…Raha hanao mpamily fiarakodia, ohatra, ny tera-tany malagasy iray dia tsy maintsy takiana aminy ny fahaizany teny Frantsay kanefa dia malagasy Ray sy Reny no mifanerasera aminy eto. Sa ilay fiara entiny no mitaky ny hampiasany teny Frantsay? Ovaina hatrany ifotony ny fandaharam-pianarana sy ny rafim-pampianarana ankehitriny dia tsy maintsy terena hanadinana ny mpianatra Malagasy indray ny fifehezany ny teny hafa tsy mahazatra azy. Mpanara-drenirano sy mpanao bemanaiky no betsaka. Politikan’ny fakàna tahaka e! Aza variana mijery bagara(*), na taraikiraiky ka diso dépara, fa fantampantaro izay mba tsara… mba tsy halevin’itony tantara. Mpandrava efa sy mpanimba ny efa mijoro no mba taratra hitan’ny ankizy malagasy ankehitriny. Mpanabe sy mpanao politika tsy manana fototra fa miandry baiko sy mpanao “oui m’sé”, tsy mahatsinjo lavitra, ary tsy mahita ny tena ho fampandrosoana ny tera-taniny. Sa ny malagasy mihitsy moa no tsy mahataka-davitra? Handroaka omby àry moa isika mbola mampiasa ny « à gauche ‘ty », handroaka alika mbola mailaka mihitsy amin’ny “allez!”. Koa ho ela velona anie ny fanovanovana sy ny andrakandrana satria ve nobeazina hanimba dabilio fotsiny tokoa ry katita gasy e? (*)ady Ony RAMBELO.
Ny zaza Malagasy(mpianatra amin'ny sekolim-panjakana)no tena lasibatry ny faha-potehana nefa ireo no tena maro an'isa.Ireo no nantsoina sy nodradradradraina hoe:"ankizy ankehitrio tompon'ny taona 2000"tamin'ny androndry zareo menamena nefa nankalazaina ery tamin'izany ny fanagasiana ny fampianarana.Mipetraka ny fanontaniana:"Aiza ary ireo ankizy ireo amin'izao fotoana izao?Ireo ve ilay lasa mpanohana ny fihetsiketsehana an-dalambe? sa ireo koa no manao ny asan-jiolahy isantsokajiny miseho etsy sy eroa?Antsika rehetra no mamakafafa azy fa izany izao no fototra anisany tsy mampandroso ny Firenena.Ny zanaky ny mpitondra anefa tsy ao anatin'ireo velively fa any amin'ny sekoly malaza sy andoavam-bola be ary vao vita fianarana baccalaureat dia miampita ranomasina hofanina ho mpifehy sy mpitondra an'i Madagasikara toa andry zareo ihany.Koa dia tsy mahagaga raha tohizany hatrany ny fanovanovana sy ny andrakandrana fa tsy izy mianakavy no voa fa ny tolàna dia ny zana-bahoaka maro an'isa izany.
za rajery rehefa miresaka sy manoratra dia tsy mahafantatra izany olombitsy sy ambony fahaizana izany a!tsy misy handaniako rora amin'izay efa tafita any. Ny olana o an'i Mcar dia sokajin'olona hatrany no mamolavola ny ho avin'ny firenena . ka raha ijery vilana eto no atao dia diso lasibatra isika menankavy. raha mahay ny zanaky ny mpanana dia tiko raha miaraka mahay dol ny zazagasy.Ka na tsy hitondra firenena aza, dia hahay hitondra tena. Sa ts'zany?
Mahafinaritra ahy ilay artikla-nao rambelo ary tsara sy izay no tena idealy fa araka ny hevitrao:"iza ireo lazainao fa sokajin'olona mamolavola ny ho avin'ny Firenena ireo?"
