mar.
13
juil.
2010
Marary ny vahoaka malagasy. Tsy krizy intsony izao mianjady amin’ny firenena malagasy izao fa tena aretina sy antambo mihitsy. Anisan’ny nivoitra ireo nandritra ny dinidinika niarahan’Atoa Raymond Ranjeva, manam-pahaizana manokana momba ny lalàna sady efa mpitsara iraisam-pirenena, tamin’ny mpanao gazety omaly. Nivoaka tamin’ny fahanginany ity mpampianatra mpikaroka ity, namaky bantsilana ny maha-fahefana tsy mahay miaina, izao mitantana an’i Madagasikara izao ary mitondra soso-kevitra hanasitranana ny aretina. Aretina efa tsy sitran’ny “paracetamol” intsony satria nihanihombo nandritra izay efa ho 16 volana izay, ka mila fandidiana maika anesorana ny tsinaikely manamaimbo ny atiny......
Tsy mbola tetezamita
Raha ny fanazavana nomen’Atoa R a ymond Ranjeva dia tsy mbola fitondrana tetezamita tena izy izao itantanana ny raharahampanjakana izao. Mila iarahana midinika ny ahazoana mametraka ny governemanta “neutre” sy “fort”, rafitra mazava tokony hapetraka sy hampahafantarina ny vahoaka. “Neut re”, t sy hoe ts y miandany amin’ny atsy na ny aroa araka ny efa fandre mahazatra, fa governemanta manana fandaharan’asa maty paika, voafaritra arapotoana sy ara-toerana ary mamaritra izay andrasann’ny olom-pirenena rehetra sy izay mety ho andraikitra raisin’ny tsirairay. Governemanta tokam-po, manatanteraka ny fandaharan’asa napetraka. Hikarakarana fifidianana ihany koa, ka any amin’ny fihafaran’ny tetezamita dia afaka manao fifaninanana masina hitsapa ny safidim-bahoaka ny mpanao politika isantokony vonona hitantana izay Repoblika vaovao hijoro eo. “Fort” indray koa, izany hoe governemanta mahery, mahatapaka sy mahefa ary mihaino sy mifototra amin’ny soatoavina sy ny hasina ananan’ny tsirairay. Naneho ny fahavononany hirotsaka hitantana ny fiadidiana izany tetezamita izany rahateo ny profesora Raymond Ranjeva. “Fifampihavanam-pirenena”
Tsy tokony hankinina amin’olon-tokana intsony ny fahazoana manasitrana ny aretina mianjady amin’ny vahoaka malagasy, raha ny nambarany ihany. 16 volana aty aoriana, tsy maty afoy, tsy velon-kantenaina ny firenena Malagasy ary saika mikorosy fahana avokoa ny fari-piainana. Tsy azo ekena kosa anefa ny fiheverana hoe tsy ho afaka miala amin’izao lavaka mangitsokitsoka mahalatsaka antsika izao isika samy Malagasy. Mila fanasitranana lalina ny aretina, izay tsy maintsy atrehina, koa ny “fifampihavanam- pirenena” no vahaolana aroson’ity manam-pahaizana ity ho fanefitra mahomby amin’izany. Mifampihavana fa tsy hoe fampihavanana. Raha ity farany mantsy dia hisy hitonona indray avy eo hoe mpampihavana, raha ny fanazavany. Tsy azo hihodivirana ihany koa ny fifidianana, kanefa tsy natao hiteraka olana vaovao kosa indray ny firotorotoana amin’ny firarakarana azy, satria tsy voavaha ny fototry ny olana. Mila fanovana toe-tsaina mihitsy aloha ny famoahana ny vahoak a malagasy amin’izao aretina mahazo azy izao, raha ny filazan’Atoa Raymond Ranjeva ihany. Mitaky fahaizana sy herim-panahy ary fahaizamiaina izany mba hahazoan’ny Malagasy hatoky tena hiatrika ny tena fampandrosoana. Mila finiavana hivoatra tanteraka ihany koa, ka raha hita fa zavatra tena tsy handeha dia tsy tokony hikiry biby ihany. Olana tsy voajery ifotony hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena ka hatramin’izao no mahatonga ity aretina mahazo ny firenentsika ankehitriny ity. Mbola ny olana fototry ny fitakiana hatrany amin’ny 1972 ihany no miverimberina notakiana teo amin’ny toerana iray (kianjan’ny 13 mey) tamin’ny 1975, 1991, 2002, 2009; ary mbola ireo mpanao politika nitarika tamin’ireo vanimpotoana nisesy ireo no nitarika izany. Tsy mbola voavaha hatramin’izao ny olana satria tsy nanam-piniavana, na tsy sahy namongotra ny aretina nilàna fanafody hatramin’izay ny mpanao politika nitaritolona sy nahazo fahefana. Tsy afaka nihoatra ny tetika namaritan’ny mpanao politika niara-nidinika izay endrikendriky ny fahaleovantena sy izay hoavin’I Madagasikara hatrany amin’ny “loi cadre” tamin’ny taona 1957 ny mpitondra nifandimby. Mitaky fandraisana andraikitra matotra sy hentitra miainga avy any amin’ny tsirairay izany, ahazoana miroso amin’ny fiaraha-midinika marina sy mahomby, tena hananana ny hasiny maha-izy azy. Mety ho lavitra ezaka izay, nefa raha tanteraka dia hiravona ny olana rehetra. Ary tolo-kevitra no arosoko, hoy ny nambarany, fa anjaran’izay mihevitra ny hamoaka marina ny firenena ao anatin’izao krizy politika izao no mijery izay azo iarahana amin’izany. Harimbola M.
Ny mampihomehy amin'itony ry Ranjeva itony anie dia izao i leiry vao miseho ho avo vava nefa hatrizay tsy hita izay napaoka. Ny rahalahiny tao amin'ny fitondrana nifanesy, nisolelaka fotsiny no natao! Ankoatra ialy halatra be vava vitan'ilay rahalahany hafa tamin'ny banky iray nalaza be iny! Ingahy Raymond Ranjeva indray dia nisitrika tany ivelany tany foana ka efa tsy mahalala intsony ny fiainan'ny malagasy! Tsy ianao indray no miseho milay eo! I Andry Rajoelina ihany no atokisan'ny vahoaka ankehitriny, ka tohanan'ny maro an'isa ankehitriny!
Ny mampiomehy an ‘ilay milay Denise Rabe dia mitory fotsiny hoe : Rajoelina ihany no MALAILAY !!hita ilay ramatoa fa mangididy fa tsy dia misy hapoaka eo amin’ny hevitra sy fomba hialan amin’izao fahoriana mianjady amin’ny vahoaka tena miasa mafy ary miady mafy amin’izao fiainana nasarotin’ny sasany izao.
Raha ny marina aloha no asian-teny dia efa resy sy potika tanteraka ry Valomanana sy ny forongony. Ry Zafy sy ry Didy moa dia efa hazo amorontevana, efa soir loatra hoy ny fitenenana. Raha ny fiainan'ny vahoaka no tiana tsipihana dia hita fa hain'i Andry kely mahavita azy ny mandamina azy ka na ireo mpivarotra solika aza dia nanao marche arrière. Mahazo mandry ivohon'ny vato ny vahoaka. Mahery i Andry, tena OK hoy ny rehetra. Tena nijaly kosa aloha ny vahoaka tamin'ny andron'ny délestagen'i Valomanana e!
Finalement, "le nouvel homme fort de Madagascar" n'a pas été invité à Paris pour assister à la célébration de la Fête nationale française du 14 juillet, selon RFI. Il sera donc le grand absent de cet
événement durant lequel la France tient à renforcer ses liens avec l'Afrique et rendre hommage à ses anciennes colonies qui, tout au long de l'histoire, ont été "unies" avec elle pour le meilleur et
pour le pire.
Cette année, le 14 juillet est marqué par la célébration du cinquantenaire des indépendances africaines. Quatorze pays africains, dont Madagascar, ont en effet recouvert leur souveraineté en 1960.
Leurs présidents, à l'exception de celui de Madagascar secoué depuis plus de 15 mois par une crise politique, ont été invités à assister aux festivités avec leur homologue français Nicolas Sarkozy.
Début avril 2010, Jacques Toubon, premier responsable du cinquantenaire, a annoncé à grande pompe que le président de la HAT Andry Rajoelina représentera Madagascar. Mais depuis, de l'eau a coulé
sous les ponts, le nouveau régime malgache peine à gagner la reconnaissance internationale. La position de la France, considérée à tort ou à raison comme pro-Rajoelina, a été clarifiée lors du Sommet
Afrique-France à Nice début juin : l'Hexagone favorise l'option multilatérale dans la résolution de la crise malgache et s'aligne derrière la position de la communauté internationale, conformément au
triptyque France (COI) -Afrique du Sud (Union Africaine)- SADC (médiation de Chissano). En n'invitant pas le président de la HAT Andry Rajoelina, le numéro un français Nicolas Sarkozy a voulu marquer
le coup.
L'absence du "nouvel homme fort de Madagascar" à Paris pour le 14 juillet traduit également cette volonté de la France de ne plus régler le problème malgache de manière trop bilatérale. Comme c'était
le cas lors de ces interventions et ces ingérences directes d'Alain Joyandet, ancien secrétaire d'Etat à la Coopération et à la Francophonie, dans les affaires malgaches, quitte à torpiller les
Accords de Maputo. Paris a décidé de rectifier le tir. D'où ce " refroidissement " des relations avec la HAT.
La présence au 14 juillet aux Champs Elysée aurait été pour Andry Rajoelina un pas décisif vers la reconnaissance internationale. Un camouflet diplomatique de plus pour la Haute Autorité de la
Transition.
Mais ça n'a pas d'importance hein! Il y a beaucoup de choses plus important que ça ici au pays. La priorité est la vie de nos compatriotes. Les Malgaches ont besoin de sa présence permanente à Madagascar. C'est déjà une reconnaissance évidente la lettre de Mr Sarkozy adressée au Président Rajoelina lors de la fête nationale Malgache ainsi que la présence des militaires malgaches avec un membre de gouvernement au défilé du 14 juillet. Cela veut dire que Valomanana est KO total.
Dénise Rabé a! mitovy am lé taim bavako tao am Viva anikeo mitsy ny hevitrao.
Taim-bava ou tsy taim-bava, ce qui importe c'est le fait que Valomanana est OUT! (DEHORS!)
Lalatiana sy Denise Rabe a,ny taim-bavanareo anie tsy ahavaha ny olana eto Madagasikara sy ny fahorian'ireo vahoaka tsy mandady harona any ambanivohitra rehetra any e!Tsy ianareo sy ny forongonao ao amin'ny ville ao no Malagasy fa ampahany kely ianareo ka aza tia tena fa ny zavatra toy izao indrindra no ilana olon-kendry ka tsy haiko na mba te ho isan'ny olon-kendry ianao na tsia?
Ilàna fandavan-tena finiavana tokoa ny fanarenana ny fiainam-pirenena latsaka an-katerena amin'izao fotoana izao ka tsy izay rehetra misora-tena akory fa tia tanindrazana dia tokony ampidirina ao amin'io "tena tetezamita"resahan'Andriamatoa Raymond Ranjeva io fa ilana critère ihany raha ny hevitray.Inona ilay critère?Tsotra,olona tsy mpanao politika ary olona manana fahendrena,olona tsy tia vola tafahoatra fa tena vonona ny hanarina Firenena.Mety ho sarotra ny hanangonana ireo olona ireo nefa betsaka izy ireo ary izy ireo tsy hisoratena mihintsy koa fa anjaranao Andriamatoa Raymond Ranjeva ny mitsimpona azy fa ialao ary halaviro ny olona misoratena toa voatango fa ireny no tena fanetriben'ny Firenena avy eo....Mankahery ny finiavana hanananao izahay.
Ny zavatra voalohany tsara tsipihana aloha dia ny hoe soa fa voahongana i Valomanana. Mbola tsy nisy vaovao tsara toy iny teto gasikara hatramin'ny nahagasikara azy! Faharoa: nahazo olona mendrika sy mahay i Gasikara nahazo ny Filoha mamim-bahoaka Andry Rajoelina. Fahatelo:Tsy ry Raymond Ranjeva ireny mihitsy no hanavotra an'i Gasikara, satria olona mpangalatra ireny (jereo ny tantaran'ny rahalahiny, ilay nangalatra tamin'ny banky tany Manakara)
miverina kely am lé taim-bava e! Oui tena mahaketraka sy mampalahelo ny analyse entina eo amin'io radio io. Tsy hay tsony hoe journaliste ve sa animateur de foire no miteny. Imaginer ho zany hoe laurence férari na claire chazal am ny TF1 reny no manao discours otran'ireny. Asa angamba!!!! ARy ny olana ihany koa izay solution rehetra omen'ny olona toa tsy misy mety avokoa. Ny momba ny hoe ravalo!!!! Toa tsy nisy resaka ravalo out ou in aloha e! tsy dia haiko hoe ina moa ny mbola hiverenana amin'izay.
ho an'i Denise Rabe,
mba lazalazao anay eto àry aloha hoe niova nanao ahoana ny fiainanao hatrizay nahateo an'io rajoelina malalanao io... nihatsara ve? ... ianao manko karazan'itony olona maivan-doha, ra-tia vao,
lomorina ka mba tiako mba vakiana eto hoe aiza ho aiza moa ianao.
miala tsiny aminn'ny sasany mpamaky eto fa tena ry denise rabe itony dia santionany amin'ireny olona manana fisainana ambany faladia e...
Mampalahelo anie ny fisainana sasany eto toy ny an-dry denise rabe. Tsisy resaka ravalo intsony dia mbola izay ihany no dradradradraina eto, mitovy mihintsy ianao sy lalatiana, tsisy resahana intsony satria tsisy apoaka i andry dia zavatr efa lany andro no resahina. efa ho herintaona sy tapany izao tsisy zavatra mivaingana nataon'i andry fa miray tsikombakomba mangalatra sy manapotika ny firenena fotsiny ka zara aza tsisy olona sahy mijoro sy miteny
Tena mahatsikaiky mihitsy ny mamaky anareo GTT ireto an! Tena tsy mahazaka ny hevitry ny hafa ka lasa manompa, miteniteny foana, mamingavinga ny hafa, kanefa moa vao maika mahabotrabotra anay zany! Izahay kosa aloha hatramin'izay naha Filoha hajaina an'i Andry kely, dia milamin-tsaiana sy fo ary fanahy e! Tsy misy intsony manko ny jadona, toy ny fanaon'i Valomanana, tsy misy intsony ny hoe tahotra amin'ny fandrobana tanin'olona, toy ny fanaon'i Valomanana, tsy misy intsony ny tahotra ny hoe ho potehina ny tranon'ny tena, toy ny fanaon'i Valomanana. Hafaliana lehibe ho anay ny fanananana an'i Rajoelina ho Filoha ambony eto ami'ny tany sy ny fanjakana. Raha ry Njeva indray aloha dia hoy izahay hoe: "Tsy hahita akory fa miareta tory e!"
Dénise Rabe a,tsy any amin'izay Valomananao zay intsony ny resaka fa "Fanavotam-pirenena" sy "Fialana amin'izao krizy izao".Vaha olana entina fa tsy ny fanindrahindrana an'i Rajoelina na Ratsiraka na Zafy na ny dadatoanao Valomanana no mahavaha ny krizy misy eto amin'ny Firenena.Jereo tsara anie fa izahay izao efa in-2 isan'andro no misakafo sady amin'izay mbola tapa-tsinay koa fa tsy hoe voky raha mba mihinana,dia maro no toa anay ka mahafinaritra anareo ve izany?Ny orin'asa niasana nikatona,ny havana manan-katao irariana hanampy amin'ny asa mandatsa,ny fiaraha-monina tsy te-hahalala,ny hofa-trano tsy maintsy aloa,ny vola anefa tsy misy fa dia ny entana azo amidy ato antrano izao no alefa,ny tena tsy sahy hangalatra fa aleo tsy misy toy izay mbola hiampy ny fahavoazana,ny vaha-olana eto amin'ny Firenena nefa ity tsy hita ihany ka mba vaha olana re entina na ho an'ny mpiara-belona na ho an'ny Firenena fa avelao ny mpitondra politika any amin'izay misy azy any ary raha manana anampiana ianao dia raisinay an-tanandroa.Dia misaotra indrindra e.
