lun.

12

juil.

2010

Mpitondra FAT: Mbola voafantsiky ny sazy

Tsy nampiala ny sazy napetrany tamin’ny FAT ny SADC. Raha voahaja ireo fitsipika izay nahatonga ny sazy amin’ireo olona 109, dia miala izany sazy izany. Mbola voafantsiky ny sazy napetraky ny SADC izany hatramin’izao ireo mpitondra antsika. Nihaona tamin’ny sehatra maro eto amintsika ny mpitarika iraka avy amin’ny vondrona sadc Dr Leonardo S. izay nomarihany, fa anjaran’ny Malagasy ny mamaha ny olana izay novolentsika, fa tsy an’ny mpanelanelana, ary ahoana ny ahafahan’ny miara-miasa hoy izy, mba ho iray eo ambany fitarihan’ny fiaraha-monina sivily hivoahana amin’izao krizy izao? Nampor isika ny sehat ra isan-tsokajiny izay tafahaona taminy ireto SADC ireto, mba hiroso haingana amin’ny fametrahana lamina maty paika hialana amin’izao fahavoazan’ny firenena Malagasy izao. Momba ilay sazy napetraky ny vondrona Afrikana sy ny SADC, dia toa tsy mivaky loha amin’io ny mpikambana sasany ao amin’izao tetezamita izao. Ny antony, dia tsy mba mivoaka firy mankany ivelany izy ireo, ary ny kaonty any amin’ny Banky, dia amin’ny anaran’ny havany akaiky araka ny feo niely tao ho ao? Tsy ho gaga isika raha tsy rototra firy amin’izany sazy izany ny FAT, na dia efa hita izao aza ny vokatry ny hambom- po diso toerana. Tsy efa ampy ve izay ny fanazavana ny momba ny tranga niseho tamin’ny 2009 ireny, fa tsy nisy nankato ity fitondrana ity ny sehatra iraisam-pirenena? Sa dia efa fanaovana sorona ny fiainam-pirenena kosa no mihoatra izao ? Basy vava

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra