lun.

12

juil.

2010

Ingahy Admisy!

Milamindamin-dratsy eo ny Minisitera tantanan’iny olona iny. Efa tsy hiandraikitra intsony ny fitantanana ny fanatanterahana ny fifidianana tsinona io Ministera io. Fa iny olona iny dia tsy milamindamina araka izay fitazana azy izay. Baraingo hatrany ny mikasika ny fitantanana ny kaominina rehetra any amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Avela hiasa ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka toa manondrana sy tsy manaraka ny baikon’ny fanjakana foibe ny ankamaroany. Ho soloina PDS indray toa vao mainka manitatra ny efa mikombona. Dia vaka eo ny sain’iny olona iny, hany ka hafahafa hatramin’ny fomba fanazavany sy ny fanehoan-kevitra nataony tato ho ato.....

 

Ny fitantanana ny raharaham-panjakana hoy iny olona iny dia tsy ilàna loatra ny fisainana sy foto-kevitra tena demokraty izany. Tsy izay safidin’ny maro an’isa loatra akory no tokony hitantana ny asam-panjakana. Asa izay tena any anatin’ny sain’iny olona iny fa mifangaro loatra anie ny tena dikan’ny fitsinjaram-pahefana (izay iasan’ny olom-boafidy) sy ny solontenam-panjakana manao ny administration e! Dia hirona any amin’ny fitantanana tarihan’ny olom-boatendry fotsiny izany no tena izy? Koa maninona ary iny olona iny no nanambara indray tato ho ato fa aleo aloha atsahatra ity fanendrena Pds ity? Mahatsiaro fanina mihitsy ny olom-pirenena amin’ny fihetsik’iny olona iny. Raha vao nitsangana mantsy ilay CENI izay nambara fa mahaleo tena dia mpikambana tao iny olona iny. Raha izany no dinihina dia tena “Administrateur civil” tsy miangatra sy tsy manana fironana izany izy. Ny nahagaga anefa dia nitsofoka amin’izao governemanta izao indray iny olona iny ; ary dia asehony tsara fa manao sy manatanteraka ny asa ara-politika rehetra hizoran’ny fanjakana izy. Dia mahavità be eo amin’ity asam-panjakana ity r’Ingahy Admisy ah! Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra