sam.

10

juil.

2010

Zé tiko ian io(*)

Hiverina isika, hiverina any amin’ny taonan’ny révolisiona. Révolisionan’ny volon-daoranjy tokoa moa ireny nataontsika ireny? Tsy misy resaka betsaka io, fa rehefa izay dia izay : izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato ahy. Aza gaga raha hiverina hohenontsika indray ireo teny nampalaza ny revolisiona sosialista efa nampiasaina sy nampiharina teto. Tsy tsaroanao ve ny hoe : filoha hajaina? tobim-pamatsiana? Mpanohariana ? Fiaraha-monina vaovao hanjakàn’ny rariny sy ny hitsiny ? Tsy maty voalavo an-kibo? Fahavalom-bahoaka ? Ny orinasa rehetra nifarana tamin’ny vani-teny MA? Rehefa tsy mpiara-mitolona dia nahilika e! Natao natanjaka tsara ny mandatehezana tamin’izany. Misy zavatra sy hevitra narovana mafy tao anatin’ io manda io. Na izay saosy, na sosialisma, na koa tolom-piavotana. Dia adikao tsirairay amin’ny zava-misy sy iainana ankehitriny ireo fa ho takatrao avy hatrany fa hiaina ny taona valopolo indray isika. Ho tezitra sy hanafay antsika ny vondron’ny firenena tandrefana, ny mpamatsy vola dia hametraka ny fepetra henjana tsy ho azo iainana. Ho tonga hatramin’ny tsy fahampian’ny vary hohanin’ny Malagasy io fa araho tsara........

Mihena ny sandan’ny vola ariary, ary dia ho fanina sy mikaikaika daholo na mpitatitra, na mpanabe, na mpandray mpizaha tany, na iza na iza manafatra entana dia ho kivy e! Ny revolisiona rehetra natao teto amin’ity glaoby iainantsika ity dia hafantoka tanteraka amin’ny fampanantenana poak’aty : Mahareta fa hanana ny soa e! tsy ho ela dia hivoaka ny tonelina e! hampisehoy ny hambom-pom-pirenena e! sns… Iray amin’ireny ny eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Avadibadika ambony ambany ny rafitra sy ny fandaharam-pianarana. Tsy fantatra mazava izay anton’ny fanovàna sy ny fanarahana lamaody etsy sy eroa. Matesa izay maty, vereza izay ho very fa mokon-doha tsy misy ohatr’izany no hampiharina. Ampiasana daholo na didy, na lalàna fehizoro, na didy hitsivolana. Ho velona sy hiaina ny olany miampy ny adim-piainany indray ry Maria katisoa, ry Lendrema, ry Lemizo, ry mama Lenina, ry Madame Edwige, ry Lemena, ry Kotondratapaka sy Zafindrakikina. Dia hanonofy an’i Bemolanga sy te- hiaina any Texas indray ny Malagasy. Mikiakiaka hatrany mba hiady mafy amin’ny fiainana fa tsy misy hivakiana loha izany fa “izay tiako ihany io”. Tsy ho mora ny miady amin’ny fiainana fa tolona aman’aina, tolona am-bavaka, tolona tsy omby tratra, tolona mba hiavotana, tolona ambony vatolampy… tolombahoaka e! Asio vahoaka daholo fa mety io e! (*)Fanahy iniana io fanoratra io! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    deba (samedi, 10 juillet 2010 23:56)

    Raha mbola tany koa ny tany tsy ho afaka ny akamakama sy ny mpiara-misosy....koa inona no mahagaga amin'izany?Fa ny Baiboly aza milaza hoe:"tsy misy zava-baovao ety ambany masoandro fa indro izay efa nisy ela no miverina ka dia sodoka ny zanak'olom-belona...".Ary raha izany hoe fitovian-kevitra tanteraka izany tsy ho hita eo amin'ny toetran-dramalagasy nohon'ny toe-tsaina diso toerana,ory hava-manana,tia kely,...dia tena marina fa "zé tiko ian io"

  • #2

    faly (dimanche, 11 juillet 2010 10:07)

    Izay mpitondra rehetra nifandimby teto dia namoritra vahoaka avokoa.Nanomboka hatrany amin'ny faha-mpanjaka,ny fanjanahan-tany ary nanditra izay 50 taona lazaina fa fahaleovan-tena izay ary samy nifandimby nanao "zé tiko ian io".Rahoviana ary vao hisy mpitondra ho mamy hoditra tanteraka amin-dramalagasy tsy vaky volo?Valiny:rehefa maniry nify ny akoho.

  • #3

    rajery (dimanche, 11 juillet 2010 10:59)

    Manan-karena ankibon'ny tany sy andranomasina i Madagasikara,tsy lany olo-manga i Madagasikara,mbola lazaina koa fa manam-bola tsy toko tsy forohana i Madagasikara fa ny ampiasaina azy no tsy misy,efa nolazaina koa fa mahavita tena ara-bary ny Malagasy...Koa aiza indray raha izany no misy Firenena mandroso noho i Madagasikara eto amin'ity glaoby misy antsika ity?Sa io ilay ataonao hoe:"poak'aty",sao dia mba ny mpitondra nifandimby kosa no nanana izany fa tsy i Madagasikara e?(Madagasikara=vahoaka Malagasy)

  • #4

    xxl (dimanche, 11 juillet 2010 11:05)

    Lany andro fotsiny ianareo mitsikera ny hafa fa raha mahay mba manongàna Fanjakana dia mihinana sy mitavana eo koa e!Rehefa tsy izay ihomehezan'ny olona fotsiny na manan-kevitra sy tsara moraly toy inona aza.Lazainy indray aza fa manao alahelon-kanina.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra