sam.
10
juil.
2010
Mpanao didy jadona , nanao afa-drakotra ny harempirenena , namono ireo rehetra tsy mitovy hevitra taminy . Santionany amin’ireo toetra nahafantaran izao tontoto izao an’i Jean Bedel Bokassa, amperora nitondra nandritra ny 10 taona tatsy centre afrique ireo . Ity mpitondra jadona ity no nampitahain’I Raveloson Constant ny filohan’ny Fat ankehitriny Andry rajoelina Nanamafy fanindroany io fampitahana io omaly ity mpitolona MFM ity , nandritra ny kabary nataony ho an’ny ireo mpitolona mitaky ny fampiharana ny satan’ny Maputo , etsy amin’ny kianjan’ny ny Magro behoririka . Ny olona farany ambany ka manandratra ny tenany ho ambony indrindra noho ireo manodidina azy no manana izany toetra izany hoy ihany izy . Nanohanany ny fanehoan-keviny tamin izany ny fihetsika sy ny fomba fanao samihafa ataon’ny ny filohan’ny Fat ankehitriny toy ny fitondrana ny akanjo manasongadina ny mahampanjaka , izay nentin Andry Rajelina nandritra ny fanamarihina ny faha-50 niverenan’ny fahaleovatena farany teo , teo ihany koa fihevera-tena ho ray aman-drenin’ny Malagasy rehetra , anaramboninahitra ampisaloran’ny ireo filoha voafidimbahoaka amin’ny alalan’ny latsabato andraisan’ny rehetra anjara . Androany raha tsiahivina no nikasa hanatateraka fotompivavahana ho fangatahampitahiana ho an’ ny tanindrazana etsy amin’ny kianjan’ambohijatovo ireo vehivavy avy amin’ny “3 mouvances” saingy tsy tanteraka izany noho tsy fahazoan-dalana hanao ny hetsika avy amin’ny tompondraikitra . Eo antrehan izany dia nanentana ny mpitaky ny hiverenan’ny aradalana sy ny fampiharana ny satan’ny tetezamita nosoniavina tany maputo, Ravelosona constant, ho tonga maro etsy amin’ny kianjan’ny magro anio , anehoana eo imason izao tontolo izao ny tsy faneken’ny vahoaka malagasy ny fitondrana misy eto Madagasikara . Alina rahateo no higadona teto Madagasikara ny solotena avy am parlemannta eropeanina hijery ny fivoarana ny toe-draharaha politika eto amitsika.
Ny satroka ary galona sisa no tsy ampy kely e!
Mbo milay kosa ilay zesta ivelany e,zao ve dia ratsy?Saingy ny toe-tsainy no tsy sahala amin'izay fa ratsy tsy mendrika ilay fitafiana.....
