sam.
10
juil.
2010
Tsy azo ialana ny firaisana ara-nofo sy ny fifampizarana hafanana aterany raha mbola olon-droa mivady ihany koa. Navoakan’ny fikarohana fa mikatsaka izay hanomezana fahafaham-po ny vadiny avokoa ny ankamaroan’ny vehivavy eo amin’io lafiny io. Ho an’ny manam-pahaizana manokana momba ny fiainana ara-pananahana anefa dia tsy ampy izany. Fifamenoan’ny mpivady, fifampizarana ny tena tsara avy any aminy ary fiarahana mitrandraka ny fahafinaretana iraisana no fototry ny firaisana ara-nofon’ny mpivady. Tsy misy mivoaka ho resy sy mpandresy amin’izay fa mitovy ny fizarana. Zava-dehibe anaty fiarahan’ny mpivady ihany kosa anefa ny fahafoizana hanome. Torohevitra iray azo ampahalalaina ny andriambavilanitra ny “qi gong”, teknika iray fanaon’ny Aziatika, mampafana tsara ny hozatra ka mandrisika azy hanao firaisana ara-nofo...
Toy izao ny fanazaran-tena mifanentana amin’izany. Mitsangana tsara ilay vehivavy hanao azy. Somary velarina ny tongotra, atao mifanaraka amin’ny hitsin’ny soroka roa ny fivelarany. Somary aforitra ny lohalika roa, atehika eo amin’ny valahana ny tanana roa. Atao mandroso mihemotra in-50 misesy ny faritry ny valahana sy ny fitombenana. Ampiarahana “respiration” tsara, mifoka sy mamoaka rivotra, miaina amin’ny orona sy ny vava izany fihetsehana izany. Rehefa vita izany dia ataovy toy ireny manoritra boribory ireny ny valahana, averina in-25, ka ampifandimbiasina ny miankavia miankavanana sy ny mifanohitra amin’izay. Tsy ahetsika firy ny soroka sy ny loha eo am-panaovana ny fanazaran-tena. Raha mahavita in-droa na in-telo amin’ireo isan’andro fotsiny ianao dia efa ampy tsara izay hamanana tena sy hakana tsirony amin’ny firaisana ara-nofo. Maro karazana ny teknika an’ny Aziatika izay azo ampiharina tsara eo amin’ny resaka fananahana. Atolotra tsikelikely eto ihany ireny, koa manaraha tsy tapaka ny gazetintsika.