sam.

10

juil.

2010

Hofan-trano eto an-drenivohitra : Niakatra 35% tao anatin’ny telo volana

Midangana ny hofan-trano. Sahiran-tsaina ny olona tsy mba nahavita trano, fa tsy maintsy miaina amin’ny fanofana trano. Niakatra 35% ny hofan-trano eto an-drenivohitra tao anatin’ny telo volana izay. Voalaza fa miakatra ny hetra alain’ny fanjakana amin’ny trano. Io no alaolana hampiakaran’ny tompon- trano ny hofa-tranony. Ny mampalahelo amin’ny mpanofa anefa, dia tsy misy fanamboarana mihitsy ireny trano hitoerany ireny, nefa dia saika miakatra hatrany ny vola alain’ny tompon-trano amin’ireo mpanofa. Tao anatin’ny herintaona monja, dia efa in-telo hoy ity ramatoa iray nitaraina taty amin’ny gazety ny hofan-trano itoerany etsy Ankadifotsy. Raha enina alina ariary no nanofàna izany, telo taona lasa izay, dia efa tafakatra iray tapitrisa mahery amin’izao fotoana. Tsy afa-manoatra anefa ny tena hoy izy, satria mbola sarotra ihany koa ny ahitana trano akaiky fianaran’ny ankizy.

Dia miharitra ny afitsoky ny tompon-trano. Tsy ny trano ihany anefa no miakatra ny hofany, fa saiky ny entana ilain’ny olona amin’ny fiainany an-davan’andro. Isan’io ny vidim-bary sy ny vidin-jiron’ny JIRAMA. Tsy zakan’ny fahefa-mividy intsony ny vidim-piainana ankehitriny, ary ny karama zara raha niaktra eo amin’ny 10%.Mananontanona ihany koa ny fiakaran’ny saran-dalana ho Ar 500 eto an-drenivohitra, ary mihotra ny Ar 600 kosa ny ivelan’ny renivohitra. Mbola hiakatra anefa ny vidim-piainana, raha sanatria ka mitombina tokoa io tarehi-marika amin’ny sondro-bidin’ny fitaterana io. Dia ny vahoaka madinika hatrany no hiantefan’ny fahavoazana e. Mety ho maro ny tsy hahatakatra ny hofan-trano sy ny vidin-jiro sy rano intsony, ka hampitombo isa ny olona matory eny ambany tonelina indray ireo mba nanana ny fiainany teo aloha.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    deba (dimanche, 11 juillet 2010 00:24)

    Tokony mandeha mitaraina any amin'i Andry Nirina rehefa tsy mahazaka fa hainy tsara ny manome fahafaham-po ny vahoaka.Ampidiriny FAT ianao dia mahofa "appartement"ary telo volana dia mahavita "villa"afaka hampanofaina mba manampy ilay karama be azon'ny maha FAT anao.Izay saran-dalana ho lasa 500Ar ndray tsy olana io fa tonga dia mahazo fiara 4X4 miaraka amin'ny tickets d'essence 5 millions isam-bolana.Andramo ka izahao e!!!!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra