sam.

10

juil.

2010

Ankolafy telo ho ao Fianarantsoa : Hanakarama milisy i Pety ?

Roso i ty Tsa mipody koa. Tsy maint sy hatao ny famoriam-bahoaka ao Fianarantsoa. Tsy ny ramatahora ataon’ingahy PDS Pety Rakotoniaina no hampilefitra ny vahoaka sy ny mpitarika ny ankolafy telo. Io no heno nanakoako tetsy amin’ny Magro Behoririka. Tsy fahafirin’ny olona nandrahona ny ankolafy telo, raha izay Pety, hoy izy ireo. Firy no efa nampidirin’ity fitondrana tetezamita ity any am-ponja, sy ireo ambara fa mbola ho samborina, nefa mbola ireo ihany ny mpitaky ny hametrahana ny ara-dalana. Ny manaitra hoy ireo ao amin’ny Magro, dia ny filazana fa tsy ny mpitandro filaminana no hisambotra ny ankolafy telo, raha tonga ao Fianarantsoa, fa olon-tsotra? Hanakarama milisy ve izany ingahy Pety Rakotoniaina?......

Tsaroan’ny rehetra tsara, fa isan’ny olona tsy manaiky ny fanampenam- bava ingahy Pety Rakotoniaina, ary raha vao tafapetraka teo amin’ny fitondrana ingahy Ravalomanana, dia ny tenany no nitarika olona teny anoloan’ny vavahadin’ny kianjan’i Mahamasina, ary nisy ny herisetra nihatra taminy tamin’izany. Izy zatra mpitaona ny olona hidina an-dalambe indray ity no manao izay fomba rehetra hisakanana ny fomba fanaony taloha. Sa hafa tokoa ny zavatra taloha ? Ity PDS ity, dia efa nanambara fa tsy ekeny ny resaka fanakorontanana ny tanana izay hiandraiketany, saingy efa nanambara ny ankolafy hatramin’izay nanombohan’ny tolony izay, fa tolona am-pilaminana no atao, ary tsy misy herisetra. Mihenjana izany ny tady, ary heno fa aorian’ny fandalovan’ny vahiny avy amin’ny vondrona SADC sy ny vondrona Eropeanina no hidinan’izy ireo ao Fianarantsoa. Miova tokoa ny olona rehefa mahazo fahefana e ? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    rajery (vendredi, 09 juillet 2010 21:50)

    Fa iza moa Pety RAKOTONIAINA?Toa ilay zalahy io no lehiben'ny dahalo ambony latabatra eto fianarantsoa,sady mapangalatra aomby izy no manana tarika mampanao vola sandoka.Ilay vola sandoka ataondry zareo ihany no mody ividianany aomby any amin'izay tsy azony alaina ankeriny.Anisan'ny nanagadran'ny mpitondra teo aloha azy ireo zavatra voalaza ireo.Ankehitriny tafaraka amin'ny mitovy tadindokanga aminy izy dia i "boay kely Nirina",nahazo fahefana izy hiverenany amin'ny fanakotakonany ny ratsy ataony(toy ny ataon'ireo mahazo fahefana ao amin'ny FAT)koa izany no mampanangam-bovona azy satria raha mahavita fihetsiketsehana ao Fianarantsoa ny ankolafy telo dia hihen-danja ra-Pety ary mety afoy mihintsy ny maha PDS ka simba daholo ny tetik'ady rehetra efa natomboka hangoronan-karena.....olona toy an'i Pety ve dia mba ahavotra Firenena?Tsy aleo aza mijery ny politikan'i Ndrema a!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra