ven.
09
juil.
2010
Samy manana ny fomba fanaony ny vehivavy rehefa hetsaka, mahita ny tsirony faratampony, na tonga amin’ilay hoe “orgasme”. Nanao fandinihana manokana momba izay ny mpikaroka roalahy Amerikana, Gayle Brewer sy Colin Hendrie. Natao ny fanadihadiana tamina vehivavy miisa 71. Navoaka nampahafantarina tamin’ny gazety boky “Archives of Sexual Behavior” ny vokatry ny fikarohana. Voalaza ary fa misy karazany maro ny fomba ataon’ny vehivavy hetsaka. Ao ny tsy miteny tsy mivolana mihidy vazana fotsiny, ao ny misentosento, ao ny mibitsibitsika eo am-poto-tsofin’ny vadiny, ao ihany koa ny mamely ny “oui, encore …” sy ny maro hafa, ao ny mikiakiaka miantsoantso....
Samy manana ny dikany ireny fombafomba ireny, izay tsy inona fa entina itondrana ny lehilahy amin’ny sangany fotsiny. Tsy idirana lalina izay karazana fomba eo fa iray ihany ny tanjon’ny vehivavy amin’iny dia ny hibaikoana ny lehilahy fotsiny, hanaraka izay tiany atao. Inona io tiany atao io ? Tsy tiany hijanona ilay lehilahy fa hanohy ny fikofokofohana hatrany, hivoahan’ny ranon’ainy (inona koa moa no antony hijanonan’ny lehilahy eo ?). Tiany ho tonga haingana hono ilay ranon’aina, satria mety tsy mahazo aina izy, na reraka, na efa leo efa te hiala …Voalazan’ny fandinihana mihitsy aza fa tsy mahaloapeo ny vehivavy rehefa tena tonga amin’ny fahafinaretana faratampony. Asa izany na mitombina na tsia.