ven.
09
juil.
2010
Io àry fa miedinedina indray ny tompo-pahefana fa fitsidihana amin’ny maha-mpitondra fanjakàna azy no nitsidihan’ny solotenan’ny Sadc azy ireo. Tsy misy resaka MAP (Maputo, Addis- Abeba, Prétoria) izany intsony izao fa hafa mihitsy ny zavatra iainan’ny firenena malagasy. Dia aiza ilay hambo ? Isika anie efa natsahatra sy nahanton’ireny olona ireny hoe tsy mpikambana ao amin’io fikambana io intsony e ! F’angaha tsy azo nahilika izy ireo ? Dia io koa fa nahazo aina ireto ankolafy ivelan’ny fitondrana… tonga indray ny mpanelanelana ary misy ny hirika hiverenana an-databatra boribory. Narangaranga fa misy ny fifanarahana efa vita. Vao tombanana ety ivelany dia tsinjotsinjo fa mbola hifaninjitra ny andaniny sy ny ankilany. Samy mandrirotra ny lambany e ! Ny mpitondra malagasy dia hafakely tokoa, ary tsy mihevitra ny tenany ho tena mpitondra marina. Mbola manohy ny tolona izy ireo. Tolona mba haneken’ny rehetra azy. Taiza teto ambonin’ny tany no hisy “FANJAKANA” hanao ultimatum? Manao fitakiana? Mangataka etsy sy eroa? Manao ny asan’ny fandraharahana ara-toekarena? Misy anton-javatra tena mampisalasala sy tsy azo antoka tokoa manjo ny malagasy ankehitriny.......
Mihen-danja ny fahatokisan’ireo rehetra niara-nitolona teny ankianja. Ny olana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, manginy fotsiny, ny faharavàna tsikelikely eo amin’ny samy mpanohana ny fitondrana indray no voatery tsy maintsy hatrehana. Tsy rototra intsony ny rehetra, raha tsy hitodika sy hanamafy ny hirosoana any amin’ny fifidianana indray ny mpitondra. Angady tsy mahatapak’ahitra tokoa angaha ka miandriandry izay tondrozotra mbola any ankibon’ny omby? Milaza tsy hifampidinika intsony kanefa midingi-drambo rehefa mba nohajain’ireo mpanelanelana vahiny? Tsy misy mpanohitra fitondrana izany koa eto amintsika mandritra izao savorovoro izao. Ny mpanao politika eny ivelan’ny fitondrana dia manao izay hisian’ny fifanarahana mba hiarahana mitantana. Tsy misy politika haroso mba hiadiana amin’ny olan’ny mponina andavan’andro fa mbola eo ambaravarana hatrany no mifanosika sy mifanjevo. Dia asa izay azo antenaina amin’izy ireo fa tsy hisy hahita tombony amin’ny fampitarazoan’ny fitondrana ankehitriny akory. Tsy maintsy hitodika amin’ny mpanelanelana ihany izany satria any indray ny vahaolana? Sanatria toa tsy afa-mihetsika raha tsy misy mpibaiko? Ny kiombiomby tanimanga nataon’ny ankizy tokoa dia ny tompony ihany no mitrena sy manao ny feony. Izy tsy afamihetsika fa miandry baiko. Miandry kapoka. Rehefa tsy ilaina intsony dia potehina. Aza hitako, aza mahita ahy ka misy manao an’i Madagasikara ity ho toy ny kiombiomby tanimanga. Loza izany! Raha tsy hoe hisy mpanao fahagagana angaha ka lasa nahazo aina sy velona ny sary tanimanga ka hanoto ny tompony. Mankarary an-doha izany ry Zandry a!Mampiverin-tsaina izany ry Baina a! Araho ambokony rehefa tsy araky ny loha ry ‘Naotra a! Ony RAMBELO
Gazety basyvava ihany no mahafinaritra anay mpamaky tsy miandany @ atsy na ny aroa.
mahatalanjona tokoa ny fanaovana politika eto M/kara ANDROANY ALIKAINA RAHAMPITSO LAMBOLAMBOINA dia AVI eo voavidin'ny sasany
ho an'i RABZ: Tsy hoe rehefa tsy miandany dia tsara sy mahafinaritra. tandremo fa ny misabaka dia mahavery dia ny mpifanandrina. ary tsy mampandroso. Ilaina ny famakafakana sy fijerena amin'ny antsipirihany, kanefa tsy manabotsina sy manisy sira amin'ny tsy antony. Misaotra anao mankasitraka izay rehetra ato ho fampandrosoana sy ho maodely amn' ny ady hevitra e!
Zay anie ilay efa nolazaiko hoe mbola tsy fantatrareo foana ve ny fikan'i Andry Rajoelina sy ny forongony e?Manao ultimatum ny mpitondra satria tsy mijery na hijery izay tombotsoam-pirenena na vahoaka izany izy ireo fa mi-bizna sy manao izay ahafeno ny kitapom-bolany tsirairay,ny tombotsoany no jereny eo ka ataony izay fomba tsy ialana haingana eo fa zara aza tafakatra eo.Efa niteny izy fa tsy hilatsaka ho fidiana ho filoha,inona ary hoy ianareo no ataony?Nanapotika firenena sy mandroba zany satria tsy miraharaha ny vahoaka fa voky dia hiala sao tsarain'ny vahoaka sy ny tantara.Eny e,marina ihany aloha ny an'i Andry sy ny forongony e,efa nahazo vola be higalabonana any la Frantsa ve aho inona no ivakiako loha amin'izay vahoaka Malagasy tsy aleo mba mitsotsotra amin'izay?Dia ho hita eo na ho taman-komana ka hiova hevitra toy ny mahazatra na hilefa fa voky be!!!!!!
