ven.

09

juil.

2010

Hialana amin’ny famadihana palitao

Hialana amin’ny famadihana palitao Ravobe Tsy ho tantaraina lavabe intsony angamba io resaka famadihana palitao io. Haintsika Malagasy ary tena ankafizintsika mihitsy. Misy ihany anefa ny milaza fa tsy dia izay loatra no tena fandehany fa ny fitiavan-tanindrazana rano iray no mahatonga azy. Ohatra, misy olona iray izay, teo izy nanohana ny tolon’ny taona 2001. Niakabohitra izy tao aorian’izay, nitondra ny fanjakana nandritra ny fotoana fohy satria isan’ny nanosika ny filoha hofidiana mihitsy. Izy ihany koa anefa dia hita nanampy ny solombavam-bahoaka nanongana indray io filoha io. Tsy ela akory dia nivadika ny fandehany ka nanome tanana sy niandany ho an’ny filoha farany teo. Indro ary fa nanao be indray teny an-dalambe, nanohana ny tolona tamin’ny t aona 2 0 0 9 . Manampy betsaka ny filohan’ny Fat ankehitriny. Fitiavan-tanindrazana no ilazan’ny namany ireo fihetsika ireo......

Ny lalàm-panorenana no hanala izany Isn’ny nandroso tolokevitra hamolavolana ny lalàm-panorenana hitondrana ny Repoblika Fahefatra ny CRAM (Cercle de réflexion pour l’avenir de Madagascar). Fepetra maro, anatin’ny andininy maro no ahitana izay endrika mety ho tsy fitokisana ny mpanao politika na tompon’andraikitra izay. Ny rafitry ny fanjakana dia hahitana ny filohan’ny Repoblika, ny governemanta tarihan’ny praiminisitra, parlementera (tsy misy loholona) ary ny fitsarana tampony. Amin’ireo, ny praiminisitra dia atolotry ny maro an’isa eo anivon’ny solombavambahoaka. Ankoatra izay, “izay par lementera mamet rapialana amin’ny antoko politika na fikambanana nanolotra azy dia efa naman’ny manongan-tena.” Hatao amin’ny andro iray ny fifidianana ny filohampirenena sy ireo mpikambana eo amin’ny Antenimierambahoaka. “Raha tena mamimbahoaka sy manana fandaharan’asa marim-pototra ilay filoha sy ny antoko politika nanolotra azy, dia hanana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimiera izy. Sady midika fahamar inan- toeran’ny governemanta sy ny politika (stabilité politique), no mba hialana amin’ny famadihana palitao izany. Ka raha lany ilay filoham-pirenena, dia lasa mivadika daholo ny mpanao politika raha sarahina ny fifidianana, isan’ny fototry ny olana ara-politika eto amintsika izany.” Lesona ho an’ny hafa Famadihana palitao sa fitadiava-namana? Tsy hay intsony izay ilazana azy. Malaza mantsy ny filazana io teny “maro an’isa” io. Miainga eny ifotony ny zava-drehetra, ary ny filoham-pirenena no hitarika namana raha ny fifidianana azy no hanombohana ny zava-drehetra. Miankina amin’izay fomba fijery izay izany no haha marim-pototra ny famadihana palitao n any tsy fahaizana manao politika ho an’ny vahoaka…

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    brx (vendredi, 09 juillet 2010 06:22)

    Anisan'ny mpanao an'izany i Kaleta izay milentalenta raha vao misy fiovan'ny fitondrana. Tokony hisy lalana mikasika izay.

  • #2

    deba (vendredi, 09 juillet 2010 22:02)

    Ka ny politika Gasy anie tsy miorina amin'ny fotokevitra fa miorina amin'ny tombotsoa e!Koa inona no mahagaga raha misy sy betsaka no mamadika palitao?Taratr'ilay fahantrana tafahoatra sy ilay te hisongadina nohon'ny sasany eo amin-dramalagasy io.Toe-tsaina tsirairay no mila mivotra dia mahavita zavatra mba mampandroso ny rehetra e.Sa ahoana?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra