ven.
09
juil.
2010
Anio amin’ny 12 ora 40’ no voalaza fa higadoan etsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ireo ekipa Mahorais dia ny jeunesse canon 2000, sokajy lehilahy sy ny BC M’Tsapere, sokajy vehivavy, araka ny vaovao farany navoakan’ny federasiona Malagasy taranja basket-ball. Ny sabotsy halina kosa no voalaza fa hahatongavan’ireo ekipa réunionnais lahy sy vavy, izay isan’ireo ho mpifanandrina atahorantsika Malagasy amin’ity fiadiana izay ho tompondakan’ny ranomasina Indiana isantarika ity. Etsy andaniny, dia efa ao anatin’ny fanazaran-tena tanteraka ny ekipan’ny COSFA lehilahy sy n y BBCM vehivavy izay hiaro ny voninahitry Madagasikara ny 13 ka hatramin’ny 17 jolay ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena mahamasina.......
Ekipa 12 no hifaninanana amin’izany ka enina avy ho an’ny sokajy vehivavy sy sokajy lehilahy. Na dia samy mitondra mpitsara iray avy farafahakeliny ireo ekipa mandray anjara dia handefa “commissaire au match” iray sy mpitsara roa ny FIBA Afrika, mba hitantana ny lalao izay tsy homba ny atsy sy aroa. Ny sabotsy 12 jolay ho avy izao no hanaovana ny antsapaka hamaritana ny vondrona sy izay ho fizotry ny fifaninanana ary hisy fiofanana sy fivorian’ireo solontenan’ireo ekipa 12 handray anjara izany ny ampitson’io, izay samy atao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena mahamasina avokoa. Tafiditra ao anatin’ny hodinihana amin’izany ny fanovanany “charte de la CCCOI” sy ny soso-kevitra ho amin’ny fiofanana ho an’ireo mpitsara avy aty amin’ny faritra fahafito hiomanana amin’ny lalaon’ny Nosy ny taona 2011 ho avy izao. Aorian’io, izany hoe ny tolakandron’ny 13 jolay avy hatrany, dia hiroso avy hatrany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ka tsy maintsy hifandona avokoa ireo ekipa telo avy isam-bondrona.
Ireo ekipa handray anjara :
L e h i l a h y : C O S F A (Madagascar ) , BCD (La R é u n i o n ) , P L S HAWK S (Seychel les ) , JEUNESSE CANON 2000 (Mayot te) , AMISCO (Comores), REAL CLUB (Maurice)
V e h i v a v y : B B C M (Madagas car ) , BCD ( L a R é u n i o n ) , HOT S HOT S (Seychelles), BASKET CLUB MT S A P E R E (Ma y o t t e ) , FAIFAFFE (Comores), HOOP BASKET (Maurice) Zaka Fils