jeu.
08
juil.
2010
May volon-tratra ny fanjakana ka mijabaka amin’ny t sy tokony hi jabahana. Manoloana ny fiakatry ny vidin-tsolika teto amintsika, dia nandray fanapahankevitra ny fanjakana, ny tsy maintsy hampidinana izany solika izany. Lasa takalon’aina ny vahoaka 20 tapitrisa hoy izy ireo. Niakatra 12% ny vidin’ny solika eto Madagasikara. Voalaza fa maty antoka hatrany amin’ny Ar 15 miliara ny vondron’ny mpanafatra solika efatra eto tao anatin’ny 4 volana. Voalaza fa tsy tokony hiakatra io solika io, satria efa nidina 71 dolara ny barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy hiadian-kevitra intsony izay resabe ataon’ny fanjakana na ny Petrolier eto amin’ny tanàna, fa ny tsy azo lavina, dia nihena ny sandan’ny vola Malagasy vokatry ny krizy tao anatin’izay 16 volana izay. Tsy voahaja intsony ny sehatry ny fanalalahana ara-barotra, izay lalana efa napetraka taona maro lasa izay.....
Ny fitondrana teo aloha efa nandray fepetra tamin’ny nanampiana ny mpitatitra mba tsy hampiakarany ny saran-dalana teto, ary dia tsy nisy fiantraikany firy teo amin’ny sehatry ny fitaterana izany. Tsy nanery ny mpaninjara solika amin’ny vidiny izay namaritany azy ny fanjakana tamin’izany. Ekena fa manana andraikitra ny fanjakana amin’ny fitsinjovana ny mponina ao aminy, saingy manana ny kajiny koa ny mpandraharaha amin’izay mety tsy haha-faty antoka azy. Mety ho ferana ihany koa ve ny vidimbokatry ny tantsaha, satria toa midangana ny vidim-bary eny an-tsena? Inona no sakana tsy hanafaran’ny fanjakana solika mivantana any ivelany? dia ahidino ny vidiny eny amin’ny mpaninjara, fa izay izao no vaha-olana mahomby indrindra. Ibitika mpamily
merci basyvava !!! Tohizo ny filazana ny marina fa leo fafilainga @ haino amanjery "pro FAT", izahay mpanara- baovao tsy momba ny atsy na ny aroa.
TOHIZO FA TSARA
Aleo kosa mba handray andraikitra ny fanjakana e.
Ny mpivarotra solika anie ka tsy mitsinko vahoaka mihitsy e.
Vao misondrotra ny baril dia misondrotra n vidintsolika, fa raha mihena anefa izany, tsy naheno aho hoe mihena koa n eny @ station.
