jeu.
08
juil.
2010
Rehefa tsy eo ny ray mpikolokolo, dia maditra ny ankizy. Tsy misy mpifehy, fa samy manao izay saim-patany, na dia efa noraràna sy nobedesina mba tsy hanao fomba tsy mifanaraka amin’ny toe-tsain’ny ray niteraka. Maditra ny zanak’i Dada, indrindra fa ireo nateraka tao anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara. Miboreoka etsy ary mikivilavila eroa. Isan’io ny nanesorana ny mpitondra tenin’ny antoko TIM, Raharinaivo Andrianatoandro. Voalaza fa naningana nanao fanambarana tsy nisy fieràna teo anivon’ny antoko no anton’izao fandakana azy tao anatin’ny antoko izao. Tsy vao izao no nisy izany, fa efa niarahana nahita ireny nataon-dry Vy Vato Rakotovao sy ny namany nandadilady tany amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ireny. Izay namadika palitao fony Ravalomanana mbola teto tsy lazaina intsony. Soa fa mbola nisy ireo antoko hafa mamelo-maso ny movansy Ravalomanana, fa raha tsy izany, dia efa nalevina im-pito mandifotr’olona ity antoko ity. Ireo mpikambana tao anaty movansy aza dia ireny nangataka seza toa an-dry Alain Andrimiseza ireny, ary efa nisy nisintaka toa an-dry Tonton Ambroise, saingy tsy nahafoy ny fitazomana ny ara-dalana, ka tsy nahazo ny seza tao anatin’izao fitondrana tetezamita izao......
Mampatsiahy ny tantaran’ny antoko Arema fahizay ity tranga ankehitriny ity. Raha vao nandositra niala teto an-tanindrazana ny filoha Ratsiraka sy ny SG Pierrot Rajaonarivelo, dia ireny nanao ny ataony ireny ny zaza nobeazina nandritra ny 24 taona. Nijoro ny Arema matotra. Nanangana antoko hafa izay tsy nahazo ranondranony, sy nitady toerana tamin’ny fitondran-dRavalomanana. Nivadika matetika teny ny palitao e. Tsy misy hafa amin’izany ny ataon’ny antoko TIM amin’izao fotoana izao. Na eo aza ireo, dia misy kosa ireo mitazona hatramin’ny farany ny haja amam-boninahitry ny antoko, ary sahy mijoro hatramin’ny farany. Izay tokoa no ilàna olona mahay mitazona foto-kevitra, fa tsy sanatria matim-boninahitra sy manao fitadiavan-karena ny antoko fotsiny. Tsy gaga isika, raha misy antoko efa mananika ny 50 taona mbola mijoro hatramin’izao, na dia mpikambana vitsy aza sisa tavela ao aminy, ary tsy atao maha-taitra ihany koa raha misy antoko vao mijoro, dia mitolefika.
Vainafo zanany
Mampalahelo dada fa voro-manga niteraka vorondolo, ny mifanohitra amin'ny ohabolan'ny ntaolo malagasy indray no nahazo azy. Atao ahoana fa misy tokoa ny fitiavan-karena sy voninahitra dia naleon'ny sasany namadika palitao. Mino anefa fa mbola be dia be lavitra noho ireo zaza nania ireo ny zanaka hendrin'i dada mpankatoa ray aman-dreny. Ka mbola hiara-hiriaria aminy tsy ho ela hanamporofo eran'izao tontolo izao fa izany ny zaza tsara taiza. SAmia tahian'Andriamanitra.
