jeu.
08
juil.
2010
Mbola hisy sahy hilaza ve fa miakatra ny harin-karena faobe eto amintsika? Mbola hisy olona mpitondra sahy hanome ny fidiran’ny vola vahiny, na ny ambim-bava ve eto? Ireo no mby ao antsain’ny rehetra raha vao nandre andro maro lasa izay, fa nahena avokoa ny fandaniana eny anivon’ny minisitera samihafa. Ny feo niely etsy sy eroa no nahalalana fa ho baky ropitra ny fanjakana Malagasy. Mety hikatona ny oniversite enina eto amintsika. Tsy misy vola hampitaovana ireo mpampianatra mpikaroka intsony? Mikatso avokoa ny tetikasa maro samihafa, ankoatry ny fanarenana fiangonana may angaha. Tsy tonga ny mpizaha tany, ary mivily lalana ny mpandraharaha mampiasa ny volany eto. Miakatra ny vidin-tsolika, ary efa ela no niakatra ny vidim-bary sy ny PPN. Ny fampanantenana natao tamin’ireo orinasa may nandritra ny hetsika 2009 mbola tsy nisy hatramin’izao, satria mbola hita eny ireo rindrina sisa mijoro tsy levon’ny afo. Tsy tanteraka ilay fampihenana ny vidim-bary ho Ar 500 sy ilay menaka ho Ar 2200 ny litatra....
Mbola tsy lafo ny “Force one two” izay nambara fa hividianana vary ho an’ny Malagasy. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, ary maro no tsy an’asa. Tsy nisy tetikasa mazava hanomezana asa ireo voaroaka, satria zary ny fangalarana sy ny fivarotan-tena no sakaiza tsy mahafoy azy ireny. Lany ny paiso an-kady, ary manify ny kitapombolampanjakana. Misy andian’olona toa tsy mahatsapa izany anefa eto amintsika. Ny fahitana ny biraom-panjakana misokatra, tsy midika fa mandeha ara-dalana ny asa ao. Tsy ny fandrenesana fa miha-vitsy ny mpitolona eo amin’ny Magro no hampiverina ny fitokisan’ny any ivelany ny fitondrana. Tsy fanaratsiana ny vondron’ny mpanelanelana isaky ny masoandro miposaka no hankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana FAT. Tsy ny fanagadrana ny tsy mitovy hevitra amin’ny tena no hampitobaka ny vola ao amin’ny kitapombolampanjakana. Matoa mitsitsy ny fitondrana ankehitriny, dia manify ny eo ampelantanana, ary raha nisy ny vola tsy nahena ny vola ampiasaina eny anivon’ny ministera. Nianatra ny tsy niankin-doha isika, saingy tapa-tenda, ary nianatra ny nandeha irery, nefa lavo sy potraka. Kikina ny fanjakana, ary sarotra ny hameno ny banga. Dia mbola hisy sahy hidedaka ve fa mandeha amin’ny ara-dalana ny fiainam-bahoaka eto? Sa ny fiainam-bahoaka sy ny fiainan’olom- bitsy tsy mitovy? Vainafo zanany
Miarahaba antsiaka rehetra mpamaky ny basy vava .zaho tsy masyvava fa tiany hevitra avoakan'ny akama rehetra eto amin'ity takelaka ity.Zao eo le bandy kely sy ny ekipa,ny hoha dia tena fôpla mihintsiny : Lainga beno afafiny a sy ireo ekipa miaraka aminy. Le bandy respons. serasera ao andapan'ny lery ao AMBOSOROHITRA iny tsy misy ilana azy .
Ianareo mpanao Gazety dia anisan'ireo alika jamban'ny taolana ka tsy mahita raha vao tolorana taolana. Raha navelan'ireo Mouvances telo hiasa zao ny Hat dia sahinao koa ve ny milaza fa tsy handeha io Fitondrana io? Atao daholo izao sakana rehetra izao mba hilazana fa tsy mahay mitondra ny eo . Izaho tsy mpanao Politika^, fa le ianareo miandany @ atsy sy aroa io no tena tsy zakany vavoniko. Tsy Poaka ny mason'ny Gasy ka hamerina indray ireo Goaika antitra tsy misy ilana azy ireo, matoa nalain'ny vahoaka dia tsy tokony hiverina eo intsony. Raha hisy ny hanolo an'i Filoha ANDRY dia tokony ho olona vaovao izany olona izany fa tsy avy @ireo mpitady toerana sy fahefana ireo fotsiny.
Misaotra ny gazety basyvava milaza ny marina, tsy hoe fombana ny atsy na ny aroa akory ny filazanreo
ny marina. Aoka fantatr'i Jacques fa Malagasy antampitrisany no mahita faisana tsy fidiny noho io saribakolin'ny frantsay io.
Nareo ry jacques no tena tsy misy hilana azy,tsy misy olona hiara-hiasa @ mpanongam-panjakana,nininona filazanareo,ary inona moa no hatahoranareo ireo lazaina fa goaika antitra ireo é,ataovy mangarahara tsara ny fifidianana d avelao zay te hirotsaka mirotsaka fa ny vahoaka ihany no mahalala ny tiany.
o!o!o! re olona fa t@ andron'iza no tsy nisy fironana manohitra ka tsy nahavita ny asany ny gvt ny olona anie manoro hevitra hivoahana@izao krizy izao e! fa tsy nanongampanjakana sy namotika tahakanareo(FAT) ARY MBA IZA FOANA MOA NO MANAO SARISARINADY (cinema bomba) ETO FOANA ary anjaran'ny mpampindrana no manome ny volany fa tsy ny ankolafy 3 nomibaiko ny mpampindrana hoe AZA AMPINDRAMINA IO FITONDRANA IO,naESORY nyAGOA
aza madainga ry basy maimbo vava a!
nidina ny vidim-bary raha 6000fmg t@Ra8 misy hatramin'ny 4000fmg izy zao
ny menaka raha 25000fmg; 15000fmg izy zao
O ry Jacques a,tsara ilay hevitrao saingy io no fahadisoana nataon'i Andry raha nanongana an-dRa8,tokony tsy naka ireo "goaika antitra"efa maimbo amin'ny vahoaka ireo(Ratsirahonana,Alain Ramaroson,sns...)fa olom-baovao no niarahana.Izao dia ireo goaika antitra ireo no manoro hevitra tsy mahomby ho azy ao dia izy no maimbo satria izy no lohany...izay ilay afera.Ny olana teto hatramin'izay anie ka io fomba io foana e!
Mba ampianaro ihany ny ankizy re oul ô mampirevy eny amin'ny toeram-pandihizana nama tsy hitovy @ mitondra firenena à na goaika antitra na tanora no miaraka ao ,io tary io mintsy no tsy manana niveau fa asakasak'zay hanantena nofy ééé!
