jeu.

08

juil.

2010

Fitia an-tery: Nanasonia fifanarahana izy mivady

Nandefa ny tantarany tamina tranon-kalam-pifandraisana iray natokana ho amin’izany ity vehivavy iray monina any Etazonia. Voatery nanasonia fifanarahana ara-pananahana hono izy mivady noho izao anton-javatra hotantaraina manaraka izao. Niteraka ny zanany voalohany ity ramatoa ity ary nihena niaraka tamin’izay ihany koa ny filany sy ny faniriany hiray ara-nofo amin’ny vadiny. Nanjary kamo izy raha hiroso amin’izany ary lasa tavela adinodino ny raim-pianakaviany, vokany. Tsy nionona tamin’izao kosa ny sain-drangahy fa nikaroka hevitra izy ary dia nahita. Notereny hanao sonia fifanarahana ny vadiny, miaiky fa hanao firaisana ara-nofo in-droa isan-kerinandro, na malaina, na mazoto. Dia notanterahana tokoa ny teny nomena. Raikitra ny in-droa isan-kerinandro. Raha somary sorena ramatoa tany am-boalohany dia nilaza kosa izy fa nanjary nahita fahafinaretana noho ireo tsapany hatramin’izay tsy mbola niteraka indray aza.....

Avotra ny fiarahan’izy roa. Raha voabaiko sy an-tery ny fiarahana tany am-piandohana dia niova ho nizotra ho azy ara-boajanahary amin’izao kosa izy taty aoriana ary nilaza mihitsy ramatoa fa ao amin’ny ilany azy tsara ny fiarahana amin’izao fotoana izao. Raha isika ary ramatoa isany no iharan’izany sy miaina izany. Hanaiky mora ve isika, hanasonia ny fifanarahana tahaka izany ? Raha ho antsika rangahy isany indray, firy amintsika no vonona hanavotra ny tokantranontsika toy izany, na amin’ny fomba ahoana, na amin’ny fomba ahoana ? Mety kosa ve ilay manery ny fitiavana toy izao tranga izao ? Dia an’ny tsirairay ny mamaly izany.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra