mer.

07

juil.

2010

Taksiben’Antananarivo: Samy manao izay mahafalifaly ny sainy

Nahitana fiakarany ny vidin-tsolika. Manomboka mandeha ny siosion-dresaka fa hiakatra ny saran-dalana. Tsy mbola voafaritra aloha ny momba izany. Ny zava-misy azo antoka dia manjaka ny gaboraraka eo amin’ny fitaterana an-drenivohitra, raha ny mahakasika ny taksibe fotsiny. Saika mimenomenona amin’ny afitsoky ny taksibe avokoa ny mponina an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Manararaotra ny krizy ve dia samy manao izay saim-pantany sy izay mahafinaritra ary izay mety aminy izy ireny ? Ho an’ny zotra 133 fotsiny ohatra dia anisan’ny mampitaraina ny mpandeha ireo mpamily sy resevera miavonavona. Misy ireo ora hanekeny mitondra amin’ny Ar200 ny tapa-dalana rehefa hanambitamby izay izy. Misy kosa anefa ny ora izay tsy hanekeny afa-tsy Ar300 rehefa maromaro izay ny olona entiny. Mbola fahita ihany koa ny resevera manda famerimbolan’olona, hany ka betsaka ireo mpandeha izay very vola tsy fidiny, malaina hiady.....

Sary fahita ataon’ny ankamaroan’ny taksiben’Antananarivo ihany koa, ankoatra izay, ny mihodina amin’izay toerana tiany. Afindrany amina taksibe hafa ny mpandeha. Ho an’ny zotra 119 indray ohatra dia misy ireo mahavatra mandainga mihitsy, noho ilay fitiavan-kely ihany. Milaza izy raha hiainga any Ankatso, any amin’ny toerana fiantsonany, fa Ambohijatovo sy Anosy ihany ny farany. Rehefa tonga eo Anosy anefa dia mitohy hatrany amin’ny 67ha ihany ny dia, sitrany ahay Ar200 isan’olona, vola hafa indray, ambonin’ilay azo Ankatso-Anosy teo. Misy ihany koa ireo zotra mbola ikoizana amin’ilay manao “vody hazo”, mitoretra ela amina toeram-piantsonana iray. Ao ihany koa anefa ireo mampitaintaina ny mpandeha noho izy ireo misisika etsy sy eroa sy miriotra mafy mifanenjika. Raha toy izany hatrany ny fomba fiasan’ny taksibe dia rariny ihany aloha raha hijanona ho Ar200 ny saran-dalana, na hidangana mihoampampana toy inona aza ny vidin-tsolika. Tonga mitondra ny fomba fijeriny ihany koa ny olona sasany sendra anay. Harimbola M.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    miharare (mercredi, 07 juillet 2010)

    Efa hatry ny ela no tokony nampanjakana ny lalana mifehy reny zotra reny,satria reo taxi be reo dia tokony manaja ny vahoaka entiny satria reo mpandeha reo no mamelona azy ireo.
    Andraikitry ministeran'ny fitanterany sy ireo eo ambany fiadidiany no manamafy zany lalana izany. Asa eto amintsika na misy entité miaro nyzon'ny mpanjify fa zany tokony ho anatin'ny asan' izy ireo. Ny tsy azo lavina anefa dia ty, Madagasikara dia tany anjakan'ny fanjakan'ny baroa amin'ny fomba samihafa, izay manambola dia tsy maty manota ka na misy fahadisoana vitan'izy ireo aza dia odian'ny mpanao lalana tsy hita satria mahatolotolotra. Toentsaina izay tena tsy mampandroso firenena tokoa ary zany anisan'ny mampahantra antsika satria tsy mandeha amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Faly mangalatahaka be fahatany fa tsy izay zavatra tsara anefa no alaintahaka fa izay fironana ahindrahindran'ny firenena tandrefana. Mila miova toetsaina isika ary zany manomboka amin'ny fanaja ny lalana misy: na iza io na iza, rehefa mandika lalana dia tokony voasazy ary indindra indrindra ny fanana toentsina tsy matin'ny kolikoly. Izay mbola tena lavitr' ezaka.

  • #2

    Isaka (mercredi, 14 juillet 2010 17:57)

    Marina izany resaka toe-tsaina io,fa eo koa ny fanabeazana satria ny ankamaroan'ny chauffeur taxi-be nge ka tsy manana na dia BEPC aza e ary ny receveur betsaka ny tsy manana CEPE ka tokony ho jerena ihany izay lafin-javatra izay satria sarangan'olona maro no mifampikasokasoka amin'izy ireo amin'ny maha fitateram-bahoaka azy.Tokony hisy arak'izany fanofanana manokana avy amin'ny mpampiasa na kaoperativa mialoha ny hampiasana azy fa tsy ny mpandeha indray no hanaovana hafetsena na fanararaotana.Afaka manao fitarainana any amin'ny biraon'ny kaoperativa raha tafaotra loatra ny fihetsiky ny chauffeur na receveur isika mpandeha fa mila mitadidy ilay olona fotsiny.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra