mer.
07
juil.
2010
Raikitra ny fanangonantsonia! Ilàna PDS ny tanana, satria voaheloka teo anatrehan’ny fitsarana ny ben’ny tanana eto Ivato firaisana. Io no antson’ny mponina eny an-toerana. Andro maro izay, dia efa nisy fivorivoriana isaky ny hariva ataon’ny fokonolona sy ny fikambanana samihafa, amin’ny tokony hametrahana PDS ny kaominina Ivato firaisana. Ny lefitry ny ben’ny tanàna teo aloha no mitondra ny tanana amin’izao fotoana izao. Io ben’ny tanana lefitra io anefa no nitory ny ben’ny tanàna lanim-bahoaka, ary izao nanamelohan’ny fitsarana ny olona voafidim-bahoaka izao. Tsy mitombina ny fihetsiky ny lefitry ny ben’ny tanana handray ny toerana toy izao hoy ny mponina, satria mety halaim-panahy avokoa ny lefitry ny ben’ny tanana hitory ny olona voafidim- bahoaka....
Noraisin’ny fokonolona ohatra ihany koa ny tany Toamasina. Tsy mbola voaheloka ilay ben’ny tanana nefa efa nandray ny toerany ny PDS. Tsy tokony hiavaka ny kaominina andrenivohitra sy ny ambanivohitra amin’ny fampiharana ny lalana toy izao, hoy ireo olona nanangona sonia maro be ny herinandro lasa teo. Araka ny fantatra, dia efa nisy ampahan- tsonia voalohany nalefa eny anivon’ny distrika sy ny minisiteran’ny fitsinjarampahefana ary ny minisiteran’ny Ati-tany, saingy mbola tsy nisy valiny? Heno nandritra ny resaka an-jorony teo amin’ireo olona marobe manao fanangonantsonia fa mety ho dokotera Mamy Andriamahafaly izay ben’ny tanana teo aloha teo amin’io kaominina io, ary laharana faharoa nandritra ny fifidianana farany teo no hatolotry ny olona ho PDS. Manina ny zava-bitany ny fokonolona, toy ny fanaovana sekoly sy paompin-drano, ary toerana fanasan-damba, ka izay no hanosehan’ny fokonolona azy ho PDS. Hanaiky izany ve anefa ny fanjakana? Tsara ny mampahafantatra, fa miezaka mamita asa ihany koa ankehitriny ny ben’ny tanana mpandimby toerana, ary tsy hanaiky hiala mora amin’ny toerany ny tenany amin’izao hetsiky ny fokonolona izao. Raleva zokiny