mer.
07
juil.
2010
Dia tena ho ny sandan’ny vola dolara niakatra tokoa ve no antonym mampiakatra ny vidin’ny solika eto amintsika, sa misy antony hafa hafenimpenina ao ambonimbony ao ? F’angaha moa tsy vita sy tsy hain’ireo mpivazavaza mpanao dridran’Ingilo milaza ho mahavita tena sy tsy mila vahiny ireo ny manondrotra ny sandam-bola Malagasy ? Zava-droa loha no andrasan’ny mpanara-baovao taorian’ny niakaran’ny vidintsolika tamin’ny faran’ny herinandro nivalona iny. Voalohany, ny f iant rai - kan’izany fiakaran’ny solika izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Aleo di a tsorina fa tsy maintsy hisy akony eo amin’ny vidin’entana ankapobeny izany, indrindra ireo entana tsy maintsy andoavana sarandàlana vao tonga eny amin’ny mpanjifa. Hatramin’izao aloha dia mbola tsy nampakatra ny saran-dàlana ireo fitaterambahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina, kanefa raha ny tahan’ny fisondrotan’ny litatry ny gazoaly (300 Ar isaky ny litatra) no jerena, dia azo vinavinaina ho tsy maintsy hisondrotra ny saram-pitaterana ato ho ato......
Mahagaga ihany Fa anisan’ny mahalasa eritreritra ny sarabambem- bahoaka amin’ i ty fisondrotry ny vidin-tsolika ity, ny filazan’ny tompon’andraikitra voakasik’izany fa ny fiakaran’ny sandan’ny vola dolara amerikana raha mitaha amin’ny sandan’ny vola malagasy no antony nampiakatra ny vidin-tsolika eto amint s ika. Fantat r a mantsy fa efa ho herintaona mahery izao no tsy nihetsika f i r y teo amin’ny 74 na 75 US$ teo ny vidin’ny 1 baril (manodidina ny159 litatra eo ho eo) amin’ny solika tsy voadio eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Dia eo indr indra no ivoahan’ny fanontaniana hoe : f ’angaha moa tsy hoe « mahazo aina tsara ny vola malagasy na dia eo aza ny krizy, ary mbola ampy ny tahirim-bola vahiny ao amin’ny banky foibe ao », raha ny voalazan’ny ministry ny volan’ny FAT tao ho ao izay. Fa ny tena mahavalalanina, ary mahavelom-panontaniana ny maro dia izao: tamin’ireny krizin-tsolika tamin’ny taona 2008 ireny dia efa tafakatra mihoatra ny 140 US$ ny 1 baril tamin’ny solika tsy voadio ny 3 jolay 2008,saingy tsy mbola toy ity fiakaran’ny vidiny tamin’ity volana jolay ity ny nivarotan’ny kaompania maninjara solika teny amin’ny mpanjifa teto Madagasikara. Izay ve no lanja miakatra ? Raha atao ny fampitahana tsotsotra ireo tarehimarika etsy ambony ireo, dia mazava fa nihoatra lavitra ny vidin’ny solika tamin’ny vidiny 140 US$ ny vidin’ny iray litatra eny amin’ny mpaninjara amin’izao vidin’ny 1 baril manodidina ny 75 US $ izao. Koa rehefa nidina ny sandan’ny vola dolara dia tsy mba hita mihitsy ny fidinan’ny eo amin’ity vidin-tsolika ity, saingy rehefa miakatra ny sandany dia poa toy izay ny fidangany eto amintsika. Ka inona no marina ? Ny vaovao re araka ny sahoan-dresaka manodidina i l a y f a n g a t a h a n ’ n y ministeran’ny angovo sy ny ministeran’ny volan’ny FAT fihaonana amin’ireo mpandraharaha eo amin’ny solika handinihana ny fomba hitazonana ny vidin-tsolika amin’ny vidiny teo aloha ny hoe : « hampihenana, na hanafoanana mihitsy ny hetra alain’ny fanjakana amin’ny tombom-barotra azon’ny orinasa (IBS) ». Dia hihena indray izany ny vola hiditra amin’ny kitapom-bolampanjakana raha raisina izany fanapahan-kevitra izany. Sao dia ny fitadiavankevitra hamahana ny olana ara‑politika, mba hiverenan’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena mahazatra, toy ny Vondrona Eropeana sy ny banky ary ny tahirim- bola iraisam-pirenena no vahaolana haingana hampiarin-doha ny sandan’ny vola malagasy ?
Tena miombo-kevitra @ basy vava aho milaza fa tsy vahaolana ny fanalana na fampihanana ny hetra fa fitadiavana vahaolana politika no maika, avy eo rehefa tonga ny bailleurs dia ho kianiny indray inona ty ataonareoty, dia tonga idray ny ajustement isan karazany sy ny conditionalité mahamay dia ny vahoaka ihany no hiharany
Momba resaka fanampiana. Toa dia tena lasa raikitapisaka ao antsain'ny gasy fa tsy ho afaka miaina izy ireo raha tsy mahazo fanampiana avy any ivelany. Miharihary zany toetsaina zatra miankindoha
izany ary tsy azo lavina fa mahakasika ny rehetra na io olona manampahaizana na io olontsotra. Ny tsy tsapan'ny rehetra dia reo tsy hanampinampy fahatany fa matoa izy manome dia mila tombony mihoatra
lavitr' izay nomeny na nampisamboriny, miaraka amin' izay fepetra tiany hapetraka, ohatra ireo ong etranger zay manampy olona sahirana na sekoly eto madagasikara, maninona amin' ireny ong reny no
maro vahiny miasa satria zany anisan'ny fepetra apetrany mba hanomezany asa ireo maro an'isa tsy an'
asa avy ami'ny toerana niforOnaN'ireo ong, ary zany toetsaina sy paikevitra zany tsy takatrantsika gasy fa isika faly mandray vonona fotsiny. Ny tiako hambara mazava dia ity, aho tsy hoe manohana
ireo mpitondra ankehitriny, fa ny zavatra iray mampiavaka azy ireo dia ny fiezahany mampiseho sy mitady lalana amin'ny fialana amin'ny fiankinadoha amin'ny firenena ivelany, izay na tiana na tsy
tiana tsy maintsy mi domine raha vao manome fanampiana. Nefa zany tsy ataotao fahatany fa mila fahamalinana sy fahamatorana,satria ataon'ny firenena matanjaka moyen d'exploitaton i gasikara sy ireo
mponina ao aminy. Mbola lavitra ezaka isika satria misy kolontsaintsika manome vahana izany fiankinandoha amin'ny hafa izany, nefa zany tsy fiankinandoha amin'ny hafa izany no tena atao hoe
FAHALEOVANTENA!!!!!!
Isika na hiodin-kavia na hiodin-kavanana nohon'ny toe karena marefo dia tsy afaka miala amin'ny mpamatsy vola mahazatra e!Mba fantatrao moa fa ny banky iraisam-pirenena sy ny FMI no kely zana-bola indrindra amin'ny mpamatsy vola misy?Ka hande hitady mpamatsy vola hafa aiza i Rajoelina sy ny forongony?Sa hande hanaonao foana otran'ny Ndremanjato tamin'ny fotoany ka nitetateta tany amin'ny financement //?Ny marina dia izao:tsy misy haindry zalahy izany mitondra fanjakana izany fa eo izy dia manandrakandrana satria tsy mahazo reconnaissance international dia mamoromporona an'itsy sy iroa handrebirebeba vahoaka efa reraka sy ianjadian'ny tsy rariny.Ny manao bizna hahabe ny miditra any am kitapom-bolany isanisany no imasoany sy katsahiny fa tsy izay vahoaka any akory na izay Firenena any...mbola vaovao foana ve nareo amin'ny ataon'ireo e?
