mer.
07
juil.
2010
Ambatolampy. Distrika iray amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Ambatolampy, tompon’ny vilany. Ny 50%- n’ny mponina ao aminy no voalaza fa mamelon-tena amin’ny fanamboarana vilany avokoa. Fanadihadiana natao tamina toerana iray fanamboarana vilany any an-toerana indrindra no hoentina aminao anio.
Akora
Iray amin’ireo toerampanamboarana vilany anisan’ny tranainy indrindra ao Ambatolampy ity notsidihan’ny gazety Basy Vava, an’ny fianakaviana iray iasan-dRa- Gilbert ity. Dimampolo taona nanaovana izany asa izany izy ireo, raha ny filazany. Araka izay maha-toerana fanamboarana vilany azy izay dia ny viraty na ny “aluminium” no akora tena miasa. Efa misy mamatsy avy any am-pitandranomasina ry RaGilbert sy ny ekipany ary manafatra avy any amin’ny faritany ihany koa izy ireo hamenoana ny akora tsy ampy avy eto an-toerana. Azo ampiasaina avokoa rehefa mety ho fitaovana vita amin’ny viraty toy ny tafo, ny “carrosserie”-na fiarakodia Land Rover, ny vilany efa simba …
Asa fanamboarana
Mandalo dingana maro ny vilany iray vao afaka hanana ny endriny toy ireny fahitantsika azy ahandroina sakafo ireny. Empoina aloha ny viraty rehetra ilaina hanamboarana azy. Rehefa voarendrika tsara izy dia averina ahandroina indray mialoha ny idirany ao amin’ny « atelier ». Araraka anaty lasitra avy eo ilay viraty masaka avy nahandroina. Tsy mihoatra ny dimy minitra eo ny fametrahana azy anaty lasitra izay. Boaty hazo antsoin-dry zareo hoe “chassis” miaraka amin’ny tany sy vovoka saribao no mandrafitra ny lasitra. Mbola vilany feno makorakoraka sy taitaina viraty no mivoaka avy ao. Atao amin’izay ny dingana farany dia ny fandaminana ilay vilany hahazo ny endriny madio sy azo ampiasaina. Izay no “finition”.
Isa enjehina
Tsy manana tsena hamarotana ny vilany vokariny ity toeram-panamboarana vilany iasan-dRaGilbert ity fa efa misy mandray avokoa ny vilany rehetra vitany. Manenjika isa araka ny kaomandy eo izy ireo. Miisa 40 isan’andro ny vilany “cocotte 36 sy 34” amboariny, miisa 60 kosa ny “cocotte” kelikely latsak’izay ary eo amin’ny 15 eo ny “cocotte 60”. Raisina Ar5500 ny kilaon’ny viraty. Mahatratra 2,5kg eo kosa ny lanjan’ny vi lany i ray vok ar in-dr y RaGilbert rehefa vita. Tsy mety amin-dry zareo ny vilany maivana, raha ny filazany ary izay no anisan’ny mampateza ny asany toy izao. Milanja 150kg isan’andro eo ny viraty arendrika, efatra kitapo ny saribao. 11 lahy kosa no miara-miasa mamokatra vilany manomboka any amin’ny fanempoana, ny ao amin’ny “atelier” ary any amin’ny “finition”. Asa iray mizotra hatrany ary azo ivelomana tsara ny asa fanamboarana vilany. Rehefa fotoam-pahavaratra ihany izy no somary misedra olana kely, noho ny faharatsian’ny andro, nefa eny an-tokotany avokoa no hanaovana ny asa rehetra. Raha te hanana vilany ianao dia tsidiho ao Ambatolampy ao ny toeram-piasan-dr y RaGilbert, fa efa matihanina amin’izany sehatra izany izy ireo. Harimbola M.
Henjana aloha lé asa e, fa ry zareo kosa aloha dia manambola. Misy ny milaz kou fa mitàna ody ry zareo mpanao vilany mpanakarem bé reo, tsy hay aloha zay fahamarinany. Ary tsy manao basy anga razily?
Matetika kou mantsy ny hita amin ny haino amanjery hoe misy ny manao basy gasy amin dry zareo mpanefy vilany ireo.
Tsy hoe inona fa mahay asa tanana ny gasy, saingy entin ny saina bé fialonana dia tsy dia lasa lavitra
Io tsy hoe noho ny saina be fialonana no tsy maha lasa lavitra ny gasy fa ilay rafitra misy mihintsy no tsy ahafahan'ny olona ao aminy mivoatra, ohatra raha misy olona iray nahita fomba fanaovana zavatra iray; amin'ny tany madroso dia misy fomba sy lalana arahina hiarovana izany zavatra hita izany ka tsy misy olona hafa afaka maka tahaka lay zavatra vita fa azo enjehina amin'ny lalana raha vao hita; saingy eto inona no lalana eo, samy manao saimpatany ny adala sy ny hendry; ary raha mba mitady fanohanana avy amin'ny mpitondra lay nahita hevitra dia tsy misy te halala satria tsy mbola misy azondreo hihinanan tsinona.
