jeu.

08

juil.

2010

Ankolafy telo: Ahiana hipatitaka

Samy maka ho azy. Io no hita amin’ny ankolafy telo, izay nitambatra ho vato teo aloha, ary ahiana hipatitaka ho fasika. Tsy misy fifampitokisana intsony, ka tsy tazana manohy ny tolona ny ankolafy Ratsiraka. Ny foto-kevitra hamet raka ny ara-dalàna eto amin’ny firenena eo ihany, fa ny fomba hitondrana ny tolona no samihafa. Ny ankolafy Zafy Albert sy ny ankolafy Ravalomanana no tena hita matetika amin’ireo fitetezam- paritra. Ny ankolafy Ratsiraka kosa tsy tazana firy. Ny antony, dia tsy mazava, fa ny tsy azo lavina, dia misy disadisa ahiana hampisarabazana ao. Porofon’io ilay hafatra nampitain’ny filoha Ravalomanana ny sabotsy teo ny fisian’izany tsy fifampitokisana intsony. Ny filoha mpitarika ny ankolafy telo kosa anefa, dia matotra tsara ny fifandraisan’izy ireo. Na eo aza izany, dia mbola mitazona ny ankolafy Madagasikara ny rehetra, ary tsy misy manana saina hiara-dalana amin’ny ankolafy Rajoelina. Raha ny tomban’ny mpitazana, dia mety ho lafiny ara-bola no mampisahotaka ny mpitaritolona, saingy heno ihany omaly fa hanamafy ny fiarahana indray ny ankolafy rehetra ?

Basy vava

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra