mar.

06

juil.

2010

Niala ny ilan-tongotry ny sezan’ny Fat

Niaraha-nahita sy nandre fa nametra-pialana ny sekreteram-panjakana frantsay Alain Joyandet ny alahady lasa teo, rehefa tratry ny fanaraha-maso nahazo azy momba ny raharaha roa samihafa tany Haiti sy ny momba ny fanitarana ny tranony ao Saint Tropez nanomboka ny volana aprily lasa teo. Nanaiky io fametraham-pialana io ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy, sy ny praiministra Fillon. Tsy ny antony fametraham-pialany loatra no ho jerentsika fa ny akony izay hiseho aty amintsika vokatr’izany zavatra izany. Tsaroantsika tsara fa io rangahy io dia anisan’ny andry iankinan’ny mpitondra FAT nandritra ny naha teo azy. Asa raha hanao ahoana ny vokatr’izany rehetra izany amin’izao. Io Alain Joyandet io no mba andry ifaharan’ny fitondrana fat amin’ny fanelanelanana rehetra izay mandeha any amin’ireo firenena any ivelany. Izy ihany koa no miara-miasa akaiky amin’ingahy Jean Marc Chataigner ambasadaoro frantsay eto amintsika sy niara-dia tamin’ny vadin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita raha vao tonga teo amin’ny fitondrana ny tenany ny volana martsa 2009. Ny vokatra azo lazaina izany dia tapaka ny tongon-tseza iray izay fototra ianterehan’ny fitondrana avon’ny tetezamita amin’izao fametraham-pialan’ingahy Joyandet izao. Marihana fa ingahy Bernard Kouchner ministry ny raharaham-bahiny no maka ny toerany mandrampaha-tongan’izay ho solony. Marihina fa amin'ny septambra ho avy izao ingahy Sarkozy no milaza hanao fanoloana ny governemanta iray manontolo.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    deba (mardi, 06 juillet 2010 16:44)

    Dia ahoana no fiatraikan'izany aty amintsika?Toa tsy hanova na inona na inona na miala aza io rangahy io,ny olana anie dia eo amintsika samy isika e,ny any ivelany mpampiady angely fotsiny,raha tena mandinika isika dia misy ady antrano eto Madagasikara fa ady mangatsiaka.Jereo tsara fa raha mahay mifanaraka isika samy isika dia miala maina daholo ireo hery avy any ivelany ireo fa saingy isika tsy mahay mifanaraka dia faly ry zareo mampiady angely...Mbola taratr'ilay toe-tsaina lomorona ihany izany rehetra izany..Ovay ny toe-tsaina ry MPITONDRA Fanjakana Malagasy isanisany o!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra