mar.
06
juil.
2010
Fahita any amin’ireny horonan-tsarimihetsika ireny izy, nefa mety tsy mbola misy mampihatra loatra. Inona indray ary izany ? … Tsy inona io fa ilay kitikitika kely ifanaovan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao ambany latabatra. Ny tongotra no ampiasaina amin’izy io. Fihetsika nentina nanaitairana filana hatramin’ny ela ny fifampikasokasohana. Mety ho vita tanana io, nefa azo atao tongotra tsara ihany koa. Raha te hanandrana ity farany ity ianao dia ireto ny torohevitra sy ny fitsipika tsara ho fantatrao. Voalohany indrindra aloha dia ataovy mifanatrika ny seza ipetrahanareo fa tsy mifanakaiky. Manasarotra ny fifampikitihana izany. Latabatra kelikely safidiana iarahana misakafo, mba ho mora takarina amin’ny tongotra izy. Kitiho moramora aloha ny feny, toy ireny tsy misy na inona na inona ireny. Afaka manala ny kiraronao ianao raha vehivavy....
Tsaratsara kosa tazonina eny ihany ny kiraro raha lehilahy, raha tsy hoe angaha manao ireny ban-tongotra lava manify ireny ilay vehivavy tianao hokitihina ka mety handrirotra ny bany ny kiraronao. Rehefa hitanao fa tsy nisy valiny hafahafa ilay fihetsikao teo dia tohizo ny fikitihana. Safosafoy amin’izay ny feny. Somary akaro na hitaro amina faritra hafa ny safosafonao. Banjino amin’ny masony ihany izy rehefa mikitika ao ambany latabatra ianao, no sady toraho tsiky kely. Fanombohan’ny tantara rehetra io kitika ambany latabatra io fa tsy hoe fiafarany akory. Raha misy olon-droa maniry hifampitory fitiavana any ho any, ka tsy mahita hevitra dia azony andramana tsara ity kitikitika ambany latabatra ity. Efa tsy be mpanao intsony mantsy amin’izao vaninandro izao ny mifanoratra taratasy sy ny toy izany. Koa raha samy mikatsaka fitiavana ihany, sahia mikitika ambany latabatra ! Fanamarihana kely fotsiny : tandrovy hatrany ny fahadiovan’ny tongotra mba tsy ho fofona hafa indray no hivoaka mialoha ny hafatra tiana hampitaina.
Aza mampiditra devoly ny mpamaky Basyvava. Efa andro fiovàna fo izao. Misaotra
Anatra tsy mampiditra devoly re io a, enao aza ve tsy manao an'izany mitsy?
Merci basy vava a
Ny resaka rehetra atao eto dia malalaka fa tsy entina amin'ny fahateren-tsaina,rehefa tsy mahazaka fotsiny dia aza mamaky na manakiana be fahatany fa fifampitaizana sy fanabeazana no atao eto.Filazana ny marina sy ny zava-misy ihany koa ary isaorana ny gazety manao itony ahafahan'ny rehetra maneho hevitra ankalalahana.Ny mifanompa sy ny toy izany no ratsy fa tsy ny torohevitra akory.Ny ankamarontsika Malagasy raha vao resaka Fitiavana dia otran'ny hoe zavatra ratsy izany nefa anie rehefa eo maka tsirony ery toa tsy tsaroana fa satry ho eo foana e!
Jereo ny basyvava ny talata 06 juillet, fa milaza mitsy ny mpanoratra ny antony hanoratany itony karazana lahatsoratra sy torohevitra itony:
"Entina hikolokolona sy hitaizana fitiavana eo amin ny MPIVADY hoy izy ny resaka pitsopitsony fa tsy sanatria hitarika hijangajanga akory."Ary raha remarquer nareo dia mpivady foana no resahan ilay
manoratra fa tsy hoe vadikely, na sipa, na 2éme bureau. Mankasitraka
tena tsara aloha le article, e! mety ho an'ny mpivady na mpisipa, sady azahoana anatra maro surtout fahalalana, ilaina fona ane! ny mahalala ny tsiambaratelon'ny zavatra iray e! eny fa na de efa hay
aza!
merci basy vava a!
