mar.

06

juil.

2010

Andro ririnina

Mety ho ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa angaha fa dia tena tsy laitra ny hatsiaka. Fa ny fifandrohitana politika dia mafana. Mila hampivoraka raha kelikely saina. Politika daholo tokoa moa izao iainana sy hampiainana ny Malagasy izao. Ny lafiny toe-karena aloha dia nampiteny ny moana ny sondro-bidy teo amin’ny solika, tsy maintsy hiitatra any amin’ny lafiny sosialy io. Dia hafanafana amin’izay ny ady hevitra etsy sy eroa. Mikoropaka indray ny mpitondra fa hampivory ny mpaninjara solika mba hitadiavana ny tokony ho vidiny marina. Ka ilay volantsika mihitsy anie no mihen-danja e! Raha mbola toe-karena marefo sy tsy maintsy miantehitra amin’ny fanafarana entana any ivelany, dia aza mihevitra fa ho voafehinao mpitondra ny fiakaran’io vidim-piainana io. Nofy ririnina izany ‘rey olona!.....

Ny mahagaga dia tsy mba mety hisy mihitsy ny fahatongavan- tsaina, fa ilay “ramatoa taranaky ny efa mangotraka” iny anie ka lany mondron-kery toa anareo ireo koa nanao ny kaonferansa rehetra tany ambany ravin-kazo rehetra tany e! Fa nony tato aoriana dia nahatsapa fa hay kiraron’i Beminahy no nanaovany. Lany andro eo am-pisikinana isika mianakavy ka hifampihinana an-toerana eto no hiafaràny. Tsy ohatra ny manonofy ve ianareo misantatra dinika etsy sy eroa io? Nofy ririnina koa izany e! Tohizana hatrany izao fiampitàna tetezana mangozohozo sy mitsingilahila izao? Manonofy e! Mitsingevana ambony rahona. Asio kafé! Fa toa mangitsy ity ririnina ity, ary miovaova sy tsy mena-mivadika na “ny kely“na “ny lehibe”. Tsy misy vaha-olana mazava fa mitohy hatrany ny fangoronana ny harenam-pirenena, miha-miakatra hatrany ny vidim-piainana, mangarona hatrany anaty vilanin’ny mponina ny mpitondra. Terena ho tsy maintsy hahomby ny fihaonana etsy sy eroa, ary tsy mijery mazava izay olana mety haterak’izany. Tsy mety ho tonga saina mihitsy fa satry hiaina ilay nofy ririnina, satry hiaina hatrany izao fisafotofotoana tsy hahitana mitsinjo izao. Raha izao no mbola ezahina sy hotohizana dia aza gaga raha eny amin’ny fokontany indray no hifanongana ireo sefo-fokontany isankarazany. Samia mba manofy ao anaty ririnina mamirifiry, mba samy te-ho sefo sy te-hangorona izay azo ahorona ts’inona k’ah! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    rajery (mardi, 06 juillet 2010 16:15)

    Dia sanatria izany tokoa ve no hiafaran'ny toe-tsaintsika e!Raha vao mahazo fahefana kely na sehatra inona izany dia ny hangorona no ao antsaina.Izany no atao hoe toe-tsaina mirefarefa amin'ny tany.Sady ny toe-tsaina ananantsika anie efa fantatry ny any ivelany any fa hoy ry zareo hoe:"Amin'izao fandrosoana misy eto Frantsa izao,na dia alefa aty Madagasikara daholo aza ny frantsay rehetra ary alefa any Frantsa kosa ny Malagasy rehetra(izany hoe ampifamadihana ny mponina)dia mbola ho potika tahaka an'i Madagasikara ihany i Frantsa afaka kelikely fa i Madagasikara kosa vitan'ny Frantsay hitovy fandrosoana amin'i Frantsa."Tokony mba hisaina sy handinika isika amin'izany fiheveran'ny olona ny toe-tsaintsika izany kanefa ny vahoaka moa ho aiza e,ny ataon'ny mpitondra ihany no tarafiny eo.Mba ovay amin'izay ny toe-tsainareo ry MPITONDRA a!Ianareo anie no tena fositra e,ny vahoaka mande amin'izay itondranareo azy fotsiny.Sa ianareo variana manao dahalo ambony latabatra ka tsy miraharaha ny fiainam-bahoaka?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra