lun.

05

juil.

2010

Tsy hita ny entako ô !

Vita iny ny fankalazàna ny fety. Miverina daholo ny sorisory, sorisory nandreraka anao, ny tebiteby, ny ahiahy tsy hihavanana rehetra. Raikitra indray ny fifanilihana andraikitra e! Efa lazaina fa tsy any ambony any, ho’aho ny laona! Inona ihany no antony hinteronteronana eny amin’ny avo eny e? Mijere ambany dia zahao ifotony ny olana. May ny trano, ny fiangonana, ny saina aman’eritraritra, ny volon-tratra…f’angaha izany vita mora e! Andrasana ho may vao harenina avy eo? Tsy ny fiarovana ve no tokony hamafisina e? Ny mokon-doha dia hanamafisana ny dingana vita fa tsy tokony hanagedrahana ny hafa. Aza avela hatory ny ady hevitra! Tereo ho masaka ny voalobo- jaza! Aza manaiky hanaraka ny hevitra mampitarazoka sy mandrebireby fotsiny! Fa ianareo ve te-hijanona ela amin’izao adi-tsaina mandreraka izao e? Miitatra any amin’ny kaominina ity ny krizy politika eto amin’ny tany sy fanjakana; dia miverina ny film e! Tsaroana tsara ilay namindràn’i Zandrikely ilay lamba miloko sainam-pirenena teny ambalahany, nafindrany tamin’ilay “ramatoa mahery fo” iny. Ny fanjakana foibe tamin’izany efa nanendry an’i “Mahery vaika”. Dia nikorontana ny fitantanana ilay CUA. I zandrikely, hono, tamin’ireny voafidim-bahoaka ka mahafantatra tsara ny tian’ny vahoaka rehetra-na ireo tsy nifidy azy aza. Fantany izany dia nafindrany ny fitantanana ny tanàna......

voafidim- bahoaka any amin’ny kaominina rehetra any ity? Hafahafa izy izany hoy ilay nitsako savony. Ho avy indray ity ny mpanelanelana avy any ivelany, hanao tomban’ezaka vita. Ny eto amin’ny tanàna anefa ity miembodava ny resaka sy dinika. Tsy ny hevitra no tsy misy fa ny finiavana hihaino ny hafa no olana. Tsy misy fifidianana hankatoavin’ny rehetra izany eto raha izay voafidy teo aloha ary tsy hay ny manaja azy…Dia izay no ilàna izay tetika hifanarahana sy hifampifehezana. Izao isika eto an-toerana dia mifanilaka indray fa tsy te-hanalava ity tetezamita ity. Tsy misy tetezamita hifarana izany mihitsy raha tsy eken’ny eto an-toerana aloha ny fahefana omena azy sy ny sori-dalana entiny. Manara-davahana fotsiny ny sehatra iraisam-pirenena. sa tsy izany no izy? Ny an-tratra hono tsy lavo, ka antsoina koa i Rainilahibe? Io anie ilay efa nolazain-dRamose fa tsy izay ben’ny tanàna rehetra io akory dia afaka hametraka izay tiany atao sy hitaritarika vahoaka etsy sy eroa e! Peho, ry Zandrikely a! Izay rehetra toetra sy fomban-dRamose atao fa tsy misy maharatsy an’ireny anie e! Ary aza milalasala intsony fa ataovy “kôpikôlé” izay nataony rehetra… Asa aloha fa tsy fantatra izay hohanin’ny voalavo na ny mipetraka na ny mihantona. Ny olana dia samy filoha ianareo mianaka: izy filoham-pirenena fa i Zandrikely filoha avo. Ny avo tokoa, hono, halan-drivotra. Aza manenina raha voatery hihiaka ny hoe: “tsy hita ny entako ô!” Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    rajery (lundi, 05 juillet 2010 19:07)

    Efa fantatra fa tsy misy dikany amin'i "zandrikely" na tsy hita aza ny entany.Tsy fahafirin'ny entana efa naondrany any amin'ny Reni-malalany izay sisa ao antoerana.Zandikely anie tsy ho fatiantoka mintsy na androany aza no miala ny tanàna fa izaho Malagasy monina eto no toa lasa valala voatango e , nefa dia hita izao fa zandrikely sy ny akamany no nitango ny Malagasy ary nanendy azy...Jereo ndray zao no ho fiantraikan'ny fiakaran'ny vidin-tsolika,dia hihevitra ve "ise"fa ry zandrikely sy ny forongony no ho voa amin'io na lasa 50.000 fmg aza ny iray litatra.

  • #2

    rambelo (mercredi, 07 juillet 2010 10:13)

    hitako ireo resakao ireo rajery a!Tsy tena mirona any amin'ny ankahalàna frantsay no tena izoran'ny ady hevitra fa hoe: aiza kosa no tokony hitantanana ny firenena tsy ho las mpanompo ny hafa fotsiny . manjary ohatra ny adalana no nataon'ireo nitolona ho amin'ny fahaleovantena. Izandrikely dia tsy kôpy amin'izay ataony fa mandeha miraparapa fotsiny.maharary loatra le voninahitra sy fitiavam-bola e.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra