lun.

05

juil.

2010

Mpanohitra sy ny FAT Lany andro mifanasa vangy

Izay miteny toa babany avokoa. Io no tsapa eo amin’ny fifanasàna vangy eo amin’ny mpitondra ny tetezamita ankehitriny, sy ny mpanohitra avy amin’ny ankolafy telo. Sahiran-tsaina ny vahoaka eo anoloan’izany, satria mitombo andro aman’alina ny fahantrana. Tsy mety hita ny vahaolana. Miezaka mitady izay hisian’ny marimaritra iraisana ny ankolafy telo. Miziriziry amin’ny heviny ny mpitondra nahazo fahefana. Resaka mandany jiro no niafarany, na dia teo aza ireny fifanarahana vita sonia natao tany ivelany ireny. Mikorosy fahana ny fiainambahoaka, ary mitombo andro aman’alina ny fahapotehan’ny toe-karena. Mikatona ny orinasa maro, ary 0,5% ny orinasa mba afaka mandray mpiasa tao anatin’izay 15 volana izay. Tsy hita taratra mazava ny tena asan’ny mpikambana ao amin’ny FAT etsy Anosikely. Tsy voafaritra na mpanao lalàna izy ireo, na mpanara-maso ny asan’ny governemanta, na akama natao hanohana fitondrana fotsiny. Tsy takona afenina ny karama raisin’ireo isam-bolana miampy ny tombontsoa isan-karazany........

Manify ny kitapom-bolam-panjakana, ary nanamafy mihitsy ny avy amin’ny ankolafy telo teny amin’ny Magro tamin’ity herinandro ity, fa miha-ritra ny vola vahiny ? Latsaka ambanin’ny zero ny toe-karentsika, raha efa tafakatra 7,1% izany ny taona 2008. Tsy misy mpamatsy vola intsony ahafahana manao ireo fotodrafitrasa isan-karazany. Mikatso ny fanamboaran-dalana sy ny sekoly ary ny hopitaly. M i t o k a - m o n i n a i Madagas ik ara, ar y tondroin’ny firenena eran-tany molotra noho ny fitondrana voatondro fa tsy ara-dalàna. Fisehosehoana ivelany no hita amin’ny filazana fa milamina ny fiainam-pirenena, ary mihodina tsara ny toe-karena Malagasy. Tsy misy ny orinasa vao miforona, satria matahotra ny hampiasa vola eto ny mpandraharaha. Ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, toy ny hazo sarobidy, dia isan’ny fivarotana tanindrazana. Nahazo laka izany tamin’ity fitondrana tetezamita ity. Ireo ampaham- pahavoazana voatanisa ireo no rivotra iainan’ny isambatan’olona, ary tsy gaga isika raha difotry ny fahantrana ny firenena. Misy kosa anefa tafita, ary nisongadina tao anatin’ny taona iray monja, ka ny fiara lafo vidy sy ny trano mijoalajoala no tsangambaton’ny tolona nataon’izy ireo. Dia izay tokoa ilay hoe ampahan’olom-bitsy hatrany no mitavana ny harem-pirenena e ? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 8

  • #1

    BEMA (lundi, 05 juillet 2010 07:50)

    Samy manao bizna alou ny akamaroany
    tsisy fiainam pitondrana sy politika mandeha zany fa ny fananangonan karena no betsaka: manao trano, manangana restaurant, mividy fiara, miantsena grande surface miaraka aminy garde de corps mizesta bé.... Vola adala tompo koa moa ka atao ahoana e!

  • #2

    bema (lundi, 05 juillet 2010 07:52)

    Tamin ny sabotsy teo ary nisy nanambady fa asa na iza???? embouteillage zao!!!!! foza zao!!! zesta zao!!!!

  • #3

    hasina (mardi, 06 juillet 2010 12:37)

    fa iza hono no nanao mariazy e! tsy vola azo t@ makarakara daolo ve zao zany, ary hita fa vola tsy nisahiranana matoa laniana @ foza e!

  • #4

    blompy (mardi, 06 juillet 2010 12:54)

    samy tsy misy mahalala oe inona no ataon'ireo hat ireo h@ izay fa de ao deao fa i sareraka hoa lasa aiza e!

  • #5

    deba (mardi, 06 juillet 2010 16:56)

    Efa vokin'ny vola be azony ao @ FAT Sareraka dia mangina e,ilay olona anie be resaka sy be vava rehefa tsy mahazo fitondrana fa raha vao tafiditra ao dia ny mampandry adrisa ny valala be mandry no ataony e!Adinony ilay hoe:"rahoviana ihany ialahy vao valala be mifoha..."

  • #6

    Bema (mardi, 06 juillet 2010 19:50)

    rehefa nanontany eraky ny tanana zany dia ohatry ny hoe zanaky ndrianarijaona no natao mariazy hono e
    teo anosivavaka, embouteillage bé zé manadala

  • #7

    rambelo (mercredi, 07 juillet 2010 10:16)

    manasa antsika mba hampiakatra kokoa ny ady hevitra . hanao fanankianana tena misy ventin-kevitra.RERAKY ny mivazavaza isika kanefa mijaly ara-kevitra. Ndao faizina ze manao hevi-dravina fotsiny

  • #8

    lila (lundi, 12 juillet 2010 18:40)

    za koa naheno iny vaovao mariazy iny fa toa hoe zanak'i Ratsirahonana hono e! nefa anie ny zanany toa efa manambady daholo e, sa ve ilay maty vady iny zany? ilay izy kosa alou h@ nahafatesan'ny vadiny dia toa ohatry ny olona mikorosy fahana izany, na fiakanjo izany na habe, toa lasa ohatry ny mora tsofin'ny rivotra koa, izay angmaba no nanambadiany

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra