lun.

05

juil.

2010

Misoko mangina ny fiakaran’ny vidin’entana

Mby an-koditra ny fahantrana hoy ireo mponina eny ambany tanàna. Miakatra andro aman’alina ny vidim-piainana. Tsy ho voatanisa eto ireo entana nahitana fisondrotam-bidy fa ny tena tsy maintsy hiainan’ny vahoaka malagasy dia ny fihinanam-bary. Eo indrindra isika izao, hoy ny fitenenana. Tsy hisy vidim-bary hidina izany intsony mandrampahatapitry ny fahavaratra hoy ny mpambongady voamaina iray, izany hoe any amin’ny fiakaran’ny vary 2011 any. Tao anatin’ny herinandro izay dia niakatra, niakatra hatrany ity vidim-bary ity. Nisondrotra Ar 10 isaky ny kapoaka, ao anatin’ny roa andro. Manompboka eo amin’ny Ar 250 ny mora indrindra (vary gasy vao na tranainy) Ar 350 kosa no vidin’ny vary ambonimbony kalitao toy ny makalioka, ohatra. Ny stock tampon no be mpividy noho izy mitombo be. Ny sokajin’olona maro an-trano no mirona aminy. Tsy ho resahana ny laoka eto fa raha ny vidin-kena fotsiny dia tsy ho takatry ny kelikely vola satria nisondrotra ihany koa io talohan’ny fetim-pirenena teo. Ar 6800 ny henankisoa 1 kg, raha Ar 5600 izany, tsy ela akory izay.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    rajery (mardi, 06 juillet 2010 17:23)

    Mbola averiko indray ny fanontaniako hoe:"iza no voa?"Andry ve sa Vital?Ngamba Roindefo na Hasina fa tsy ireo ka!An,An,an,matavy be ry zalahy nolazaiko ireo ko ho voa amin'izay vidim-bary miakatra ve?He hay moa FAT niala koa ireo koa...saika adinoko.Fa inona aloha no nahatonga ny vidim-piainana miakatra e?Krizy internasionaly ve?Tsia,ny tsy fahaizan'i Rajoelina sy ny FAT mijery ny fiainam-bahoaka fa variana mihinan-tantely ka tsy mifampiraharaha amin'ny rehetra...tsy aleo ve ny haninkohanin'ny vahoaka no amafazam-bola toy izay ry Kassav?Sa rehefa voky Kassav ny vohoaka dia atao hoe miasa Nirina sy Camille?Ngamba.....

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra