sam.
03
juil.
2010
Mavaivay mihi t sy ny fakam-panahy amin’izao vaninandron’ny fanatontoloana izao, raha tazanina amin’ny fomba fitafin’ny vehivavy ankehitriny. Sarotra ho an’ny olon-droa ny mamantatra na tena fitiavana marina no manosika azy ireo te hiaraka na dia filana fotsiny ihany, vokatr’izay. Toy izao ny fanazavana. Ampitovian’ny manampahaizana amin’ny fiankinan- doha amin-javatra iray toy ny toaka sy ny sigara ny faniriana hiaraka amin’olona iray. Mbola ny firaisana aranofo hatrany aloha no tena mahasarika voalohany sy mahamaimay ny olon-droa maniry hiaraka. Ny olona tena tia kosa dia maniry zavatra hafa lavitra mihoatra noho izay fiarahana eny ambony fandriana izay. Rehefa misy ny faniriana hampihaona azy amin’ny havana sy ny namana, dia efa fitiavana izay fa tsy filana intsony....
Raha tena tiana ilay olona dia ezahana tadidiana sy fantarina ny pitsopitson-javatra madinika nanamarika ny fiainany. Raha mbola ny anarany fotsiny ihany no fantatra dia mijanona ho filana ny fiarahana. Rehefa miresaka aminao izy ka tsy misy mahaliana anao ny zavatra resahany ary ny hitsoaka lavitra tsy hihaino azy mihitsy no ao an-tsainao dia filana fotsiny ihany izany no mahasarika anao aminy. Raha hitanao ho maranitsaina sy mahay mampihomehy ary mahaliana hatrany ny resany dia izay ilay tena fitiavana. Ny olona tena tiana dia aseho vahoaka, iarahana eny rehetra eny. Raha mijanona fotsiny any am-pandriana ihany ny fiarahana dia tsy ao ilay fitiavana fa filana fotsiny no karohana aminy. Mikasika izay fiarahana any am-pandriana izay indrindra dia izao no azo lazaina. Vonona hanome sy handray ny olona rehefa tia. Raha mila fotsiny izy dia toy izay koa ny sary hivoaka, te handray fotsiny hatrany izy fa tsy vonona hanome.