sam.
03
juil.
2010
Nitsidika ireo namana mpanao gazety teny Antanimora, omaly, ny "namana" vitsivitsy tsy mahafoy, tamin'izany no nahitana fa ianjadian'ny adin-tsaina ireto namana ireto, I Tiana Maharavo sy Philemon Raveloarison ( samy mpanao gazety) no tsikaritra fa tsy salama. I Maharavo niakatra be ny tosi-drany ary i "Ra-Fil" kosa voan'ny gripa mahery.Ilay andriam-bavilanitra tokan'ny Fahazavana voafonja kosa (Josiane Ranaivo) no latsa-dranomaso nahatsiaro ny "tety ambonin'ny tany" (fitenin'ireo gadra ny ivelan'ny fonja io) raha vao nifankahita tamin'ireto namany ireto ary tsy sasatra nanontany hatrany ny vaovao mitranga. Na izany aza anefa dia tsikaritra teny am-bavany fa manantena sy mahatoky ny fahendren'ny mpitsara ry zareo.Ny fianakavian'ny tsirairay rahateo koa tsy sasatry ny manohana sy manome hery hatrany azy ireo.
Tsy adinon'ireto namana ireto no nampitondra fisaorana hoan'ireo rehetra nanampy amin'izao fahavoazana lalina manjo ity radioan'ny FJKM ity.
. Na eo aza anefa ny vesatry ny adin-tsaina mahazo ny fianakaviany sy ny voafonja, dia matanjan-tsaina izy ireo, ary tsy mitsahatra ny mivavaka andro aman’alina. Tsara ny milaza fa mpanao gazety marobe avy eto an-toerana sy tany ivelany no nanameloka izao fanagadrana mpanao gazety teto amintsika izao.
Mikasika anareo ùpanao gazety dia tsotra ny mba lazaiko.Inareo dia azo helohina mazava raha mandika ny lalana manankery fa tsy hoe akory mpanao gazety ka manana statut manokana ka tsy azo helohina.Ny manaraka dia izao aza hadino fa olom-pirenena aloha ianareo alohany maha mpanao gazety anareo ka raha maheno zavatra tsy mety ianareo miseho sy mety hitranga hanohatohana ny fandriampahalemana dia adidinareo ny mampandre na mampilaza ny manampahefana.ary raha haka vaovao eny nareo avy eo dia manana assurence fa tsy misy hatahorana.Hoatran'ireny mpanao gazety manao ny asany aminy tany miady ireny.Fa ny zavatra tsy mety koasa aloha dia ny mamono olona na mikasitanana .Ireo mpitandro ny filaminana ao amintsika mantsy dia manararaotra be ihany indraindray ka manampatra ny sandribeny izay sandry tokony hiarovana ny vahoaka. Ireny dia tsy rariny.Raha te handroso isika malagasy dia mila manova toe-tsaina ka mpitondra sy ny olona izay manana andraikitra no manomboka azy voalohany mba ho fitaratra.Izay aloha no tokony hatao vao miroso aminy zavatra hafa.Veloma dia misaotra
Ho an'i Rakoto fanontaniana no apetrako aminao: Taiza teto ambonin'ny tany no nisy mpitodra fanjakana nanagadra mpanao gazety ? ary ny any ivelany aza dia tonga hatramin'ny fanivaivana mpitandra eo
imaso eo , nefa ireo mpanao gazety ny radio Fahazavana ireo dia nitatitra fotsiny ihany ny zava-nitranga teny Mausole fa tsy misy afatsy izay , ary mino aho fa mpihaino radion' ireo faty ireo ianao
dia mba ampitahao ny fomba fitenin'ireo eo @ fandaharana ataony fa manompa tsotra izao sa ve rehefa anareo dia tsara fa raha an'ny hafa dia loza amin'atambo . Nefa na ho hainga na ho ela ny marina
tsy mba maty na dia fisaka aza
Ho an'ny mpitsara dia enga anie ho toy ny mpitsara tany Toliary ny mpitsara eto Antananarivo ka mba himbitsika aminy ireo ny feon'ny fieritreretana ka hisaina kely fotsiny hoe ny fiainana toy ny
kodiaran-tsarety ka mihodiny toy ny tadio ka sao lahy ..... ny nenina tsy ao aloha fa afara handatsa ary ny alahelom'olona mihantra amin'ny taranakareo ka mba diniho ihany . Mahereza ny namana mpanao
gazety fa tsy maintsy mandresy izay mino an'ANDRIAMANITRA mahereza fa ny maro no mivavaka ho anareo.
Efa fantatsika ny nanonganan'i Andry R sy ny CAPSAT an-dRa8 tamin'ny 2009 = nakatona ny Viva. Dia nilokaloka ny filohan'y fat tamin'izany fa alalaka ny fanaovan-gazety ao anatin'y fitondrany
(nangalarina), inona anefa no nitranga > gadraina izay manelingelina, hamoronana antsanga.
Tsy misy sahy manohitra intsony ankehitriny, indrtindra fa ireo mpanao gazety, ny tao amin'ny Radio Fahazavana no sahy nilaza ny marina tsy mety ataon'ny fat sy ny forongony , dia ireo gadraina ireo,
fa ny mpanao gazety sasany izany dia "vomanaga" matahotra an'i lalatiana sy Rolly Mercia daholo! mbola aiza koa moa no anaovany anareo, raha kely aina aza manohitra fat! Ny mpanao gazety ny Radio
Fahazavana aza an'i FJKM ireny no anaovany azy mainka fa ianareo mpanao gazety vôtany kely ireto !
Tandremo ry mpanao gazety fa ao anatin'ny heriny ny fat a!! ho faty faty fôna eo nareo !!
Mahereza ry mpanao gazety maherifo
mahareza ry namana Fahazavana rehetra .Toujours akaikinareoreo aho naaadia aty aty atsimo lavitra .Mahareza leitsy Razôziana ah.
