sam.

03

juil.

2010

Inona no atao hoe manakorontana ?

Tsy azo atao intsony ny maneho hevitra malalaka, indr indra fa andalambe eto Madagasikara. Ambara ho mihoa-pefy sy manakorontana ny olona manao izany. Voadika tanteraka ny andian-dalàna ao amin’ny lalàmpanorenana manambara fa azon’ny olom-pirenena tsirairay ny maneho izany hevitra izany. Misy vay maharary ao, matoa mitaraina ny olona, ka mirotsaka an-dalambe, na manao fitokonana amin’ny toeram-piasany, na toerana voafaritra. Tany mandala ny demokrasia no ilazana ny firenena mamela malalaka ny vahoaka ao aminy haneho izany fitakiana izany. Isan’ny f i tondrana nambara ho jadona ny fanjakan’ny amiraly Ratsiraka sy Ravalomanana, saingy afaka naneho hevitra an-dalambe ny vahoaka, ary nampion gana azy izany.....

Mailo sy mahay maka lesona tamin’izay nitranga kosa anefa ny fitondrana tetezamita, ka izay mihetsika kely, dia voasambotra, ary miafara any am-ponja. Tsindriana manokana eto, fa samihafa ny maneho hevitra sy manongam-panjakana na mandromba sy manakorontana. Herin’ny hafa fa kely hery ny mpitondra zatra misambotra olona, ka tsy mahatoky ny heriny intsony. Ny haino aman-jerim-panjakana efa mihidy ho an’ny mpanohitra sy izay manan-kevitra hafa, ary izay radio mba nahafahan’ny hafa niteny io nakatona toy ny radio Fahazavana io. Raha izao aza dia efa tsy mahatoky ny tenany, koa ahoana izany raha hisedra safidim-bahoaka ?

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    deba (samedi, 03 juillet 2010 14:09)

    Hiandrandra safidim-bahoaka aiza?Andry RAJOELINA anie efa nilaza fa tsy hilatsaka ho fidiana filoha e,hainao ve inona no antony?Tsotra,nanangon-karena sy nanapotika ny fiainan'ny Malagasy no nataony dia rehefa potika sy tsy misy ho raisina intsony ao dia lasa amin'izay izy mamonjy ny Reni-malalany fa eo ianao ra-Madagasikara tantely afa-drakotra...

  • #2

    rajery (dimanche, 04 juillet 2010 15:58)

    Inona no atao hoe manakorontana?Raha fitondrana no resahina dia mpanakorontana rehefa tsy manana programa mazava sy tsy mahandry fifidianana nefa mitady haka Fanjakana.Atao hoe mpanakorontana ihany koa ny olona tsy manaiky ny teny ieranan'ny maro.Lazaina kosa fa manakorontana rehefa maneho hevitra ankalalahana ka tsy zakan'ny sofin'ny mpitondra ny mihaino azy eny fa na marina sy mari-pototra aza ny fanehoan-kevitra.Raha akapoka dia manakorotana rehefa tsy manaraka ny ara-dalàna.Koa raha ampahan'olona nanakorontana no mahazo Fanjakana dia mazava fa lasa Fanjakana mikorontana no mijoro satria izy samy be korontana no tafaray ao.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra