sam.

03

juil.

2010

Fanafody vahiny/ Misoko mangina rafahafatesana

Tato anatin’ny volana vitsivitsy izay dia misy tranganjavatra tahaka izao miseho eto an-drenivohitra. Tonga mandom-baravarana mitety tokantrano ny andian’olona vitsivitsy, izay tsy mpitsabo akory, nefa dia mitondra fanafody vahiny. Mety ho pilina atelina ilay fanafody entiny, mety ho ranony ihany koa. Dokafany ho manao fahagagana mihitsy ilay fanafody entiny amin’io. Lazainy fa manasitrana aretina maro, toy ny vavony, ny aty, ny voa sy ny maro hafa. Ataony izay handresena lahatra ny olona iantranoany hividy azy. Moa ve tsy dokotera Toy ireny dokotera ireny mihitsy izy rehefa mitondra fanazavana mikasika ny fanafody amidiny, nefa dia mpivarotra fotsiny ihany. Tsy vitan’izany fa arahana fanazavana amin’ny boky mihitsy ny fandokafana ataony. Toa fanerena an-kolaka mihitsy aza no ataon’ny sasany ka tsy vitsy ireo roboka mividy......

Ny vidin’ny fanafody amin’io tsy mba vola kely fa tena tsy latsaky ny iray hetsy ariary ny vola asainy aloa ary arahany kely amin’ny hoe tena azo antoka fa manasitrana ilay fanafody. Lazainy ho antony mampidangana ny vidiny, dia noho izy mbola hafarana any ivelany. Betsaka ny olona revo mividy satria ao ilay maika ho sitrana, ao ihany koa ny tia andrakandrana, ao moa ny efa lany haiky amin’ny fitsaboana ka miala nenina. Misy ny efa maty Araka ny siosion-dresaka nandeha anefa dia efa nisy ny olona namoy ny ainy vokatry ny fividianana izay fanafody vahiny izay. Mila mailo tsara isika manoloana izany karazana fanafody vahiny tsy fantapototra izany, satria mihanaka izaitsizy ny olona mirotsaka mivarotra azy io amin’izao fotoana izao. Mety hampametra- panontaniana ihany izany aty amin’ny farany hoe “efa tena tsy manan-danja intsony ve ny fanafody vita eto an-toerana toy ny raokandro sy ny namany no dia avela hahazo laka eto amintsika indray koa ny fanafody vahiny ?”. Ao ihany koa ny hoe “misy tombotsoa ambadika ho ana andian’olona ve ny fanafarana izany fanafody izany ary tena hafarana marina tokoa ve izy ireny sa misy tahiry ihany eto fa resaka fandrirarina atao ny hafa fotsiny mba hahabebe ny vola miditra any am-paosy ho an’ny tombotsoa manokana ?”. Asa izay hevitsika fa ireto aloha ny santionany tamin’ireo hevitra nangoninay. Harimbola M.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra