ven.

02

juil.

2010

Niato kely ny « mondial »

Araka ny fandaharan-dalao napetraky ny mpikarakara dia niato kely omaly sy anio ny « mondial 2010 » atao atsy Afrika Atsimo. Nisento tokana ireo tsy tia baolina kitra, fa mba afaka hiaina milamina kely aloha mandrapaha. Velom-panantenana kely ireo vadin’ny mpiondana kitra, satria mba afaka mitodika kely amin’ny fiainampitiavana ao an‑tokantrano indray izy mivady. Rehefa niaritra ny hirifirin’ny tsy fifanorohana sy tsy fanaovana devoara tao anatin’izay 19 andro izay dia mba hitsiry kely ny fanantenan-dramatoa fa tsy ho voabetroka izy raha mba manipy tsimoramora ny tanany ka hanafosafo an’ilay vady malalany. Etsy andaniny, ho afaka ihany koa ny fanaintainan-dreny amin’ny ditran-janaka sy valy bontana tsy mety hianatra sy hamerin-desona fa variana manaraka ireo lalao, saika isan’andro vaky izao.......

Tsy maintsy hohararaotina ny fotoana kely mba hanarahamaso ny fianaran-janaka. Sady ny fanadinana rahateo efa antomotra. Fa ny tena zava-dehibe dia ny firindran’ny fiainam-pianakaviana indray. Afaka mba miaraka kely ny fianakaviana, na dia hiara-hisakafo sy hiara-hitsangatsangana kely fotsiny aza. Raha tsy hanonitra ny torimaso very noho ny fiaretana nijery baolina indray Ramose. Fa tsy afaka andro kosa ireo mpiondana baolina kitra. Ohatry ny hafahafa izany tsy hahita baolina ao anatin’ny roa andro be izao. Sadaikatra ny saina sy ny maso raha hijery fahitalavitra amin’ny 5 ora hariva sy amin’ny 9 ora 30 alina fa tsy hahita mpilalao 22 mirahalahy sy mpitsara efadahy miampy vahoaka analinkisa ary tsy haheno ny feona vuvuzela. Inona no hanalana andro? Tsy maintsy hijery izay alefan’ny fahitalavitra e ! Ohatry ny roanjato taona ny roa andro tsy mahita baolina. Fa any ho any kosa misy olona sy fianakaviana tsy mahalala akory ny fisian’izany fiadiana izay ho tompondaka eran-tany izany. Honohono sy tsahotsaho no mba hahafantarany izany brezilianina sy Espanola ary argentins izany. Ny hany voafehiny fotsiny dia misy lalao baolina kitra, hono any Afrika Atsimo. Goavana kianja. Olona maro no tonga mijery ary tsara ny baolina fa tsy toy ilay lalao tataviankena na baolina babaky etsy antanimbary. « Izany no fiainana ianana ety e ! », hoy ny kalon’ny tarika Mahaleo.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra